< 1 Mpanjaka 14 >

1 Tamin’ izany andro izany dia narary Abia, zanak’ i Jeroboama.
A lokacin Abiya, ɗan Yerobowam ya kamu da ciwo,
2 Ary hoy Jeroboama tamin’ ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr’ olona ho vadin’ i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan’ ity firenena ity aho.
sai Yerobowam ya ce wa matarsa, “Ki tafi, ki ɓad da kama, don kada a gane ke a matsayin matar Yerobowam. Ki je Shilo. Annabi Ahiya yana a can, wannan wanda ya ce mini zan zama sarki a bisa wannan mutane.
3 Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza.
Ki ɗauki dunƙulen burodi goma tare da ke, da waina, da tulun zuma, ki tafi wurinsa. Zai faɗa miki abin da zai faru da yaron.”
4 Dia nanao araka izany ny vadin’ i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon’ i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany.
Saboda haka matar Yerobowam ta yi abin da ya faɗa, ta kuma tafi gidan Ahiya a Shilo. Yanzu dai Ahiya ba ya gani; idanunsa sun tafi saboda tsufa.
5 Ary Jehovah efa nilaza tamin’ i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin’ i Jeroboama hanontany anao ny amin’ ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.
Amma Ubangiji ya ce wa Ahiya, “Matar Yerobowam tana zuwa tă tambaye ka game da ɗanta, gama yana ciwo, za ka kuwa ba ta amsa kaza da kaza. Sa’ad da ta iso za tă yi kamar wata ce dabam.”
6 Ary nony ren’ i Ahia ny fingodongodon’ ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin’ i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
Saboda haka sa’ad da Ahiya ya ji motsin sawunta a ƙofa, sai ya ce, “Ki shigo, matar Yerobowam. Me ya sa kike yi kamar wata ce dabam? An aiko ni wurinki da labari marar daɗi.
7 Koa mandehana, ka lazao amin’ i Jeroboama hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin’ ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,
Je ki faɗa wa Yerobowam cewa ga abin da Ubangiji, Allah na Isra’ila ya ce, ‘Na tā da kai daga cikin mutane, na mai da kai shugaba a bisa mutanena Isra’ila.
8 ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin’ ny taranak’ i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an’ i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin’ ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany;
Na yage mulki daga gidan Dawuda na ba da shi gare ka, amma ba ka zama kamar bawana Dawuda wanda ya kiyaye umarnaina ya kuma bi ni da dukan zuciyarsa, yana yin abin da yake daidai kaɗai a idanuna ba.
9 fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
Ka aikata mugunta fiye da dukan waɗanda suka rayu kafin kai. Ka yi wa kanka waɗansu alloli, gumakan da aka yi da ƙarfe; ka tsokane ni na yi fushi, ka kuma juye mini baya.
10 koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ ny tamingan’ i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin’ ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
“‘Saboda wannan, zan kawo masifa a gidan Yerobowam. Zan yanke kowane ɗa na ƙarshe a Isra’ila, bawa ko’yantacce. Zan ƙone gidan Yerobowam kamar yadda mutum yakan ƙone juji, sai duk ya ƙone ƙurmus.
11 Koa izay tamingan’ i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin’ ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.
Karnuka za su ci waɗanda suka mutu na Yerobowam a cikin birni, kuma tsuntsayen sararin sama za su cinye waɗanda suka mutu a jeji. Ni Ubangiji na faɗa!’
12 Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.
“Ke kuma, ki koma gida. Sa’ad da kika taka ƙafa a birninki, yaron zai mutu.
13 Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin’ ny tamingan’ i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
Dukan Isra’ila kuwa za su yi makoki dominsa. Shi ne kaɗai na Yerobowam wanda za a binne, domin shi ne kaɗai a gidan Yerobowam wanda Ubangiji, Allah na Isra’ila ya sami wani ɗan abu mai kyau a kansa.
14 Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an’ ny Isiraely izay handringana ny taranak’ i Jeroboama amin’ izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.
“Ubangiji zai tā da wani sarki wa kansa a bisa Isra’ila wanda zai hallaka iyalin Yerobowam. Ko yanzu ma, wannan zai fara faruwa.
15 Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin’ ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin’ ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
Ubangiji kuma zai bugi Isra’ila, har tă zama kamar kyauro mai girgiza a bakin rafi. Zai tumɓuke Isra’ila daga wannan ƙasa mai kyau da ya ba wa kakanninsu, yă watsar da su gaba da Kogin Yuferites domin sun tsokane Ubangiji har ya yi fushi, ta wurin yin ginshiƙan Ashera.
16 Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon’ i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.
Zai kuma ba da Isra’ila saboda zunuban da Yerobowam ya yi, da ya kuma sa Isra’ila suka yi.”
17 Dia niainga ny vadin’ i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin’ ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;
Sai matar Yerobowam ta tashi ta tafi, ta kuwa tafi Tirza. Nan da nan da ta taka madogarar ƙofar gidan, sai yaron ya mutu.
18 dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Ahia mpaminany mpanompony.
Suka binne shi, dukan Isra’ila kuwa suka yi makoki dominsa, yadda Ubangiji ya faɗa ta wurin bawansa annabi Ahiya.
19 Ary ny tantaran’ i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
Sauran ayyukan sarautar Yerobowam, da yaƙe-yaƙensa, da yadda ya yi mulki, ba a rubuce suke a littafin tarihi na sarakunan Isra’ila ba?
20 Ary ny andro nanjakan’ i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.
Ya yi mulki shekaru ashirin da biyu, sai ya huta tare da kakanninsa. Sai Nadab ɗansa ya gāje shi a matsayin sarki.
21 Ary Rehoboama, zanak’ i Solomona, no nanjaka tamin’ ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin’ i Jehovah tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
Rehobowam ɗan Solomon ya zama sarki a Yahuda. Yana da shekara arba’in da ɗaya sa’ad da ya zama sarki, ya kuma yi mulki shekaru goma sha bakwai a Urushalima, birnin da Ubangiji ya zaɓa daga cikin dukan kabilan Isra’ila don yă sa Sunansa. Sunan mahaifiyarsa Na’ama, ita mutuniyar Ammon ce.
22 Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon’ ny razany.
Yahuda ya aikata mugunta a gaban Ubangiji. Ta wurin zunuban da suka yi, sun tā da fushin kishinsa fiye da yadda kakanninsu suka yi.
23 Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon’ ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
Sun kuma kafa wa kansu masujadai da suke kan tuddai, da a kan keɓaɓɓun duwatsu, suka kuma gina ginshiƙan Ashera a kowane tudu, da kuma a ƙarƙashin kowane duhuwar itace.
24 Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin’ ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely izy.
Har ma akwai maza karuwai na masujada. Mutane suka sa kansu ga yin kowane abin ƙyama na al’umman da Ubangiji ya kora kafin Isra’ilawa.
25 Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema;
A shekara ta biyar ta Sarki Rehobowam, Shishak sarkin Masar ya kai wa Urushalima yaƙi.
26 dia nobaboiny ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon’ i Solomona
Ya kwashe dukiyar haikalin Ubangiji da kuma dukiyar fadan sarki. Ya ɗauki kome, har da dukan garkuwoyi na zinariya da Solomon ya yi.
27 Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ ireny ka nanolotra azy teo an-tànan’ ny lehiben’ ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ ny tranon’ ny mpanjaka
Saboda haka sarki Rehobowam ya yi garkuwoyin tagulla ya mayar da su. Ya kuma naɗa waɗannan shugabannin matsara ya sa su aiki a ƙofar zuwa fadan sarki.
28 Ary na oviana na oviana no nidiran’ ny mpanjaka tao an-tranon’ i Jehovah, dia nentin’ ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray.
Duk sa’ad da sarki ya tafi wurin haikalin Ubangiji, matsara sukan riƙe garkuwoyinsu, daga baya kuma sai su mai da su ɗakin tsaro.
29 Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
Game da sauran ayyukan mulkin Rehobowam kuwa, da kuma dukan abin da ya yi, duk a rubuce suke a cikin littafin tarihin sarakunan Yahuda.
30 Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.
Aka ci gaba da yaƙe-yaƙe tsakanin Rehobowam da Yerobowam.
31 Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
Sai Rehobowam ya huta da kakanninsa, aka kuma binne shi tare da su a Birnin Dawuda. Sunan mahaifiyarsa Na’ama, ita kuwa mutuniyar Ammon ce. Sai Abiyam ɗansa ya gāje shi a matsayin sarki.

< 1 Mpanjaka 14 >