< 1 Mpanjaka 20 >

1 Ary Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin’ ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an’ i Samada ary namely azy.
Ben-Hadád pedig, Arám királya összegyűjtötte egész hadát, harminckét király volt vele, meg ló és szekérhad; fölvonult, ostrom alá vette Sómrónt és harcolt ellene.
2 Ary nandefa iraka ho any amin’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, tany an-tanàna izy
És követeket küldött Achábhoz, Izraél királyához a városba;
3 hanao aminy hoe: Izao no lazain’ i Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa.
és mondta neki: Így szól Ben-Hadád: ezüstöd és aranyod az enyém, feleségeid éa legszebb fiaid az enyéim.
4 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô: anao aho sy izay rehetra ananako.
Felelt Izraél királya és mondta: Szavad szerint, uram király, tied vagyok én és minden, amim van.
5 Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin’ i Beni-hadada: Naniraka tatỳ aminao aho nanao hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao aman-janakao dia omeo ahy;
Visszatértek a követek és mondták: Így szól Ben-Hadád, mondván: hiszen küldtem hozzád, mondván: ezüstödet és aranyodat, feleségeidet és fiaidat nekem adjad;
6 koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon’ ny mpanomponao, dia horaisin’ ny tànany sy ho entiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona.
bizony holnap ilyenkor hozzád küldöm a szolgáimat, hogy kikutassák a házadat és szolgáid házait és lészen, szemeid minden drágaságát kezükbe teszik és elviszik.
7 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin’ ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tatỳ amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin’ ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko.
Erre hívta Izraél királya mind az ország véneit és mondta: Tudjátok csak meg és lássátok, hogy ez rosszat akar; mert küldött hozzám feleségeimért, fiaimért, ezüstömért és aranyomért és nem tagadtam meg tőle!
8 Ary hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky.
És szóltak hozzá mind a vének és az egész nép: Ne hallgass rá és ne engedj!
9 Ka dia hoy Ahaba tamin’ ny irak’ i Beni-hadada. Lazao amin’ ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin’ ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin’ i Beni-hadada indray;
Mondta tehát Ben-Hadád követeinek: Mondjátok uramnak, a királynak: mindazt, amiért első ízben küldtél szolgádhoz, megteszem, de ezt a dolgot nem tehetem meg. Elmentek a követek és vittek neki választ.
10 ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon’ ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok’ i Samaria amin’ ny isan-olona manaraka ahy.
Ekkor küldött hozzá Ben-Hadád és mondta: Így tegyenek velem az istenek és így folytassák, nem lesz elég Sómrón pora, hogy marokkal is jusson mind annak a népnek, mely engem követ.
11 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misikìna tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha.
Erre felelt Izraél királya és mondta: Szóljatok: ne dicsekedjék úgy aki övet köt, mint a ki leoldja!
12 Ary rehefa ren’ i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tanàna izy.
És volt, amint hallotta e szót – ő éppen ivott, ő meg a királyok a sátrakban – így szólt szolgáihoz: Fogjátok körül! És körülfogták a várost.
13 Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
És íme egy próféta lépett oda Achábhoz, Izraél királyához és mondta: Így szól az Örökkévaló: Láttad te ezt az egész nagy tömeget: íme, kezedbe adom ma, hogy megtudjad, hogy én vagyok az Örökkévaló.
14 Ary hoy Ahaba: Amin’ iza? Ary hoy izy: Izao no lazain’ i Jehovah: Amin’ ny zatovon’ ny komandin’ ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha? Hianao ihany, hoy izy.
Mondta Acháb: Ki által? És mondta: Így szól az Örökkévaló: a tartományok vezéreinek legényei által. Mondta: Ki kezdje meg a harcot? És mondta: Te!
15 Ary nandamina ny zatovon’ ny komandin’ ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telo-polo amby roan-jato no isany; ary manarakaraka izany, dia nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany.
Erre megszámlálta a tartományok vezéreinek legényeit, és voltak kétszázharmincketten; utánuk pedig megszámlálta az egész népet, mind az Izraél fiait – – hétezret.
16 Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy.
És kivonultak déltájt; Ben Hadád pedig részegre itta magát a sátrakban, ő meg a királyok, a harminckét király, kik őt segítették.
17 Ary ny zatovon’ ny komandin’ ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria.
És kivonultak előbb a tartományok vezéreinek legényei; és mikor küldött Ben-Hadád, jelentették neki, mondván: Emberek jöttek ki Sómrónból!
18 Ary hoy izy: Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady.
Erre mondta: Ha békére jöttek ki, fogjátok meg őket elevenen; ha pedig harcra jöttek ki, elevenen fogjátok meg!
19 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ireo zatovon’ ny komandin’ ny fanapahana isan-totony ireo sy ny miaramila izay nanaraka azy.
Amazok pedig kivonultak a városból, a tartományok vezéreinek legényei, és a hadsereg, mely mögöttük volt.
20 Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin’ ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin’ ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa.
És megverték kiki az emberét, és megfutamodott Arám és üldözte őket Izraél: éa elmenekült Ben-Hadád, Arám királya lovon lovasokkal.
21 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana.
És kivonult Izraél királya, megverte a lovasokat és a szekérhadat, és megverte Arámot nagy vereséggel.
22 Ary ilay mpaminany nankany amin’ ny i mpanjakan’ ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan’ i Syria hiady aminao.
Ekkor odalépett a próféta Izraél királyához és mondta neki: Menj, erősítsd magadat és tudd meg és lásd mitévő légy; mert az év fordultakor feljő ellened Arám királya.
23 Ary hoy ny mpanompon’ ny mpanjakan’ i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr’ izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e!
Arám királyának szolgái pedig szóltak hozzá: Hegyeknek istene az ő istenük, azért győztek le minket; ámde majd harcolunk velük a síkságon, nem győzzük-e le őket?
24 Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin’ ny toerany avy, ka asio mpanapaka hisolo azy;
De ezt a dolgot tedd meg: mozdítsd el a királyokat, kit-kit helyéről és rendelj helyükbe helytartókat.
25 ary ianao kosa dia makà miaramila ho anao toraka ny miaramilanao izay maty teo ary soavaly ho solon’ ny soavaly sy kalesy ho solon’ ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin’ ireo izy, ka dia nataony izany.
Te pedig gyűjts egybe magadnak hadsereget, amilyen volt az elesett hadsereg és lovat, amennyi volt a ló és szekérhadat, amilyen volt a szekérhad; hadd harcoljunk velük a síkságon, nem győzzük-e le őket? Hallgatott szavukra és így cselekedett.
26 Ary nony niherina ny taona, dia nandamina ny Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin’ ny Isiraely.
Volt pedig az év fordultakor, megszámlálta Ben Hadád Arámot és Afékba vonult háborúra Izraél ellen.
27 Ary ny Zanak’ Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak’ Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany.
Izraél fiai pedig megszámláltattak és élelemmel láttattak el és elébük mentek; és táboroztak Izraél fiai velük szemben mint két kecskenyájacska, míg Arám megtöltötte a vidéket.
28 Ary nanatona ilay lehilahin’ Andriamanitra ka nilaza tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
És odalépett az Isten embere, szólt Izraél királyához és mondta: Így szól az Örökkévaló: mivelhogy azt mondta Arám: hegyeknek istene az Örökkévaló és nem a völgyeknek istene ő, kezedbe adom tehát ezt az egész nagy tömeget, hogy megtudjátok, hogy én vagyok az Örökkévaló!
29 Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin’ ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak’ Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin’ ny Syriana indray andro.
És táboroztak emezek szemben amazokkal hét napig; és volt a hetedik napon, megindult a harc és megverték Izraél fiai Arámot, százezer gyalogost egy napon.
30 Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran’ ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao amin’ ny efi-trano anatiny.
És megfutamodtak a többiek Afékba, a városba, de rádőlt a fal a megmaradt huszonhétezer emberre; Ben-Hadád is megfutamodott és bement a városba, szobából szobába.
31 Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan’ ny taranak’ Isiraely. Koa masìna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao.
Ekkor szóltak hozzá szolgái: Íme csak, hallottuk, hogy Izraél házának királyai – hogy kegyes királyok ők; tegyünk csak zsákokat derekunkra éa köteleket fejünkre és menjünk ki Izraél királyához, hátha életben hagyja lelkedet.
32 Dia nosikinany lamba fisaonana ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin’ i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.
Felkötöttek tehát zsákokat derekukra és köteleket fejükre éa odamentek Izraél királyához éa mondták: Szolgád Ben-Hadád így szól: hadd maradjon lelkem életben! Mondta: Hát él-e még? Testvérem ő!
33 Ary nataon’ ireo olona ireo fa zara ho azy izany, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin’ ny kalesiny.
A férfiak jót sejtették, sietve elkapták tőle a szót és mondták: Testvéred Ben-Hadád! Mondta: Menjetek be, hozzátok el. Erre kiment hozzá Ben-Hadád és ő felültette a kocsira.
34 Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain’ ny raiko tamin’ ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon’ ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin’ izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy.
És szólt hozzá: A városokat, melyeket atyám elvett a te atyádtól, visszaadom; és utcákat tarthatsz magadnak Damaszkuszban, amint tartott az én atyám Sómrónban. – Én meg szövetséggel bocsátlak el. Kötött tehát vele szövetséget és elbocsátotta.
35 Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin’ ny namany araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.
Egy ember pedig a prófétafiak közül szólt a társához az Örökkévaló igéjével: Verj meg, kérlek. De az ember vonakodott őt megverni.
36 Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan’ ny liona ka novonoiny.
Ekkor mondta neki: Mivelhogy nem hallgattál az Örökkévaló szavára, íme te elmész tőlem és megöl téged az oroszlán. S amikor elment mellőle, reá talált az oroszlán és megölte.
37 Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho. Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra.
Talált egy más embert és mondta: Verj meg, kérlek! És megverte őt az ember, sebesre verve.
38 Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin’ ny handriny tsy hahafantarany azy.
Erre elment a próféta és várt a királyra az úton, s elmásította magát, bekötözvén szemeit.
39 Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin’ ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao.
S midőn a király arra vonult, kiáltott a királyhoz és mondta: Szolgád kivonult a csatába s íme oda tér valaki, hoz nekem egy embert és mondja: vigyázz erre az emberre! Ha nem lesz meg, akkor lelked lesz az ő lelkéért vagy egy kikkár ezüstöt mérsz le!
40 Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy. Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao no nilaza izany.
De mialatt szolgádnak erre arra tenni valója volt, amaz már nem volt ott. Szólt hozzá Izraél királya: Így legyen a te ítéleted, magad döntöttél!
41 Ary nesoriny haingana ilay fehi-loha tamin’ ny handriny; ka dia fantatry ny mpanjakan’ ny Isiraely fa isan’ ny mpaminany izy.
Ekkor sietve levette a kötőt szemeiről és fölismerte őt Izraél királya, hogy a próféták közül való.
42 Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.
És szólt hozzá: Így szól az Örökkévaló: mivel elbocsátottad kezedből a tőlem pusztulásra szánt embert, legyen a lelked az ő lelkéért és néped az ő népéért.
43 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.
Erre elment Izraél királya a házába felindulva és kedvetlenül, és Sómrónba ért.

< 1 Mpanjaka 20 >