< 1 Mpanjaka 4 >

1 Ary nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.
ソロモン王はイスラエルの全地に王たり
2 Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak’ i Zadoka, no mpisorona;
其有る群卿は左の如しザドクの子アザリヤは相國
3 Elihorefa sy Ahia, zanak’ i Sisa, no mpanoratra; Josafata zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;
シシヤの子エリホレフとアヒヤは書記官アヒルデの子ヨシヤパテは史官
4 ary Benaia, zanak’ i Joiada, no komandin’ ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
ヱホヤダの子ベナヤは軍の長ザドクとアビヤタルは祭司
5 ary Azaria, zanak’ i Natana, no lehiben’ ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak’ i Natana, no mpanolotsaina, sakaizan’ ny mpanjaka,
ナタンの子アザリヤは代官の長ナタンの子ザブデは大臣にして王の友たり
6 ary Ahisara no lehiben’ ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak’ i Abda, no komandin’ ny mpanao fanompoana.
アヒシヤルは宮内卿アブダの子アドニラムは徴募長なり
7 Ary Solomona nanendry roa ambin’ ny folo lahy ho amin’ ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain’ ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin’ ny herintaona izy.
ソロモン又イスラエルの全地に十二の代官を置り其人々王と其家のために食物を備へたり即ち各一年に一月宛食物を備へたり
8 Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima;
其名左のごとしエフライムの山地にはベンホル
9 Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;
マカヅとシヤラビムとベテシメシとエロンベテハナンにはベンデケル
10 Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;
アルポテにはベンヘセデありシヨコとヘベルの全地とは彼擔任り
11 Ben’ abinadaba tao amin’ ny havoan’ i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin’ i Solomona, no vadiny);
ドルの高地の全部にはベンアヒナダブあり彼はソロモンの女タパテを妻とせり
12 Bana, zanak’ i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan’ i Zaretana, ambanin’ i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr’ i Jokneama no azy.
アルヒデの子バアナはタアナクとメギドとヱズレルの下にザルタナの邊にあるベテシヤンの全地とを擔任てベテシヤンよりアベルメホラにいたりヨクネアムの外にまで及ぶ
13 Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an’ i Jaïra, zanak’ i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;
ギレアデのラモテにはベンゲベルあり彼はギレアデにあるマナセの子ヤイルの諸村を擔任ち又バシヤンなるアルゴブの地にある石垣と銅の關を有る大なる城六十を擔任り
14 Ahinadaba, zanak’ Ido, tany Mahanaima;
イドの子アヒナダブはマハナイムを擔任り
15 Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an’ i Basemata, zanakavavin’ i Solomona;
ナフタリにはアヒマアズあり彼もソロモンの女バスマテを妻に娶れり
16 Bana, zanak’ i Hosay, tany Asera sy Alota;
アセルとアロテにはホシヤイの子バアナあり
17 Josafata, zanak’ i Paroa, tany Isakara;
イツサカルにはパルアの子ヨシヤパテあり
18 Simey, zanak’ i Ela, tany Benjamina;
ベニヤミンにはエラの子シメイあり
19 Gabera, zanak’ i Ory, tany amin’ ny tany Gileada, tanin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, sy Oga, mpanjakan’ i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin’ izany tany izany.
アモリ人の王シホンの地およびバシヤンの王オグの地なるギレアデの地にはウリの子ゲベルあり其地にありし代官は唯彼一人のみ
20 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.
ユダとイスラエルの人は多くして濱の沙の多きがごとくなりしが飮食して樂めり
21 Ary Solomona nanjaka tamin’ ny fanjakana rehetra hatramin’ ny Ony sy ny tanin’ ny Filistina ka hatramin’ ny sisin’ i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an’ i Solomona tamin’ ny andro rehetra niainany.
ソロモンは河よりペリシテ人の地にいたるまでとエジプトの境に及ぶまでの諸國を治めたれば皆禮物を餽りてソロモンの一生の間事へたり
22 Ary ny fihinan’ i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora,
偖ソロモンの一日の食物は細麺三十石粗麺六十石
23 sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman’ osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy.
肥牛十牧場の牛二十羊一百其外に牡鹿羚羊小鹿および肥たる禽あり
24 Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ an-dafin’ ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin’ ny mpanjaka rehetra etỳ an-dafin’ ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin’ ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.
其はソロモン河の此方をテフサよりガザまで盡く治めたればなり即ち河の此方の諸王を悉く統治たり彼は四方の臣僕より平安を得たりき
25 Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ ny andron’ i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
ソロモンの一生の間ユダとイスラエルはダンよりベエルシバに至るまで安然に各其葡萄樹の下と無花果樹の下に住り
26 Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina, fitoeran’ ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina.
ソロモン戰車の馬の厩四千騎兵一萬二千を有り
27 Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain’ i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin’ ny: latabatr’ i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin’ ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
彼代官等各其月にソロモン王のためおよび總てソロモン王の席に來る者の爲に食を備へて缺るとこるなからしめたり
28 Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an’ ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin’ ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.
又彼等各其職に循ひて馬および疾足の馬に食する大麥と蒭蕘を其馬の在る處に携へ來れり
29 Ary Andriamanitra nanome an’ i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.
神ソロモンに智慧と聰明を甚だ多く賜ひ又廣大き心を賜ふ海濱の沙のごとし
30 Ary ny fahendren’ i Solomona nihoatra noho ny fahendren’ ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren’ ny Egyptiana rehetra.
ソロモンの智慧は東洋の人々の智慧とエジプトの諸の智慧よりも大なりき
31 Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak’ i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin’ ny firenena rehetra manodidina.
彼は凡の人よりも賢くエズラ人エタンよりも又マホルの子なるヘマンとカルコルおよびダルダよりも賢くして其名四方の諸國に聞えたり
32 Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo.
彼箴言三千を説り又其詩歌は一千五首あり
33 Ary nilaza ny amin’ ny hazo hatramin’ ny hazo sedera any Libanona ka hatramin’ ny hysopa izay maniry eny amin’ ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin’ ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.
彼又草木の事を論じてレバノンの香柏より墻に生る苔に迄及べり彼亦獣と鳥と匐行物と魚の事を論じたり
34 Ary dia nisy tonga avy tany amin’ ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren’ i Solomona, dia avy amin’ ny mpanjakan’ ny tany rehetra izay efa nahare ny amin’ ny fahendreny.
諸の國の人々ソロモンの智慧を聽んとて來り天下の諸の王ソロモンの智慧を聞及びて人を遣はせり

< 1 Mpanjaka 4 >