< 1 Mpanjaka 4 >

1 Ary nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.
Ndipo Mfumu Solomoni inakhala mfumu ya Aisraeli onse.
2 Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak’ i Zadoka, no mpisorona;
Nduna zake zikuluzikulu zinali izi: Azariya mwana wa Zadoki anali wansembe;
3 Elihorefa sy Ahia, zanak’ i Sisa, no mpanoratra; Josafata zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;
Elihorefe ndi Ahiya, ana a Sisa, anali alembi; Yehosafati mwana wa Ahiludi, anali mlembi wa zochitika;
4 ary Benaia, zanak’ i Joiada, no komandin’ ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
Benaya mwana wa Yehoyada, anali mtsogoleri wa ankhondo; Zadoki ndi Abiatara, anali ansembe;
5 ary Azaria, zanak’ i Natana, no lehiben’ ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak’ i Natana, no mpanolotsaina, sakaizan’ ny mpanjaka,
Azariya mwana wa Natani, anali woyangʼanira nduna za mʼzigawo; Zabudi mwana wa Natani, anali wansembe ndi bwenzi la mfumu;
6 ary Ahisara no lehiben’ ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak’ i Abda, no komandin’ ny mpanao fanompoana.
Ahisara, anali mkulu woyangʼanira nyumba ya mfumu; Adoniramu mwana wa Abida, anali mkulu woyangʼanira ntchito za thangata.
7 Ary Solomona nanendry roa ambin’ ny folo lahy ho amin’ ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain’ ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin’ ny herintaona izy.
Solomoni analinso ndi abwanamkubwa khumi ndi awiri amene ankayangʼanira zigawo zonse za dziko la Israeli. Iwo ankapereka chakudya kwa mfumu ndiponso ku banja laufumu. Bwanamkubwa aliyense ankapereka chakudya mwezi umodzi pa chaka.
8 Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima;
Mayina awo ndi awa: Beni-Huri, wa ku dziko la mapiri la Efereimu;
9 Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;
Beni-Dekeri, woyangʼanira mizinda ya Makazi, Saalibimu, Beti-Semesi ndi Eloni Beti-Hanani;
10 Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;
Beni-Hesedi, woyangʼanira mizinda ya Aruboti (Soko ndi dziko lonse la Heferi);
11 Ben’ abinadaba tao amin’ ny havoan’ i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin’ i Solomona, no vadiny);
Beni-Abinadabu, woyangʼanira Nafoti Dori (iye anakwatira Tafati mwana wa Solomoni);
12 Bana, zanak’ i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan’ i Zaretana, ambanin’ i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr’ i Jokneama no azy.
Baana mwana wa Ahiludi, anali woyangʼanira Taanaki ndi Megido, ndi ku Beti Sani konse, kufupi ndi ku Zaretani kumunsi kwa Yezireeli, kuyambira ku Beti-Seani mpaka ku Abeli-Mehola kukafika mpaka ku Yokineamu;
13 Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an’ i Jaïra, zanak’ i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;
Beni-Geberi, anali woyangʼanira Ramoti Giliyadi (midzi ya Yairi inali ya mwana wa Manase ku Giliyadi, pamodzinso ndi chigawo cha Arigobu ku Basani ndiponso mizinda yake yayikulu makumi asanu ndi umodzi yokhala ndi malinga ndi mipiringidzo yamkuwa).
14 Ahinadaba, zanak’ Ido, tany Mahanaima;
Ahinadabu mwana wa Ido, anali woyangʼanira Mahanaimu;
15 Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an’ i Basemata, zanakavavin’ i Solomona;
Ahimaazi anali woyangʼanira Nafutali (iyeyu anakwatira Basemati mwana wa Solomoni);
16 Bana, zanak’ i Hosay, tany Asera sy Alota;
Baana mwana wa Husai, anali woyangʼanira Aseri ndi Bealoti;
17 Josafata, zanak’ i Paroa, tany Isakara;
Yehosafati mwana wa Paruwa, anali woyangʼanira Isakara;
18 Simey, zanak’ i Ela, tany Benjamina;
Simei mwana wa Ela, anali woyangʼanira Benjamini;
19 Gabera, zanak’ i Ory, tany amin’ ny tany Gileada, tanin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, sy Oga, mpanjakan’ i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin’ izany tany izany.
Geberi mwana wa Uri, anali woyangʼanira Giliyadi (dziko la Sihoni mfumu ya Aamori ndi dziko la Ogi mfumu ya Basani). Iye ankayangʼanira chigawo chonsechi yekha.
20 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.
Anthu a ku Yuda ndi ku Israeli anali ochuluka ngati mchenga wa mʼmbali mwa nyanja. Ankadya ndi kumwa ndipo ankasangalala.
21 Ary Solomona nanjaka tamin’ ny fanjakana rehetra hatramin’ ny Ony sy ny tanin’ ny Filistina ka hatramin’ ny sisin’ i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an’ i Solomona tamin’ ny andro rehetra niainany.
Ndipo Solomoni analamulira mayiko onse kuyambira ku mtsinje wa Yufurate mpaka ku dziko la Afilisti, kukafika mpaka ku malire a dziko la Igupto. Mayikowa ankabweretsa mphatso ndipo anali pansi pa ulamuliro wa Solomoni moyo wake wonse.
22 Ary ny fihinan’ i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora,
Chakudya cha tsiku ndi tsiku cha Solomoni chinali madengu 150 a ufa wosalala ndi madengu 300 a mgayiwa,
23 sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman’ osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy.
ngʼombe khumi zonenepa zodyetsera mʼkhola, ngʼombe za ku busa makumi awiri, ndiponso nkhosa ndi mbuzi 100, pamodzinso ndi mbawala, agwape, mphoyo ndi mbalame zoweta zonona.
24 Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ an-dafin’ ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin’ ny mpanjaka rehetra etỳ an-dafin’ ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin’ ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.
Pakuti ankalamulira dziko lonse la kumadzulo kwa mtsinje wa Yufurate kuyambira ku Tifisa mpaka ku Gaza, mafumu onse a kumadzulo kwa Mtsinje, ndipo anali pa mtendere ndi mayiko onse ozungulira.
25 Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ ny andron’ i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
Pa nthawi ya Solomoni, Yuda ndi Israeli anali pa mtendere, kuyambira ku Dani mpaka ku Beeriseba. Munthu aliyense ankangodzikhalira pansi pa mpesa wake ndi mtengo wake wa mkuyu.
26 Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina, fitoeran’ ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina.
Solomoni anali ndi zipinda 4,000 zodyeramo akavalo okoka magaleta ake ndi anthu 12,000 oyendetsa magaleta.
27 Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain’ i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin’ ny: latabatr’ i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin’ ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
Abwanamkubwa a zigawo aja, aliyense pa mwezi wake, ankapereka chakudya cha Mfumu Solomoni ndi cha anthu onse amene ankadya naye. Iwo ankaonetsetsa kuti pasasowe kalikonse.
28 Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an’ ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin’ ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.
Ankabweretsanso ku malo ake ofunikira muyeso wawo wa barele ndi udzu wa akavalo okoka magaleta ndiponso akavalo ena.
29 Ary Andriamanitra nanome an’ i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.
Mulungu anamupatsa Solomoni nzeru ndi luntha losaneneka ndipo nzeru zake zinali zochuluka ngati mchenga wa mʼmbali mwa nyanja.
30 Ary ny fahendren’ i Solomona nihoatra noho ny fahendren’ ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren’ ny Egyptiana rehetra.
Nzeru za Solomoni zinali zoposa nzeru za anthu onse a Kummawa ndiponso nzeru zonse za ku Igupto.
31 Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak’ i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin’ ny firenena rehetra manodidina.
Iye anali wanzeru kuposa munthu wina aliyense, kuposa ngakhale Etani wa banja la Ezara, Hemani, Kalikoli ndi Darida, ana a Maholi. Ndipo mbiri yake inamveka kwa mitundu yonse ya anthu ozungulira.
32 Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo.
Solomoni anapeka miyambi 3,000 ndi kulemba nyimbo 1,005.
33 Ary nilaza ny amin’ ny hazo hatramin’ ny hazo sedera any Libanona ka hatramin’ ny hysopa izay maniry eny amin’ ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin’ ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.
Iye ankaphunzitsa za mitengo, kuyambira mtengo wa mkungudza wa ku Lebanoni mpaka kachitsamba ka hisope khomera pa khoma. Iye ankaphunzitsanso za nyama ndi mbalame, zinthu zokwawa pansi ndiponso za nsomba.
34 Ary dia nisy tonga avy tany amin’ ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren’ i Solomona, dia avy amin’ ny mpanjakan’ ny tany rehetra izay efa nahare ny amin’ ny fahendreny.
Anthu a mitundu yonse ankabwera kudzamva nzeru za Solomoni. Anthu amenewa ankatumizidwa ndi mafumu onse a dziko lapansi amene anamvapo za nzeru zakezo.

< 1 Mpanjaka 4 >