< 1 Mpanjaka 22 >
1 Ary nandry fahizay ny Syriana sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady.
И минаха се три години без война между Сирия и Израиля.
2 Ary nony tamin’ ny taona fahatelo, dia nidina Josafata, mpanjakan’ ny Joda, ho any amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
А в третата година, когато Юдовият цар Иосафат слезе при Израилевия цар,
3 Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Syria?
рече Израилевият цар на слугите си: Знаете ли, че Рамот-галаад е наш; а ние немарим да си го вземем от ръката на сирийския цар?
4 Ary hoy koa izy tamin’ i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an’ i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
Рече и на Иосафата: Дохождаш ли с мена на бой в Рамот-галаад? И Иосафат каза на Израилевия цар: Аз съм както си ти, моите люде както твоите люде, моите коне както твоите коне.
5 Ary hoy Josafata tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin’ i Jehovah.
Иосафат каза още на Израилевия цар: Моля, допитайте се сега до Господното слово.
6 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an’ i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
Тогава Израилевият цар събра прорците си, около четиристотин мъже, та из каза: Да ида ли на бой против Рамот-галаад, или да не ида? А те казаха: Възлез и Господ ще го предаде в ръката на царя.
7 Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin’ i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
Обаче Иосафат каза: Няма ли тук освен тия, някой Господен пророк, за да се допитаме чрез него?
8 Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak’ i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin’ i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
И Израилевият цар рече на Иосафата: Има още един човек, Михей, син на Емла, чрез когото можем да се допитаме до Господа; но аз го мразя, защото не пророкува добро за мене, но зло. А Иосафат каза: Нека не говори така царят.
9 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak’ i Jimla.
Тогава Израилевият цар повика един скопец и рече: Доведи скоро Михея син на Емла.
10 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda, samy nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany avy teo amin’ ny famoloana eo anoloan’ ny vavahadin’ i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany.
А Израилевият цар и Юдовият цар Иосафат седяха, всеки на престола си, облечени в одеждите си, на открито място при входа на самарийската порта: и всичките пророци пророкуваха пред тях.
11 Ary Zedekia, zanak’ i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
А Седекия, Ханаановият син, си направи железни рогове, и рече: Така казва Господ: С тия ще буташ сирийците догде ги довършиш.
12 Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa Jehovah hanolotra azy eo an-tananao, ry mpanjaka.
Също и всичките пророци така пророкуваха, казвайки: Иди в Рамот-галаад, и ще имаш добър успех; защото Господ ще го предаде в ръката на церя.
13 Ary ilay iraka izay nandeha naka an’ i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an’ ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ ny anankiray amin’ ireo, ka mba mitenena soa koa.
А пратеникът, който отиде да повика Михея, му говори казвайки: Ето сега, думите на пророците, като из едни уста са добри за царя; моля, и твоята дума да бъде като думата на един от тях, и ти говори доброто.
14 Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain’ i Jehovah amiko ihany no hambarako.
А Михей рече: В името на живия Господ заявявам, че каквото ми рече Господ, това ще говоря.
15 Dia nankany amin’ ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’ i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr’ i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
И тъй, дойде при царя. И царят му каза: Михее, да идем ли на бой в Рамот-галаад, или да не идем? А той му говори: Възлез и ще имаш добър успех; защото Господ ще го предаде в ръката на царя.
16 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin’ ny anaran’ i Jehovah afa-tsy izay marina ihany
А царят му каза: Колко пъти ще те заклевам да ми не говориш друга освен истината в Господното име!
17 Dia hoy Mikaia Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
А той рече: Видях целият Израил пръснат по планините, като овци, които нямат овчар; и Господ рече: Тия нямат господар; нека се върнат всеки у дома си с мир.
18 Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
Тогава Израилевият цар каза на Иосафата: Не рекох ли ти, че не ще прорече добро за мене, но зло?
19 Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah: Nahita an’ i Jehovah nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo an-daniny avy, dia teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
А Михей рече: Чуй, прочее, Господното слово. Видях Господа седящ на престола Си, и цялото небесно множество стоящо около него отдясно и отляво.
20 Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an’ i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
И Господ рече: Кой ще примами Ахаава, за да отиде и да падне в Рамот-галаад? И един каза едно, а друг каза друго.
21 Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan’ i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin’ inona anefa?
Сетне излезе един дух та застана пред Господа и рече: Аз ще го примамя.
22 Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
И Господ му рече: Как? А той каза: Ще изляза и ще бъда лъжлив дух в устата на всичките му пророци. И Господ рече: Примамвай го, още и ще сполучиш; излез, стори така.
23 Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ ireto mpaminaninao rehetra ireto ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
Сега, прочее, ето, Господ е турил лъжлив дух в устата на всички тия твои пророци; обаче Господ е говорил зла за тебе.
24 Fa Zedekia, zanak’ i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak’ i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan’ ny Fanahin’ i Jehovah tamiko hiteny aminao?
Тогава Седекия, Ханаановият син, се приближи та плесна Михея по бузата и каза: През кой път мина Господният Дух от мене, за да говори на тебе?
25 Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin’ ny andro hidiranao ao amin’ ny efi-trano anatiny hierenao.
А Михей рече: Ето, ще видиш в оня ден, когато ще отиваш из клет в клет за да се криеш.
26 Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin’ i Amona, komandin’ ny tanàna, sy ho any amin’ i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
Тогава Израилевият цар каза: Хванете Михея та го върнете при градския управител Амон и при царския син Иоас.
27 ka lazao hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
И речете: Така казва царят: Турете тогова в тъмницата, и хранете го със затворническа порция хляб и вода догде си дойда с мир.
28 Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin’ i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.
И рече Михей: Ако някога се върнеш с мир, то Господ не е говорил чрез мене. Рече още: Слушайте вие, всички племена.
29 Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda.
И така, Израилевият цар и Юдовият цар Иосафат отидоха в Рамот-галаад.
30 Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin’ ny ady.
И Израилевият цар рече на Иосафата: Аз ще се предреша като вляза в сражението, а ти облечи одеждите си. Прочее, Израилевият цар се предреши та влезе в сражението.
31 Fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandidy ny roa amby telo-polo lahy, komandin’ ny kalesy, nanao hoe: Aza miady na amin’ ny kely na amin’ ny lehibe, afa-tsy amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ihany.
А сирийският цар бе заповядал на тридесет и двамата свои колесниценачалници, казвайки: Не се бийте нито с малък, нито с голям, но само с Израилевия цар.
32 Ary nony nahita an’ i Josafata ireo komandin’ ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan’ ny Isiraely. Dia nanatrika hiady taminy ireo; ka dia niantsoantso Josafata.
А колесниценачелниците, като видяха Иосафата, рекоха: Несъмнено тоя ще е Израилевия цар; и отклониха се, да го ударят; но Иосафат извика.
33 Ary rehefa hitan’ ireo komandin’ ny kalesy fa tsy ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
И колесниценачалниците, като видяха, че не беше Израилевият цар, престанаха да го преследват и се върнаха.
34 Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan’ ny Isiraely teo anelanelan’ ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin’ ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin’ ny ady aho, fa voa.
А един човек стреля без да мери, и удари Израилевия цар между ставите на бронята му; за това той рече на колесничаря си: Обърни ръката си та ме изведи из сражението, защото съм тежко ранен.
35 Ary nihamafy ny ady tamin’ izany andro izany; ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo amin’ ny kalesiny tandrifin’ ny Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny andro; ary ny rà nandeha avy teo amin’ ny efa voa ho ao anatin’ ny kalesy.
И в оня ден сражението се усили; а царят биде подкрепен в колесницата си срещу сирийците, но привечер умря; и кръвта течеше от раната в дъното на колесницата.
36 Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia niely eran’ ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin’ ny taniny avy!
И около захождането на слънцето, нададе се в стана вик, който казваше: Всеки да иде в града си и всеки на мястото си!
37 Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria izy, dia nalevina tao.
Така царят умря, и донесоха в Самария, и погребаха царя в Самария.
38 Ary nony nosasana teo am-parihin’ i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny ràny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin’ i Jehovah.
И като миеха колесницата в самарийския водоем, гдето се миеха и блудниците, кучетата лижеха кръвта му, според словото, което Господ бе говорил.
39 Ary ny tantaran’ i Ahaba sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
А останалите дела на Ахаава, и всичко що върши, и къщата която построи от слонова кост, и всичките градове, които съгради, не са ли написани в Книгата на летописите на Израилевите царе?
40 Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin’ ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
Така Ахаав заспа с бащите си; и вместо него се възцари син му Охозия.
41 Ary Josafata, zanak’ i Asa, vao nanjaka tamin’ ny Joda tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely.
А над Юда се възцари Иосафат, син на Аса, в четвъртата година на Израилевия цар Ахаав.
42 Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin’ i Sily.
Иосафат бе тридесет и пет години на възраст, когато се възцари, и царува двадесет и пет години в Ерусалим; а името на майка му беше Азува, дъщеря на Силея.
43 Ary nandeha tamin’ ny lalana rehetra izay nalehan’ i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’ izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah; kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany.
Той ходи съвършено в пътя на баща си Аса: не се отклони от него а вършеше това, което бе право пред Господа. Високите места, обаче, не се отмахнаха; людете още жертвуваха и кадяха по високите места.
44 Ary Josafata nanao fihavanana tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
И Иосафат сключи мир с Израилевия цар.
45 Ary ny tantaran’ i Josafata sisa sy ny heriny mbamin’ ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
А останалите дела на Иосафата, юначествата, които показа, и как воюваше, не са ли написани в Книгата на летописите на Юдовите царе.
46 Ary ny sisa amin’ ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin’ ny andron’ i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin’ ny tany.
Също той изтреби от земята останалите мъжеложци, които бяха останали от времето на баща му Аса.
47 Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana.
В това време нямаше цар в Едом, но наместник царуваше.
48 Ary Josafata nanao sambon’ i Tarsisy folo hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo, fa nahavakiana tao Ezion-gebera.
Иосафат построи кораби като тарсийските, които да идат в Офир за злато; обаче не отидоха, защото корабите се разбиха в Есевон-гавер.
49 Dia hoy Ahazia, zanak’ i Ahaba, tamin’ i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin’ ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata.
Тогава Охозия Ахаавовият син каза на Иосафата: Нека отидат моите слуги с твоите слуги в корабите. Но Иосафат отказа.
50 Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
И Иосафат заспа с бащите си, и биде погребан с бащите си в града на баща си Давида; и вместо него се възцари син му Иорам.
51 Ahazia, zanak’ i Ahaba, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria tamin’ ny taona fahafito ambin’ ny folo nanjakan’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
Охозия, Ахаавовия син, се възцари над Израиля в Самария, в седемдесетата година на Юдовия цар Иосафат, и царува две години над Израиля.
52 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny rainy sy ny reniny ary tamin’ ny lalan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanota ny Isiraely;
Той върши зло пред Господа, като ходи в пътя на баща си, и в пътя на майка си, и в пътя на Еровоама, Наватовия син, който направи Израиля да греши;
53 ary nanompo an’ i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy.
защото служи на Ваала и му се поклони, и разгневи Господа Израилевия Бог според всичко, което бе вършил баща му.