< 1 Mpanjaka 15 >
1 Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, no vao nanjakan’ i Abia tamin’ ny Joda.
I KA umikumamawalu o ka makahiki o Ieroboama ke keiki a Nebata, ua alii ae la o Abiama maluna o Iuda.
2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin’ i Absaloma.
Ekolu makahiki i alii ai oia ma Ierusalema: a o Maaka ka inoa o kona makuwahine, ke kaikamahine a Abisaloma.
3 Ary nandeha tamin’ ny fahotana rehetra nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.
Hele ae la hoi oia ma na hewa a pau o kona makuakane ana i hana'i mamua ona; aole hoi i hemolele kona naau ia Iehova kona Akua, e like me ka naau o Davida kona kupunakane.
4 Nefa noho ny amin’ i Davida dia nomen’ i Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy, fa natsangany handimby azy ny zanany, sady nampaharitra an’ i Jerosalema Izy,
Aka, no Davida, haawi mai o Iehova kona Akua i kukui ia ia ma Ierusalema, e hooku i kana keiki mahope ona, a e hookupaa ia Ierusalema.
5 satria Davida nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah ka tsy nivily niala tamin’ izay nandidiany azy tamin’ ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin’ i Oria Hetita ihany.
No ka mea, ua hana iho la o Davida i ka mea pono i na maka o Iehova, aole ia i kapae i kekahi mea ana i kauoha mai ai ia ia i na la a pau o kona ola ana, koe wale no ka mea ia Uria ka Heti.
6 Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin’ ny andro rehetra niainany.
He kaua hoi iwaena o Rehoboama a me Ieroboama i na la a pau o kona ola ana.
7 Ary ny tantaran’ i Abia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? Ary niady Abia sy Jeroboama
A o na oihana e ae a Abiama, a me ka mea a pau ana i hana'i, aole anei ia i kakauia ma ka buke o na oihana a na lii o Iuda. He kaua hoi iwaena o Abiama a me Ieroboama.
8 Ary Abia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy.
Hiamoe iho la hoi o Abiama me kona mau makua; a kanu ae la lakou ia ia iloko o ke kulanakauhale o Davida. A ua alii ae la o Asa kana keiki ma kona hakahaka.
9 Ary tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Asa tamin’ ny Joda.
A i ka iwakalua o ka makahiki o Ieroboama ke alii o ka Iseraela, ua alii ae la o Asa, maluna o Iuda.
10 Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin’ i Absaloma.
Hookahi kanaha kumamakahi makahiki i alii ai oia ma Ierusalema; a o Maaka ka inoa o kona makuwahine, ke kaikamahine a Abisaloma.
11 Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah toy ny nataon’ i Davida rainy.
Hana iho la o Asa i ka mea pono i na maka o Iehova, e like me Davida kona kupuna.
12 Fa nesoriny tamin’ ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy.
Lawe ae la hoi oia i na moeaikane, mai loko ae o ka aina, a hemo ia ia na kiiakua a pau a kona makuakane i hana'i.
13 Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
A ua hookaawale ae la oia ia Maaka kona makuwahine i ole ai ia e alii wahine, no ka mea, ua hana oia i kiiakua ma kahi e hoomana'i. Hoopau ae la hoi o Asa i kona kiiakua; puhi ae la hoi oia ia ma ke kahawai Kederona.
14 Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason’ i Jehovah ny fon’ i Asa tamin’ ny andro rehetra niainany.
Aka, aole i hoopauia na wahi kiekie; he hemolele nae ka naau o Asa ia Iehova i kona mau la a pau.
15 Ary nampidiriny ho ao an-tranon’ i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin’ izay nohamasinin’ ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
Lawe mai la hoi oia i na mea a kona kupuna i hoolaa ai, a me na mea ana i hoolaa ai iloko o ka hale o Iehova, i ke kala, i ke gula, a me na mea hana.
16 Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ ny andro rehetra niainany.
He kaua no hoi iwaena o Asa a me Baasa ke alii o ka Iseraela i na la a pau.
17 Ary Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an’ i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda.
Hele ae la o Baasa ke alii o ka Iseraela, a kukulu ae la ia Rama, i ole e ae oia i kekahi e puka aku a e komo mai paha io Asa la ke alii o Iuda.
18 Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy tamin’ ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan’ ny mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin’ i Beni-hadada, zanak’ i Tabrimona, zanak’ i Heziona, mpanjakan’ i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe:
Lalau iho la hoi o Asa i ke kala a me ke gula a pau e koe ana o ka waiwai o ka hale o Iehova a me ka waiwai o ka hale o ke alii, a haawi ae oia ia mau mea i ka lima o kana mau kauwa: a hoouna ae la o Asa ke alii ia lakou io Beneha-dada la ke keiki a Tiberimona, ke keiki a Heziona ke alii o Suria, e noho ana ma Damaseko, i ka i ana,
19 Aoka hisy fanekena amiko sy aminao toy ny tamin’ ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, mba hialany amiko.
He berita iwaena o kaua, a iwaena o ko'u makuakane a me kou makuakane: eia hoi ua hoouna aku nei au iou la i ka makana, he kala, a he gula; e hele mai oe e uhaki i kau olelo kuikahi me Baasa ke alii o ka Iseraela, i hele aku oia mai o'u aku nei.
20 Ary Beni-hadada nihaino an’ i Asa mpanjaka ka naniraka komandin’ ny miaramilany hamely ny tanànan’ ny Isiraely, ary namely an’ Iona sy Dana sy Abela-beti-maka ary Kinerota rehetra mbamin’ ny tanin’ ny Naftaly rehetra izy.
Hoolohe mai la o Benehadada ia Asa ke alii, a hoouna mai la oia i na luna o kona poe koa e ku e i na kulanakauhale o ka Iseraela, a pepehi iho la ia Iiona, a me Dana, a me Abelabetamaaka, a me Kinerota a pau, a me ka aina a pau o Napetali.
21 Ary rehefa ren’ i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an’ i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza.
Eia hoi kekahi, i ka lohe ana ae o Baasa, haalele iho la oia i ke kukulu ana ia Rama, a noho no ia ma Tireza.
22 Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin’ ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’ i Basa; ary nentin’ i Asa mpanjaka nanamboatra an’ i Geban’ i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
Alaila kauoha mai la o Asa ke alii, ma Iuda a puni, aohe mea kaawale; a lawe ae la lakou i na pohaku o Rama, a me na laau ona; a, me ia mau mea i kukulu ai o Asa ke alii ia Geba ma Beniamina, a me Mizepa.
23 Ary ny tantaran’ i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin’ izay rehetra nataony ary ny tanàna izay nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? Nefa kosa tamin’ ny andro fahanterany dia narary tamin’ ny tongony izy.
A o na oihana e ae a pau a Asa, a me kona ikaika a pau, a me ka hana a pau ana i hana'i, a me na kulanakauhale ana i kukulu ai, aole anei i kakauia ma ka buke oihana a na alii o Iuda? Aka hoi, i ka wa i elemakule ai oia, he mai kona, ma kona mau kapuwai.
24 Ary lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.
Hiamoe iho la hoi o Asa me kona mau makua, a ua kanuia ma ke kulanakauhale o Davida kona kupuna; a ua alii ae la o Iehosapata ma kona hakahaka.
25 Ary Nadaba, zanak’ i Jeroboama, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
Hoomaka ae la o Nadaba ke keiki a Ieroboama i kona alii ana maluna o ka Iseraela, i ka lua o ka makahiki o Asa ke alii o Iuda, a elua makahiki i alii ai oia maluna o ka Iseraela.
26 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan-drainy sy tamin’ ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
Hana hewa ae la oia ma na maka o Iehova, a hele ae la oia ma ka aoao o kona makuakane, a ma na hewa ona i hoolilo ai oia i ka Iseraela e lawehala.
27 Ary Basa, zanak’ i Ahia, amin’ ny taranak’ Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an’ ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an’ i Gibetona fahizay).
Kipi ae la hoi ia ia o Baasa ke keiki a Ahiia no ka ohana a Isekara; a pepehi ae la o Baasa ia ia ma Gibetona, no ko Pilisetia; no ka mea, hele kaua ae la o Baasa a me ka Iseraela a pau ia Gibetona;
28 Ary Basa nahafaty azy tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy.
I ke kolu o ka makahiki o Asa ke alii o Iuda i pepehi ai o Baasa ia ia, a ua alii ae la oia ma kona hakahaka.
29 Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin’ i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an’ i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita mpanompony,
Eia kekahi, i kona alii ana, pepehi iho la oia i ka ohana a pau a Ieroboama; aole oia i hookoe no Ieroboama i kekahi mea e hanu ana, a pau ia i ka lukuia e ia; e like me ka olelo a Iehova ana i olelo mai ai ma ka lima o kana kauwa, o Ahiia no Silo:
30 noho ny fahotana nataon’ i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin’ izay nataony nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
No na hewa o Ieroboama ana i hana hewa ai, a i hoolilo hoi oia i ka Iseraela e hana hewa ai, i kana hoonaukiuki ana, i hoonaukiuki ai oia ia Iehova ke Akua o Iseraela.
31 Ary ny tantaran’ i Nadaba sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
A o na oihana e ae a Nadaba, a me ka mea a pau ana i hana'i, aole anei ia i kakauia ma ka buke oihana a na alii o ka Iseraela?
32 Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ ny andro rehetra niainany.
He kaua iwaena o Asa a me Baasa ke alii o ka Iseraela i na la a pau o laua.
33 Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Basa, zanak’ i Ahia, tamin’ ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy.
I ke kolu o ka makahiki o Asa ke alii o Iuda i hoomaka ai o Baasa ke keiki a Ahiia, i kona alii ana maluna o ka Iseraela a pau ma Tireza i na makahiki he iwakalua kumamaha.
34 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan’ i Jeroboama sy tamin’ ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
Hana hewa ae la hoi oia ma na maka o Iehova, a hele ae la hoi ia ma ka aoao o Ieroboama, a ma kona hewa i hoolilo ai oia i ka Iseraela e lawehala.