< 1 Mpanjaka 21 >
1 Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin’ ny lapan’ i Ahaba, mpanjakan’ i Samaria.
А после ових ствари догоди се: Навутеј Језраељанин имаше виноград у Језраелу до двора Ахава цара самаријског.
2 Ary Ahaba niteny tamin’ i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin’ ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao.
И рече Ахав Навутеју говорећи: Дај ми свој виноград да начиним од њега врт за зеље, јер је близу двора мог; а ја ћу ти дати за њ бољи виноград, или ако волиш, даћу ти у новцу шта вреди.
3 Fa hoy Nabota tamin’ i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako.
А Навутеј рече Ахаву: Сачувај Боже да бих ти дао наследство отаца својих.
4 Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain’ i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.
Тада Ахав дође кући зловољан и љутит ради речи коју му рече Навутеј Језраељанин говорећи: Не дам ти наследство отаца својих. И леже на постељу своју, и окрену лице своје на страну, и не једе хлеба.
5 Ary Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy izao, no tsy mety homan-kanina ianao?
Тада дође к њему Језавеља, жена његова и рече му: Зашто је душа твоја зловољна те не једеш хлеба?
6 Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin’ i Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.
А он јој рече: Јер говорих с Навутејем Језраељанином и рекох му: Дај ми виноград свој за новце, или ако волиш, даћу ти други виноград за тај. А он рече: Не дам ти свој виноград.
7 Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin’ ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita.
Тада му рече Језавеља жена његова: Ти ли си цар над Израиљем? Устани, једи хлеба и буди весео. Ја ћу ти дати виноград Навутеја Језраељанина.
8 Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin’ ny anaran’ i Ahaba, ka notombohiny tamin’ ny fanombohan-kasen’ andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin’ ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin’ i Nabota.
И написа књигу на име Ахавово, и запечати је печатом његовим и посла књигу старешинама и главарима који беху у граду његовом, који наставаху с Навутејем.
9 Ary izao no nosoratany tao amin’ ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho eo anatrehan’ ny olona Nabota.
А у књизи написа ово: Огласите пост, и посадите Навутеја међу главаре народне.
10 Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.
И поставите два неваљала човека према њему, па нека засведоче на њ говорећи: Хулио си на Бога и на цара. Тада га изведите и заспите камењем, да погине.
11 Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan’ i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin’ ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy.
И учинише људи оног града, старешине и главари, који живљаху у граду његовом, како им заповеди Језавеља, како беше написано у књизи коју им посла.
12 Dia niantso andro fifadian-kanina izy ka nametraka an’ i Nabota teo anatrehan’ ny olona.
И огласише пост, и посадише Навутеја међу главаре народне.
13 Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an’ i Nabota teo anatrehan’ ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin’ ny olona nivoaka teny ivelan’ ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka maty.
И дођоше два неваљала човека, и стадоше према њему; и сведочише на Навутеја ти неваљали људи пред народом говорећи: Навутеј је хулио на Бога и на цара. И изведоше га иза града, и засуше га камењем, те погибе.
14 Dia naniraka tany amin’ i Jezebela izy ireo ka nanao hoe: Efa notoraham-bato Nabota ka maty.
Потом послаше к Језавељи и поручише јој: Засут је камењем Навутеј, и погинуо је.
15 Ary rehefa ren’ i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin’ i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty.
А кад Језавеља чу да је Навутеј засут камењем и погинуо, рече Ахаву Језавеља: Устани, узми виноград Навутеја Језраељанина, који ти не хте дати за новце, јер Навутеј није жив него је умро.
16 Ary rehefa ren’ i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin’ ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy.
А кад чу Ахав да је умро Навутеј, уста и пође у виноград Навутеја Језраељанина да га узме.
17 Ary ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Elia Tisbita ka nanao hoe:
Али дође реч Господња к Илији Тесвићанину говорећи:
18 Miaingà, ka midìna hihaona amin’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin’ ny tanim-boalobok’ i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy.
Устани, изиђи на сусрет Ахаву, цару Израиљевом, који седи у Самарији; ено га у винограду Навутејевом, куда је отишао да га узме.
19 Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain’ i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Ao amin’ ny tany izay nilelafan’ ny alika ny ran’ i Nabota no hilelafan’ ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa.
И реци му и кажи: Овако вели Господ: Ниси ли убио и ниси ли присвојио? Па му кажи и реци: Овако вели Господ: Како пси лизаше крв Навутејеву, тако ће лизати пси и твоју крв.
20 Ary hoy Ahaba tamin’ i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah.
А Ахав рече Илији: Нађе ли ме непријатељу мој? А он рече: Нађох, јер си се продао да чиниш зло пред Господом.
21 Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin’ ny taranak’ i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin’ ny Isiraely.
Ево, пустићу зло на те, и узећу наслеђе твоје, и истребићу Ахаву и оно што уза зид мокри, и ухваћеног и остављеног у Израиљу.
22 Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tahaka ny taranak’ i Basa, zanak’ i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely.
И учинићу с домом твојим као с домом Јеровоама, сина Наватовог и као са домом Васе, сина Ахијиног, што си ме гневио и што си навео на грех Израиља.
23 Ary ny amin’ i Jezebela koa dia nolazain’ i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an’ i Jezebela eny ivelan’ ny màndan’ i Jezirela.
Такође и за Језавељу рече Господ говорећи: Пси ће изјести Језавељу испод зидова језраелских.
24 Izay tamingan’ i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin’ ny voro-manidina.
Ко Ахавов погине у граду изјешће га пси, а ко погине у пољу изјешће га птице небеске.
25 Fa tsy nisy tahaka an’ i Ahaba, izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah, satria nampirisihin’ i Jezebela vadiny izy.
И не би таквог као Ахав, који се продаде да чини шта је зло пред Господом, јер га подговараше жена његова Језавеља.
26 Ary izy nanao vetaveta loatra tamin’ ny nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon’ ny Amorita, izay noroahin’ i Jehovah teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
И почини врло грдна дела идући за гадним боговима сасвим као што чинише Амореји, које изагна Господ испред синова Израиљевих.
27 Ary rehefa ren’ i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
А кад Ахав чу те речи, раздре хаљине своје, и привеза кострет око тела свог, и пошћаше, и спаваше у кострети, и хођаше полагано.
28 Ary ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Elia Tisbita ka nanao hoe:
И дође реч Господња Илији Тесвићанину говорећи:
29 Hitanao va ny nanetren’ i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy, dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin’ ny androny; fa any amin’ ny andron’ ny zanany vao hahatonga loza amin’ ny taranany Aho.
Јеси ли видео како се Ахав понизио преда мном? Зато што се тако понизио преда мном, нећу пустити оно зло за његовог живота; него за сина његовог пустићу оно зло на дом његов.