< 1 Mpanjaka 12 >
1 Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
Rehobowam ya tafi Shekem, gama dukan Isra’ila sun je can don su naɗa shi sarki.
2 Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak’ i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin’ izy nandositra niala teo anatrehan’ i Solomona mpanjaka;
Sa’ad da Yerobowam ɗan Nebat ya ji labari (gama har yanzu yana a Masar, inda ya gudu daga Sarki Solomon), sai ya dawo daga Masar.
3 ka dia naniraka naka azy ny olona), dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
Saboda haka mutane suka aika Yerobowam yă zo, sai shi da dukan taron Isra’ila suka tafi wurin Rehobowam, suka ce masa,
4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay, fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
“Mahaifinka ya sa mana kaya mai nauyin gaske, amma yanzu ka sassauta wannan aiki mai zafi, da kuma kaya masu nauyin da ya sa a kanmu, mu kuwa za mu bauta maka.”
5 Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
Rehobowam ya amsa, “Ku tafi, bayan kwana uku, ku dawo.” Sai mutane suka watse.
6 Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin’ ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan’ i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
Sai Sarki Rehobowam ya nemi shawarar dattawa waɗanda suka yi wa mahaifinsa Solomon, hidima a kwanakinsa. Ya ce, “Wace shawara ce za ku ba ni don in amsa wa waɗannan mutane?”
7 Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon’ ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
Suka amsa, “In a yau za ka zama bawan waɗannan mutane, ka kuma yi musu hidima, ka ba su amsa mai kyau, kullum za su kasance bayinka.”
8 Nefa nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen’ ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin’ ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy
Amma Rehobowam ya ƙi shawarar da dattawan suka ba shi, sai ya nemi shawarar matasa waɗanda suka yi girma tare, waɗanda kuma suke masa hidima.
9 ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay
Ya tambaye su, “Mece ce shawararku? Yaya za mu amsa wa waɗannan mutane masu cewa, ‘Ka sassauta nauyin da mahaifinka ya sa a kanmu’?”
10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin’ ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan’ ny raiko;
Matasan, waɗanda suka yi girma tare da shi, suka amsa, “Faɗa wa waɗannan mutanen da suka ce maka, ‘Mahaifinka ya sa kaya masu nauyi a kanmu, amma ka sassauta kayanka.’ Ka ce musu, ‘Ƙaramin yatsana ya fi ƙugun tsohona kauri.
11 koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
Mahaifina ya sa muku kaya masu nauyi; ni zan ma sa su fi haka nauyi. Mahaifina ya hore ku da bulala; ni kuwa zan hore ku da kunamai.’”
12 Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin’ ny andro fahatelo, araka ilay nolazain’ ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin’ ny andro fahatelo.
Bayan kwana uku, Yerobowam da dukan mutane suka dawo wurin Rehobowam yadda sarki ya faɗa, “Ku dawo gare ni cikin kwana uku.”
13 Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin’ ny olona, fa nandà ny saina nomen’ ireo zoki-olona azy izy
Sai Sarki ya amsa wa mutane da zafi. Yana ƙin shawarar da dattawa suka ba shi.
14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
Ya bi shawarar matasa, ya ce, “Mahaifina ya sa muku kaya masu nauyi; ni zan ma sa su fi haka nauyi. Mahaifina ya hore ku da bulala; ni kuwa zan hore ku da kunamai.”
15 Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin’ i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita tamin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata.
Saboda haka sarki bai saurare mutane ba, gama wannan abin da ya faru daga wurin Ubangiji ne, don a cika maganar Ubangiji da ya yi wa Yerobowam ɗan Nebat ta wurin Ahiya, mutumin Shilo.
16 Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
Da dukan Isra’ila suka ga sarki ya ƙi yă saurare su, sai suka amsa wa sarki, “Ina ruwanmu da Dawuda! Ai! Ba mu da gādo wurin ɗan Yesse. Ya Isra’ila, kowa yă koma tentinsa! Dawuda, sai ka lura da gidanka!” Saboda haka Isra’ilawa suka watse zuwa gida.
17 Fa ny Zanak’ Isiraely izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
Amma ga Isra’ilawan da suke zama a garuruwan Yahuda kuwa, Rehobowam ya ci gaba da mulki a kansu.
18 Ary dia naniraka an’ i Adorama, komandin’ ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Isiraely rehetra nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin’ ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
Sarki Rehobowam ya aiki Adoniram wanda yake shugaban aikin gandu, amma Isra’ila suka jajjefe shi da dutse har ya mutu. Sarki Rehobowam, ya sullale ya hau keken yaƙinsa ya tsere zuwa Urushalima.
19 Ka dia niodina tamin’ ny taranak’ i Davida ny Isiraely mandraka androany.
Tun daga wannan ranar ne mutanen Isra’ila suka shiga gāba da gidan Dawuda har wa yau.
20 Ary rehefa ren’ ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin’ ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin’ ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak’ i Davida afa-tsy ny firenen’ i Joda ihany.
Sa’ad da dukan Isra’ilawa suka ji Yerobowam ya dawo, sai suka aika, suka kira shi zuwa taro, suka kuma naɗa shi sarki bisa dukan Isra’ila. Kabila Yahuda kaɗai ta kasance mai biyayya ga gidan Dawuda.
21 Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak’ i Joda rehetra mbamin’ ny firenen’ i Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin’ ny taranak’ Isiraely hampody ny fanjakana indray ho an-dRehoboama, zanak’ i Solomona.
Da Rehobowam ya isa Urushalima, ya tattara dukan gidan Yahuda da kabilar Benyamin, ya sami sun kai mayaƙa dubu da tamanin. Sai aka shirya don su yaƙi gidan Isra’ila, su kuma mayar da masarautar wa Rehobowam ɗan Solomon.
22 Kanjo tonga tamin’ i Semaia, lehilahin’ Andriamanitra, kosa ny tenin’ Andriamanitra nanao hoe
Amma waɗannan kalmomin Allah suka zo wa Shemahiya, mutumin Allah, cewa,
23 Mitenena amin-dRehoboama, zanak’ i Solomona, mpanjakan’ ny Joda, sy amin’ ny taranak’ i Joda sy Benjamina rehetra ary amin’ ny vahoaka sisa hoe:
“Faɗa wa Rehobowam ɗan Solomon, sarkin Yahuda, ka faɗa wa dukan gidan Yahuda da Benyamin, da kuma dukan sauran mutane,
24 Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mandeha hiady amin’ ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin’ i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin’ i Jehovah.
‘Ga abin da Ubangiji ya ce, “Kada ku haura don ku yi yaƙi da’yan’uwanku, Isra’ilawa. Ku koma gida, kowannenku, gama wannan aikina ne.”’” Saboda haka suka yi biyayya da maganar Ubangiji, suka sāke watse zuwa gida, yadda Ubangiji ya umarta.
25 Ary Jeroboama dia nanamboatra an’ i Sekema any amin’ ny tany havoan’ i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an’ i Pehoela koa.
Sai Yerobowam ya ƙara gina Shekem a ƙasar tudu ta Efraim, ya zauna a can. Daga can ya tafi ya gina Fenuwel.
26 Ary Jeroboama nanao anakampo hoe: Izao ny fanjakana dia hody amin’ ny taranak’ i Davida ihany;
Yerobowam ya yi tunani a ransa ya ce, “Mai yiwuwa mulkin yă koma gidan Dawuda.
27 fa raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin’ ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema ny vahoaka, dia hody amin’ ny tompony indray ny fony dia amin-dRehoboama, mpanjakan’ ny Joda, ary dia hamono ahy izy ka hiverina any amin-dRehoboama, mpanjakan’ ny Joda, indray.
In waɗannan mutane sun riƙa haurawa don su miƙa hadayu a haikalin Ubangiji a Urushalima. Za su sāke nuna biyayya ga mai girma, Rehobowam, sarkin Yahuda. Za su kashe ni su kuma koma ga Sarki Rehobowam.”
28 Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin’ ny olona: “Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô” indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
Bayan ya nemi shawara, sai sarki ya yi siffofin’yan maruƙa biyu na zinariya. Ya ce wa mutane, “Kun daɗe kuna haurawa zuwa can Urushalima. Ga allolinku, ya Isra’ila, waɗanda suka fitar da ku daga ƙasar Masar.”
29 Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
Sai ya kafa ɗaya a Betel, ɗaya kuma a Dan.
30 Ary izany zavatra izany dia tonga fahotana; fa ny olona dia nandeha hivavaha teo anatrehan’ ny anankiray amin’ ireo hatrany Dana.
Wannan ya zama zunubi, gama mutane suna tafiya yin wa wannan da yake a Betel sujada, su kuma je har Dan don su yi wa ɗayan sujada.
31 Ary nanao trano teny amin’ ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan’ ny taranak’ i Levy.
Yerobowam ya gina masujadai da suke kan tuddai, ya kuma naɗa firistoci barkatai daga cikin mutanen da ba na zuriyar Lawi ba.
32 Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin’ ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin’ ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay notendreny.
Ya kafa biki a rana ta goma sha biyar ta watan takwas, kamar bikin da ake yi a Yahuda, ya kuma miƙa hadayu a bisa bagade. Ya yi haka a Betel, yana miƙa wa siffofin maruƙan da ya yi hadayu. A Betel kuma ya naɗa firistoci a wuraren tudun da ya yi.
33 Ary nanatitra fanatitra teo ambonin’ ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an’ ny Zanak’ Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin’ ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.
A rana ta goma sha biyar ta watan takwas, watan da ya zaɓa, ya miƙa hadayu a bisa bagaden da ya gina a Betel. Saboda haka ya kafa biki don Isra’ilawa, ya kuma haura zuwa bagade don yă miƙa hadayu.