< 1 Mpanjaka 3 >
1 Ary Solomona tonga vinanton’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin’ i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan’ i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon’ i Jehovah ary ny màndan’ i Jerosalema manodidina.
2 Kanefa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany, fa tsy mbola nisy trano vita ho an’ ny anaran’ i Jehovah hatramin’ izany andro izany.
3 Ary Solomona tia an’ i Jehovah ka nizotra araka ny dian’ i Davida rainy; nefa kosa izy mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany.
4 Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza; ka fanatitra dorana arivo no naterin’ i Solomona teo amin’ izany alitara izany.
5 Tao Gibeona no nisehoan’ i Jehovah tamin’ i Solomona tamin’ ny nofy nony alina; ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao.
6 Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’ i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin’ ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian’ ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianany tahaka ny amin’ izao anio izao.
7 Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an’ i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra.
8 Ary izaho mpanomponao koa dia ao amin’ ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany.
9 Koa omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao?
10 Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan’ i Solomona izany zavatra izany;
11 ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain’ ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao,
12 dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao.
13 Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy mpanjaka tahaka anao amin’ ny andronao rehetra.
14 Ary raha handeha amin’ ny lalako ianao ka hitandrina ny lalàko sy ny didiko tahaka ny nandehanan’ i Davida rainao, dia hataoko ho ela velona ianao.
15 Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an’ ny mpanompony rehetra izy.
16 Ary tamin’ izany dia nisy vehivavy janga roa nankao amin’ ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany.
17 Ary hoy ilay vehivavy anankiray: Trarantitra ianao, tompokolahy, izaho sy ity vehivavy ity miray trano; ary teraka tao an-trano aho, sady tao koa izy.
18 Ary nony efa velona hateloana aho, dia mba velona koa izavavy ity; ary izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano, fa izahay roa vavy ihany.
19 Ary maty tamin’ ny alina ny zanak’ izavavy ity, fa voatsindriny.
20 Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin’ ilay natory iny aho ankizivavinao, dia nampandriny teo an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo an-tratrako.
21 Ary nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa nofantariko sy nony maraina, dia indro fa tsy ny zanako naerako.
22 Ary hoy kosa ilay anankiray: Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy indray ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. Izany no teniny teo anatrehan’ ny mpanjaka.
23 Ary hoy ny mpanjaka: Ny anankiray manao hoe: Ity velona no zanako, ary ny maty no zanakao; ary hoy kosa ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako.
24 Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Ary nentiny ny sabatra ho eo anatrehan’ ny mpanjaka.
25 Ary hoy ny mpanjaka: Sasaho ny zaza velona, ka omeo ny anankiray ny antsasany, ary ho an’ ny anankiray kosa ny antsasany.
26 Fa niteny tamin’ ny mpanjaka ravehivavy, renin’ ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin’ ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy.
27 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny.
28 Ary raha ren’ ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon’ ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren’ Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.