< 1 Mpanjaka 2 >

1 Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan’ i Davida, dia nandidy an’ i Solomona zananilahy izy hoe:
Daudi alipokaribia kufa, alimwamuru Sulemani mwanae, akisema,
2 Izaho efa handeha amin’ ny lalan-kalehan’ ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.
“Mimi sasa ninaiendea njia ya dunia yote. Kwa hiyo, uwe imara, na ujionyeshe mwenyewe kama mwanamume. Uzilinde amri za BWANA, Mungu wako ukitembea katika njia zake, utii maaagizo yake, amari zake,
3 Ary tandremo izay asain’ i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin’ ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
maamuzi yake, na maagizo ya maagano yake, uwe mwamngalifu kufanya yale yaliyoandikwa katika sheria za Musa, ili ufanikiwe katika yote utakayoyafanya, popote kule utakakokuwa,
4 mba hanatanterahan’ i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin’ ny fahamarinana amin’ ny fony rehetra sy amin’ ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ianao.
na BWANA atayatimiza maneno yake aliyosema kuhusu mimi, aliposema, 'kama wanao watajilinda katika tabia zao, wakatembea mbele yangu kwa uaminifu kwa mioyo yao yote na kwa roho zao zote, hawatakoma kuwa na mtu aliyeketi katika kiti cha enzi cha Israeli.
5 Ary ianao koa mahalala izay nataon’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin’ izy roa lahy komandin’ ny miaramilan’ ny Isiraely, dia tamin’ i Abnera, zanak’ i Nera, sy tamin’ i Amasa, zanak’ i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin’ ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin’ ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
Wewe pia wajua kile Yoabu mwana wa Seruya alichonifanyia, na kile alichowafnyia majemedari wa majeshi y a Israeli, kwa Abina mwana wa Neri, na kwa Amasa mwana wa Yetheri, ambaye alimwua. Alimwaga damu vitani wakati wa amani na kuiweka ile damu kwenye mshipi uliokuwa kiunoni mwake na kwenye vile viatu miguuni mwake.
6 Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ ny fiadanana ny volo fotsiny. (Sheol h7585)
Mshughulikie Yoabu kwa hekima ambayo umejifunza, lakini usiache mvi zake ziingie kaburini kwa amani. (Sheol h7585)
7 Fa ny zanak’ i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan’ izay mihinana eo amin’ ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan’ ireo tany amiko, fony nandositra an’ i Absaloma rahalahinao aho.
Hata hivyo, uonyeshe utu kwa wana wa Barizilai Mgileadi, na uwaache wawe miongoni mwa wale wanaokula mezani kwako, kwa kuwa walikuja kwangu wakati nilipomkimbia ndugu yangu Absalomu.
8 Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak’ i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin’ ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin’ ny sabatra ianao.
Tazama, Shimei mwana wa Gera yuko pamoja na wewe, Wabenjamini wa Bahurimu, walionilaani kwa laana ya fujo siku niliyoenda kwa Mahanaimu. Shimei alishuka kuja kuniona pale Yorodani, na nikamwapia kwa BWANA, nikisema, 'Sitawaua kwa upanga,'
9 Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin’ ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
Kwa hiyo sasa usimwache aiepuke adhabu. Wewe ni mwenye hekima, na utajua jinsi itakavyokupasa kumtendea. Utakileta hicho kichwa chenye mvi chini kaburini.” (Sheol h7585)
10 Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ka nalevina ao an-Tanànan’ i Davida.
Ndipo Daudi alipolala na mababu zake na alizikwa kwenye mji wa Daudi.
11 Ary ny andro nanjakan’ i Davida tamin’ ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
Siku ambazo Daudi alitwala Israeli zilikuwani miaka arobaini. Alikuwa ametawala kwa miaka saba kule Hebroni na kwa miaka thelethini na tatu kule Yerusalemu.
12 Ary Solomona nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsara
Kisha Sulemani akaketi kwenye kiti cha enzi cha baba yake Daudi, na utawala wake ulikuwa imara.
13 Ary Adonia, zanakalahin’ i Hagita, nankany amin’ i Batseba, renin’ i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
Kisha Adoniya mwana wa Hagathi alikuja kwa Bathisheba mama wa Sulemani., Naye akamwuliza, “Je, unakuja kwa amani?” Naye akajiibu. “kwa amani.”
14 Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary.
Kisha akasema, “Nina jambo la kukuambia.” Naye akajibu, “Sema.”
15 Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan’ ny rahalahiko, fa azony avy tamin’ i Jehovah.
Adoniya amesema, “Unajua kuwa ufalme ulikuwa wangu, na kwamba Israeli yote ilikuwa inanitegemea mimi kuwa mfalme. Hata hivyo, ufalme umegeuzwa na umekuwa wa ndugu yangu, kwani ulikuwa wake toka kwa BWANA.
16 Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary.
Sasa nina ombi moja kwako. Usinikatalie.”Bathisheba akamwambia, “Sema.”
17 Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin’ i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy), mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita.
Naye akamwambia, “Tafadhali mwambie mfalme Sulemani, kwa kuwa hatakukatalia, ili kwamba anipatie Abishagi Mshunami awe mke wangu.”
18 Ary hoy Batseba: Eny ary, fa izaho dia hilaza ny teninao amin’ ny mpanjaka.
Bathisheba akamwambia, “Vyema sana, nitamwambia mfalme”
19 Ary Batseba nankany amin’ i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin’ i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an’ i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an’ ny renin’ ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin’ ny ankavanany izy.
Kwa hiyo Bathisheba akaenda kumwambia, mfalme Sulemani kwa niaba ya Adoniya. Mfalme akainuka kumlaki na akapiga magoti mbele yake. Kisha akaa kwenye kiti chake cha enzi na kulikuwa na kiti kingine cha enzi kilicholetwa kwa ajili ya mama wa mfalme. Naye akaa mkono wa kuume wa mfalme.
20 Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy handà anao aho.
Ndipo alipomwambia, “Napenda kukuomba ombi moja dogo. Usinikalie.” Mfalme, akamjibu, “Mama omba kwa kuwa sitakukatalia.”
21 Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin’ i Adonia rahalahinao.
Naya akamwambia, “Naomba Abishagi Mshunami apewe Adoniya ndugu yako awe mke wake.”
22 Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an’ i Abisaga Sonemita ho an’ i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an’ i Joaba, zanak’ i Zeroia.
Mfalme Sulemani akamjibu mama yake, “Kwa nini unamwombea Adoniya huyo Abishagi Mshunami? Kwa nini usimwombee ufalme pia, kwa kuwa ni ndugu yangu mkubwa? - au kwa Abiathari kuhani, au Yoabu mwana wa Seruya?”
23 Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin’ i Jehovah hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.
Kisha mfalme Sulemani akaapa kwa BWANA, akisema, “Mungu wangu na anifanyie hivyo, na zaidi pia, kama Adoniya hajayasema haya kinyume na maisha yake.
24 Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.
Sasa basi kama BWANA aishivyo, ambaye ndiye alinifanya mimi kuwepo na kunipa kiti cha enzi cha Daudi baba yangu, na ambaye amenifanyia nyumba kwa ahadi yake, hakika Adoniya lazima auawe leo.”
25 Ary Solomona mpanjaka naniraka an’ i Benaia, zanak’ i Joiada; ary izy namely azy ho faty.
Kwa hiyo mfalme Sulemani akamtuma Benaya mwana wa Yehoyada naye akamkuta Adoniya na kumwua.
26 Ary Abiatara mpisorona dia nilazan’ ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin’ izao andro izao, satria nitondra ny fiaran’ i Jehovah Tompo teo alohan’ i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin’ ny raiko tamin’ izay rehetra nampahoriana azy.
Kisha akamwambia Abiathari kuhani, “Nenda kwa Anathothi, kwenye mashamba yako. unastahili kufa, lakini sitakua sasa hivi, kwa sababu ulilbeba sanduku la BWANA mbele ya Daudi baba yangu na kujitabisha kwa namna mbalimbali kama baba yangu alivyopata tabu.”
27 Ary Solomona dia nanongana an’ i Abiatara tsy ho mpisoron’ i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin’ i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin’ ny taranak’ i Ely, izy.
Kwa hiyo Sulemani akamfukuza Abiathari asiwe kuhani wa BWANA, ili kwamba atimilize maneno ya BWANA, aliyokuwa amesema juu ya nyumba ya Eli.
28 Ary ren’ i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an’ i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an’ i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin’ ny trano-lain’ i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
Habari hizo zikamfikia Yoabu, Kwani Yoabu alimuunga mkono Adoniya, ingawa hakumuunga mkono Absalomu. Kwa hiyo Yoabu akakimbilia kwenye hema ya BWANA karibu na madhabahu na akabeba pembe za madhabahu.
29 Ary nambara tamin’ i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin’ ny trano-lain’ i Jehovah, ka, indro, eo anilan’ ny alitara izy. Dia nirahin’ i Solomona Benaia, zanak’ i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.
Sulemani alipoambiwa kuwa Yoabu amekimbilia kwenye hema ya BWANA na sasa alikuwa karibu na madhabahu. Ndipo Sulemani alipomtuma Benaya mwana wa Yehoyada, akisema, “Nenda, ukamwue.”
30 Ary Benaia tonga tao amin’ ny tranolain’ i Jehovah ka nanao tamin’ i Joaba hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin’ ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain’ i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
Kwa hiyo Benaya akaenda kwenye hema ya BWANA na kumwambia, “Mfalme anasema utoke hemani.” Yoabu akamjibu, “Hapana, Nitafia hapa,” Kwa hiyo Benaya akarudi kwa mfalme, akasema, “Yoabu amesema atafia kwenye madhabahu,”
31 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin’ ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak’ i Joaba.
Naye mfalme akamwambia, “Kafanye kama alivyosema. Muue na ukamzike, ili kwamba uitoe kwangu na kwenye nyumba ya baba yangu damu ambayo Yoabu alimwaga bila sababu.
32 Dia hatsingerin’ i Jehovah ho amin’ ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin’ ny sabatra, dia Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilan’ ny Isiraely sy Amasa, zanak’ i Jatera, komandin’ ny miaramilan’ ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory
BWANA na amrudishie damu yake kichwani kwake, kwa sababu aliwaua wanaume wawili wasio na hatia na wema kuliko yeye na akawaua kwa upanga, Abineri mwana wa Neri, Jemedari wa Jeshi la Israeli, na Amasa mwana wa Jetheri, jemedari wa jeshi la Yuda, bila baba yangu Daudi kujua.
33 Eny, ny ran’ izy roa lahy ireo hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny lohan’ ny taranany mandrakizay; fa amin’ i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin’ ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin’ i Jehovah.
Kwa hiyo damu yao na imrudie Yoabu kichwani pake na kwenye vichwa vya uzao wake milele na milele. Lakini kwa Daudi na uzao wake, na nyumba yake, na kwenye kiti chake cha enzi, kuwe na amani ya kudumu kutoka kwa BWANA.”
34 Dia niakatra Benaia, zanak’ i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin’ ny fonenany tany an-efitra izy.
Kisha Benaya mwana wa Yehoyada akaenda akamvamia Yoabu na kumwua. Alizikwa kwenye nyumba yake kule jangwani.
35 Ary Benaia, zanak’ i Joiada, no notendren’ ny mpanjaka ho solony ho komandin’ ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren’ ny mpanjaka ho solon’ i Abiatara.
Mfalme akamwinua Benaya mwana wa Yehoyada kuwa juu ya jeshi badala yake, na akamweka Sadoki kuhani kwenye nafasi ya Abiatahari.
36 Ary ny mpanjaka naniraka naka an’ i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.
Kisha Mfalme akatuma watu kumwita Shimei, na akamwambia, “Kajijengee nyumba kwa ajili yako kule Yerusalemu na ushi huko, na usitoke nje ya Huo mji na kwenda mahali pengine.
37 Fa amin’ izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin’ ny lohanao ihany.
Kwa kuwa siku utakayoenda mahali pengine, na kupita bonde la Kidroni, ujue kwa hakika kuwa utakufa. Damu yako itakuwa juu ya kichwa chako.”
38 Ary hoy Simey tamin’ ny mpanjaka: Tsara izany teny izany; araka izany nolazain’ ny mpanjaka tompoko Izany no hataon’ ny mpanomponao. Ary Simey nitoetra ela tany Jerosalema.
Kwa hiyo Shimei akamwambia mfalme, “Unachosema ni chema. Kama vike mfalme bwana wangu alivyosema, ndivyo ambavyo mtumishi wako atakavyofanya.” Kwa hiyo Shimei akaishi Yerusalemu kwa miaka mingi.
39 Ary nony afaka telo taona mipaka, dia nisy roa lahy mpanompon’ i Simey, nandositra ho any amin’ i Akisy, zanak’ i Maka mpanjakan’ i Gata. Ary nisy nanambara tamin’ i Simey hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao.
Lakiini mwishoni mwa mwaka wa tatu, watumishi wawili wa Shimei wakakimbilia kwa Akishi mwana wa Maaka, mfalme wa Gathi. Kwa hiyo wakamwambia Shimei, wakisema, “Tazama, watumishi wako wameenda Gathi,”
40 Dia nitsangana Simey nanisy lasely ny borikiny ka nankany Gata ho any amin’ i Akisy hitady ny mpanompony, dia lasa nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata.
Kisha Shimei akainuka, akapanda punda wake akaenda kwa Akishi huko Gathi kuwatafuta watumishi wake. Akaenda na akawaleta watumishi wake toka Gathi.
41 Ary nambara tamin’ i Solomona ny nialan’ i Simey tany Jerosalema hankany Gata sy ny niveranany indray.
Sulemani alipoambiwa kuwa Shimei alikuwa ametoka Yerusalemu kwenda Gathi na amerudi,
42 Ary ny mpanjaka naniraka naka an’ i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin’ i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin’ izay andro hivoahanao sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko any.
mfalme akatuma wito kwa Shimei na kumwambia, “Je, sikukuapisha kwa BWANA na kushuhudia kwako, nikisema, 'Tambua kuwa siku utakayotoka kwenda nje na kwenda mahali popote, hakika utakufa'? Na ukaniambia kuwa unachosema ni chema.'
43 Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin’ i Jehovah sy ny didy izay nandidiako anao?
Kwa nini basi umeshindwa kulinda kiapo chako kwa BWANA na amri niliyokupa?”
44 Ary hoy koa ny mpanjaka tamin’ i Simey: ianao mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin’ i Davida raiko, eny, tsaroan’ ny fonao izany, ka dia hatsingerin’ i Jehovah amin’ ny lohanao ny haratsianao.
Pia mfalme akamwambia Shimei, “Unajua katika moyo wako maovu yote uliyofanya kwa baba yangu Daudi. Kwa hiyo BWANA atakurudishia maovu yako kichwani pako.
45 Fa hotahina kosa Solomona mpanjaka, ary ny seza fiandrianan’ i Davida hampitoerina eo anatrehan’ i Jehovah mandrakizay.
Lakini Sulemani atabarikiwa na enzi ya Daudi itaimarika mbele ya BWANA milele.”
46 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Benaia, zanak’ i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an’ i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan’ i Solomona.
Kwa hiyo mfalme akamwamuru Benaya mwana wa Yehoyada kwenda kumwua Shimei. Kwa hiyo ule utawala ulikuwa mwema kwa mkono wa Sulemain.

< 1 Mpanjaka 2 >