< 1 Mpanjaka 14 >
1 Tamin’ izany andro izany dia narary Abia, zanak’ i Jeroboama.
It was at that time that Abijah, Jeroboam's son, fell ill.
2 Ary hoy Jeroboama tamin’ ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr’ olona ho vadin’ i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan’ ity firenena ity aho.
So Jeroboam told his wife, “Please go and disguise yourself so nobody will know you're Jeroboam's wife. Then go to Shiloh and look for Ahijah the prophet. He was the one who told me I would become king over this people.
3 Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza.
Take with you ten loaves of bread, some cakes, and a jar of honey for him. He will explain to you what will happen to the boy.”
4 Dia nanao araka izany ny vadin’ i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon’ i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany.
Jeroboam's wife did as she was told. She got up and went to Ahijah's house in Shiloh. Ahijah could not see—he had become blind because of his age.
5 Ary Jehovah efa nilaza tamin’ i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin’ i Jeroboama hanontany anao ny amin’ ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.
But the Lord had told Ahijah, “Look, Jeroboam's wife is coming to ask you about her son, because he's ill. This is what you are to tell her, because she'll come in disguise.”
6 Ary nony ren’ i Ahia ny fingodongodon’ ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin’ i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
So as soon as Ahijah heard her footsteps at the door, he called out, “Come in, wife of Jeroboam! Why do you bother coming in disguise? I have been given some bad news for you.
7 Koa mandehana, ka lazao amin’ i Jeroboama hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin’ ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,
Go and tell Jeroboam this is what the Lord, the God of Israel, says: I picked you from the masses and I made you ruler over my people Israel.
8 ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin’ ny taranak’ i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an’ i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin’ ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany;
I took the kingdom from the house of David and gave it to you. But you were not like my servant David, who kept my commandments and was totally committed to following me, only doing what was right in my sight.
9 fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
You have done more evil than all those who lived before you. You have gone and made other gods for yourself, idols made of molten metal that made me angry. You have tossed me aside.
10 koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ ny tamingan’ i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin’ ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
Now pay attention, because as a result of this I am going to bring disaster on the house of Jeroboam. I will totally exterminate every one of your descendants in Israel, whether slave or free. I will burn the house of Jeroboam like a man burning refuse until it's all gone.
11 Koa izay tamingan’ i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin’ ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.
Those of Jeroboam's family who die in the town will be eaten by dogs, and those who die in the countryside will be eaten by birds. For the Lord has spoken.
12 Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.
As for you, get up and go home. As soon as you arrive in the city, the child will die.
13 Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin’ ny tamingan’ i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
All of Israel will mourn for him, and they will bury him. He alone of Jeroboam's family will be buried in a tomb because only in him has the Lord, the God of Israel found anything good—of the whole family of Jeroboam.
14 Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an’ ny Isiraely izay handringana ny taranak’ i Jeroboama amin’ izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.
The Lord will choose for himself a king to rule over Israel who will destroy the house of Jeroboam. This is starting to happen even now!
15 Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin’ ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin’ ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
The Lord will strike Israel like a reed jerked to and fro by the water. He will pull up Israel by the roots from this good land that he gave their forefathers and scatter them beyond the Euphrates, because they have made their pagan Asherah poles, making the Lord angry.
16 Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon’ i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.
He will abandon Israel because of the sins of Jeroboam, those that he committed himself, and those he made Israel commit.”
17 Dia niainga ny vadin’ i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin’ ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;
Jeroboam's wife got up and left for Tirzah. As soon as she stepped through the doorway of her home, the boy died.
18 dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Ahia mpaminany mpanompony.
All of Israel buried him and mourned for him, just as the Lord had said through his servant Ahijah the prophet.
19 Ary ny tantaran’ i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
The rest of what Jeroboam did, how he engaged in warfare and how he reigned, they are recorded in the Book of Chronicles of the Kings of Israel.
20 Ary ny andro nanjakan’ i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.
Jeroboam reigned for twenty-two years, and then he died. His son Nadab succeeded him as king.
21 Ary Rehoboama, zanak’ i Solomona, no nanjaka tamin’ ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin’ i Jehovah tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
Rehoboam, son of Solomon, reigned in Judah. He was forty-one when he became king, and he reigned seventeen years in Jerusalem, the city the Lord had chosen from all the tribes of Israel where he would be honored. The name of his mother was Naamah the Ammonite.
22 Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon’ ny razany.
Judah did what was evil in the Lord's sight, and because of the sins they committed they made his jealous anger even greater than all their fathers had done.
23 Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon’ ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
They also set up for themselves high places, sacred pillars, and Asherah poles on every high hill and under every green tree.
24 Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin’ ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely izy.
There were even cult prostitutes in the land. They followed all the disgusting practices of the nations that the Lord had driven out before the Israelites.
25 Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema;
In the fifth year of King Rehoboam's reign, Shishak, king of Egypt, attacked Jerusalem.
26 dia nobaboiny ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon’ i Solomona
He took the treasures of the Lord's Temple and the royal palace. He took everything, including all the gold shields Solomon had made.
27 Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ ireny ka nanolotra azy teo an-tànan’ ny lehiben’ ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ ny tranon’ ny mpanjaka
So King Rehoboam made bronze shields to replace them and handed them over to the captains of the guard to look after. They stood on duty at the entrance to the royal palace.
28 Ary na oviana na oviana no nidiran’ ny mpanjaka tao an-tranon’ i Jehovah, dia nentin’ ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray.
Whenever the king went to the Lord's Temple, the guards would carry the shields. Afterwards they returned them to the guardroom.
29 Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
The rest of what happened in Rehoboam's reign and everything that he did are recorded in the Book of Chronicles of the Kings of Judah.
30 Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.
Rehoboam and Jeroboam were always at war with each other.
31 Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
Rehoboam died and was buried with his ancestors in the City of David. The name of his mother was Naamah the Ammonite. His son Abijam succeeded him as king.