< 1 Mpanjaka 19 >

1 Dia nolazain’ i Ahaba tamin’ i Jezebela izay rehetra nataon’ i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin’ ny sabatra.
Ahab fa ya faɗa wa Yezebel kome da Iliya ya yi, da yadda ya karkashe dukan annabawan da takobi.
2 Ary Jezebela naniraka olona tany amin’ i Elia hanao hoe: Hataon’ ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain’ ny anankiray amin’ ireny ny ainao raha maraina toy izao.
Saboda haka Yezebel ta aika da ɗan aika wa Iliya yă faɗa masa, “Bari alloli su hukunta ni da tsanani, in war haka gobe ban mai da ranka kamar na ɗaya daga cikin annabawan Ba’al ba.”
3 Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
Iliya ya ji tsoro, ya gudu don yă ceci ransa. Sa’ad da ya kai Beyersheba a Yahuda, sai ya bar bawansa a can.
4 Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin’ ny anjavidy anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.
Shi kuma ya yi tafiya yini guda zuwa cikin hamada. Ya zo wurin wani itacen tsintsiya, ya zauna a ƙarƙashinsa, ya roƙa yă mutu. Ya ce, “Ya ishe ni haka, Ubangiji, ka ɗauki raina; ban fi kakannina ba.”
5 Ary raha nandry natory teo ambanin’ ny anjavidy anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna.
Sa’an nan ya kwanta a ƙarƙashin itacen ya yi barci. Farat ɗaya sai wani mala’ika ya taɓa shi, ya ce, “Tashi ka ci abinci.”
6 Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan’ ny lohany nisy mofo voaendy tamin’ ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
Ya duba kewaye, sai ga wainar burodi kusa da kansa a bisa garwashin wuta mai zafi, da kuma tulun ruwa. Ya ci, ya sha, sa’an nan ya sāke kwanta.
7 Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.
Mala’ikan Ubangiji ya sāke dawowa sau na biyu ya taɓa shi, ya ce, “Tashi ka ci abinci, gama tafiyar za tă yi maka yawa.”
8 Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin’ ny tanjaka azony tamin’ izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr’ Andriamanitra.
Saboda haka ya tashi ya ci, ya kuma sha. Ta wurin ƙarfin da ya samu saboda wannan abinci, ya yi tafiya yini arba’in da dare arba’in, sai da ya kai Horeb, dutsen Allah.
9 Ary niditra tao anatin’ ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Manao inona atỳ ianao, ry Elia?
A can ya shiga kogo ya kwana. Sai maganar Ubangiji ta zo masa, ta ce, “Me kake yi a nan, Iliya?”
10 Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak’ Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
Ya amsa, ya ce, “Ina kishi dominka Ubangiji, Allah Maɗaukaki. Isra’ilawa sun ƙi alkawarinka, suka rurrushe bagadanka, suka kuma kashe annabawanka da takobi. Ni ne kaɗai na rage, yanzu, ni ma suna ƙoƙari su kashe ni.”
11 Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin’ ny tendrombohitra eo anatrehan’ i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’ i Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny horohoron-tany;
Sai Ubangiji ya ce, “Fita ka tsaya a kan dutse a gaban Ubangiji, gama Ubangiji yana shirin wucewa.” Sai ga babbar iska mai ƙarfi ta tsage duwatsu, ta kuma ragargaza duwatsu a gaban Ubangiji, amma Ubangiji ba ya cikin iskar. Bayan iskar sai aka yi girgizar ƙasa, amma Ubangiji ba ya cikin girgizar ƙasa.
12 ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.
Bayan girgizar ƙasa, sai ga wuta, amma Ubangiji ba ya cikin wuta. Bayan wutar kuma sai ga wata’yar murya.
13 Ary raha ren’ i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia?
Sa’ad da Iliya ya ji ta, ya ja mayafinsa ya rufe fuskarsa, ya fita ya tsaya a bakin kogon. Sai ya ji murya ta ce masa, “Me kake yi a nan, Iliya?”
14 Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak’ Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin’ ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
Ya amsa, ya ce, “Ina kishi dominka Ubangiji, Allah Maɗaukaki. Isra’ilawa sun ƙi alkawarinka, suka rurrushe bagadanka, suka kuma kashe annabawanka da takobi. Ni ne kaɗai na rage, yanzu, ni ma suna ƙoƙari su kashe ni.”
15 Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin’ ny nalehanao ho any amin’ ny efitr’ i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan’ i Syria;
Sai Ubangiji ya ce masa, “Ka koma ta hanyar da ka zo, ka tafi Hamadan Damaskus. Sa’ad da ka kai can, ka shafe Hazayel yă zama sarki bisa Aram.
16 Ary Jeho, zanak’ i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan’ ny Isiraely; ary Elisa, zanak’ i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao.
Ka kuma shafe Yehu ɗan Nimshi yă zama sarkin Isra’ila, ka shafe Elisha ɗan Shafat daga Abel-Mehola yă gāje ka a matsayin annabi.
17 Ary izay afa-mandositra ny sabatr’ i Hazaela dia hovonoin’ i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr’ i Jeho kosa dia hovonoin’ i Elisa.
Yehu zai kashe duk wani wanda ya tsere wa takobin Hazayel, Elisha kuwa zai kashe duk wani wanda ya tsere wa takobin Yehu.
18 Nefa hamela fito arivo ao amin’ ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin’ i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
Duk da haka zan bar mutane dubu bakwai na Isra’ila waɗanda ba su rusuna da gwiwansu wa Ba’al ba, ba su kuma sumbace shi da bakinsu ba.”
19 Ary niala teo Elia ka nahita an’ i Elisa, zanak’ i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin’ ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy.
Sai Iliya ya tafi daga can ya sami Elisha ɗan Shafat, yana noma da shanu goma sha biyu masu garman noma, shi kansa yana jan na goma sha biyun. Iliya ya tafi wurinsa ya jefa mayafinsa a kan Elisha.
20 Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an’ i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an’ ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?
Sai Elisha ya bar shanun, ya ruga ya bi Iliya. Ya ce, “Bari in sumbace mahaifina da mahaifiyata, in yi musu bankwana, sa’an nan in zo in bi ka.” Iliya ya ce, “Koma! Me na yi maka?”
21 Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin’ ny hazo fiasàn’ ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an’ i Elia, dia nanompo azy.
Sai Elisha ya bar shi, ya koma, ya ɗauki shanunsa ya yayyanka. Ya ƙone kayan garman noman don yă dafa naman, ya kuma ba wa mutane naman, suka kuwa ci. Sa’an nan ya tashi, ya bi Iliya, ya kuma zama mai hidimarsa.

< 1 Mpanjaka 19 >