< 1 Mpanjaka 12 >
1 Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
レハベアムはシケムへ行った。すべてのイスラエルびとが彼を王にしようとシケムへ行ったからである。
2 Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak’ i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin’ izy nandositra niala teo anatrehan’ i Solomona mpanjaka;
ネバテの子ヤラベアムはソロモンを避けてエジプトにのがれ、なおそこにいたが、これを聞いてエジプトから帰ったので、
3 ka dia naniraka naka azy ny olona), dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
人々は人をつかわして彼を招いた。そしてヤラベアムとイスラエルの会衆は皆レハベアムの所にきて言った、
4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay, fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
「父上はわれわれのくびきを重くされましたが、今父上のきびしい使役と、父上がわれわれに負わせられた重いくびきとを軽くしてください。そうすればわれわれはあなたに仕えます」。
5 Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
レハベアムは彼らに言った、「去って、三日過ぎてから、またわたしのところにきなさい」。それで民は立ち去った。
6 Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin’ ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan’ i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
レハベアム王は父ソロモンの存命中ソロモンに仕えた老人たちに相談して言った、「この民にどう返答すればよいと思いますか」。
7 Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon’ ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
彼らはレハベアムに言った、「もし、あなたが、きょう、この民のしもべとなって彼らに仕え、彼らに答えるとき、ねんごろに語られるならば、彼らは永久にあなたのしもべとなるでしょう」。
8 Nefa nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen’ ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin’ ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy
しかし彼は老人たちが与えた勧めを捨てて、自分と一緒に大きくなって自分に仕えている若者たちに相談して、
9 ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay
彼らに言った、「この民がわたしにむかって『あなたの父がわれわれに負わせたくびきを軽くしてください』というのに、われわれはなんと返答すればよいと思いますか」。
10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin’ ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan’ ny raiko;
彼と一緒に大きくなった若者たちは彼に言った、「あなたにむかって『父上はわれわれのくびきを重くされましたが、あなたは、それをわれわれのために軽くしてください』と言うこの民に、こう言いなさい、『わたしの小指は父の腰よりも太い。
11 koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
父はあなたがたに重いくびきを負わせたが、わたしはさらに、あなたがたのくびきを重くしよう。父はむちであなたがたを懲らしたが、わたしはさそりをもってあなたがたを懲らそう』と」。
12 Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin’ ny andro fahatelo, araka ilay nolazain’ ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin’ ny andro fahatelo.
さてヤラベアムと民は皆、王が「三日目に再びわたしのところに来るように」と言ったとおりに、三日目にレハベアムのところにきた。
13 Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin’ ny olona, fa nandà ny saina nomen’ ireo zoki-olona azy izy
王は荒々しく民に答え、老人たちが与えた勧めを捨てて、
14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
若者たちの勧めに従い、彼らに告げて言った、「父はあなたがたのくびきを重くしたが、わたしはあなたがたのくびきを、さらに重くしよう。父はむちであなたがたを懲らしたが、わたしはさそりをもってあなたがたを懲らそう」。
15 Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin’ i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita tamin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata.
このように王は民の言うことを聞きいれなかった。これはかつて主がシロびとアヒヤによって、ネバテの子ヤラベアムに言われた言葉を成就するために、主が仕向けられた事であった。
16 Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
イスラエルの人々は皆、王が自分たちの言うことを聞きいれないのを見たので、民は王に答えて言った、「われわれはダビデのうちに何の分があろうか、エッサイの子のうちに嗣業がない。イスラエルよ、あなたがたの天幕へ帰れ。ダビデよ、今自分の家の事を見よ」。そしてイスラエルはその天幕へ去っていった。
17 Fa ny Zanak’ Isiraely izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
しかしレハベアムはユダの町々に住んでいるイスラエルの人々を治めた。
18 Ary dia naniraka an’ i Adorama, komandin’ ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Isiraely rehetra nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin’ ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
レハベアム王は徴募の監督であったアドラムをつかわしたが、イスラエルが皆、彼を石で撃ち殺したので、レハベアム王は急いで車に乗り、エルサレムへ逃げた。
19 Ka dia niodina tamin’ ny taranak’ i Davida ny Isiraely mandraka androany.
こうしてイスラエルはダビデの家にそむいて今日に至った。
20 Ary rehefa ren’ ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin’ ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin’ ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak’ i Davida afa-tsy ny firenen’ i Joda ihany.
イスラエルは皆ヤラベアムの帰ってきたのを聞き、人をつかわして彼を集会に招き、イスラエルの全家の上に王とした。ユダの部族のほかはダビデの家に従う者がなかった。
21 Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak’ i Joda rehetra mbamin’ ny firenen’ i Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin’ ny taranak’ Isiraely hampody ny fanjakana indray ho an-dRehoboama, zanak’ i Solomona.
ソロモンの子レハベアムはエルサレムに来て、ユダの全家とベニヤミンの部族の者、すなわちえり抜きの軍人十八万を集め、国を取りもどすために、イスラエルの家と戦おうとしたが、
22 Kanjo tonga tamin’ i Semaia, lehilahin’ Andriamanitra, kosa ny tenin’ Andriamanitra nanao hoe
神の言葉が神の人シマヤに臨んだ、
23 Mitenena amin-dRehoboama, zanak’ i Solomona, mpanjakan’ ny Joda, sy amin’ ny taranak’ i Joda sy Benjamina rehetra ary amin’ ny vahoaka sisa hoe:
「ソロモンの子であるユダの王レハベアム、およびユダとベニヤミンの全家、ならびにそのほかの民に言いなさい、
24 Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mandeha hiady amin’ ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin’ i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin’ i Jehovah.
『主はこう仰せられる。あなたがたは上っていってはならない。あなたがたの兄弟であるイスラエルの人々と戦ってはならない。おのおの家に帰りなさい。この事はわたしから出たのである』」。それで彼らは主の言葉をきき、主の言葉に従って帰っていった。
25 Ary Jeroboama dia nanamboatra an’ i Sekema any amin’ ny tany havoan’ i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an’ i Pehoela koa.
ヤラベアムはエフライムの山地にシケムを建てて、そこに住んだ。彼はまたそこから出てペヌエルを建てた。
26 Ary Jeroboama nanao anakampo hoe: Izao ny fanjakana dia hody amin’ ny taranak’ i Davida ihany;
しかしヤラベアムはその心のうちに言った、「国は今ダビデの家にもどるであろう。
27 fa raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin’ ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema ny vahoaka, dia hody amin’ ny tompony indray ny fony dia amin-dRehoboama, mpanjakan’ ny Joda, ary dia hamono ahy izy ka hiverina any amin-dRehoboama, mpanjakan’ ny Joda, indray.
もしこの民がエルサレムにある主の宮に犠牲をささげるために上るならば、この民の心はユダの王である彼らの主君レハベアムに帰り、わたしを殺して、ユダの王レハベアムに帰るであろう」。
28 Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin’ ny olona: “Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô” indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
そこで王は相談して、二つの金の子牛を造り、民に言った、「あなたがたはもはやエルサレムに上るには、およばない。イスラエルよ、あなたがたをエジプトの国から導き上ったあなたがたの神を見よ」。
29 Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
そして彼は一つをベテルにすえ、一つをダンに置いた。
30 Ary izany zavatra izany dia tonga fahotana; fa ny olona dia nandeha hivavaha teo anatrehan’ ny anankiray amin’ ireo hatrany Dana.
この事は罪となった。民がベテルへ行って一つを礼拝し、ダンへ行って一つを礼拝したからである。
31 Ary nanao trano teny amin’ ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan’ ny taranak’ i Levy.
彼はまた高き所に家を造り、レビの子孫でない一般の民を祭司に任命した。
32 Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin’ ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin’ ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay notendreny.
またヤラベアムはユダで行う祭と同じ祭を八月の十五日に定め、そして祭壇に上った。彼はベテルでそのように行い、彼が造った子牛に犠牲をささげた。また自分の造った高き所の祭司をベテルに立てた。
33 Ary nanatitra fanatitra teo ambonin’ ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an’ ny Zanak’ Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin’ ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.
こうして彼はベテルに造った祭壇に八月の十五日に上った。これは彼が自分で勝手に考えついた月であった。そして彼はイスラエルの人々のために祭を定め、祭壇に上って香をたいた。