< 1 Mpanjaka 11 >
1 Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin’ i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,
Basi mfalme Sulemani aliwapenda wanawake wengi wa kigeni: binti wa Farao na wanawake wa Wamoabu, Waamori, Waedomu, Wasidoni, na Wahiti - Haya na
2 dia vehivavy avy amin’ ny firenena izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin’ ireo no niraiketan’ ny fitiavan’ i Solomona.
mataifa ambayo BWANA alikuwa amewaambia Waisraeli kwamba, “Msiwaoe, wala binti zenu kuolewa nao, kwani kwa hakika wataigeuza mioyo yenu ili mfuate miungu yao.” Lakini Sulemani aliwapenda wanawake hao.
3 Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo.
Sulemani alikuwa na wanawake halali mia saba na masuria mia tatu. Wake zake waliugeuza moyo wake.
4 Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin’ ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.
Kwa kuwa Sulemani alipozeeka, wake zake waliugeuza moyo wake kwa miungu mingine; hakuutoa moyo wake wote kwa BWANA, Mungu wake, kama ulivyokuwa moyo wa Daudi baba yake.
5 Fa Solomona nanaraka an’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan’ ny Amonita.
Kwani Sulemani alimfuata Ashtoreth, mungu mke wa Wasidoni, na alimfuata Milkom, ambayo ni sanamu chukizo ya Waamori.
6 Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin’ ny fanarahana Azy tahaka an’ i Davida rainy.
Sulemani akafanya maovu mbele ya BWANA; hakumfuata BWANA kwa moyo wake wote, kama alivyofanya Daudi baba yake.
7 Ary tamin’ izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, teo amin’ ny havoana tandrifin’ i Jerosalema, ary ho an’ i Moloka, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
Kisha Sulemani akajenga mahali pa juu pa Kemoshi, ambayo ni sanamu chukizo ya Wamoabu, mashariki mwa Yerusalemu juu ya kilima, na vivyo hivyo na Moleki, Sanamu chukizo ya Waamoni.
8 Ary toy izany koa no nataony ho an’ izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ny andriamaniny.
Na kadhalika ndivyo alivyowafanyia wake zake wa kigeni, ambao walifukiza uvumba na kutoa sadaka kwa miungu yao.
9 Ary Jehovah tezitra tamin’ i Solomona noho ny nivilian’ ny fony niala tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa
BWANA alichukizwa na Sulemani, kwa sababu moyo wake ulikuwa umemwacha Mungu wa Israeli, ingawa alikuwa amejionyesha kwake mara mbili
10 sady efa nandidy azy ny amin’ izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian’ i Jehovah izy.
na kumwamuru juu ya mambo haya, kwamba asiwaendee miungu wengine. Bali Sulemani hakutii kile ambacho BWANA alikuwa amemwamuru.
11 Ka dia hoy Jehovah tamin’ i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.
Kwa hiyo BWANA akamwambia Sulemani, “Kwa kuwa umeyafanya haya haukulishika agano langu na maagizo ambayo nilikuamuru, basi nitaugawa ufalme kutoka kwako na kuwapatia watumishi wako.
12 Kanefa kosa tsy hataoko amin’ ny andronao izany noho ny amin’ i Davida rainao; fa rehefa mby amin’ ny zanakao vao hendahako aminy.
Hata hivyo, kwa ajili ya Daudi, sitalifanya hilo wakati wa uhai wako, bali nitaugawa wakati ukiwa chini ya mwanao.
13 Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin’ i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
Bado sitaugawanya ufalme wote; Nitampa mwanao kabila moja kwa ajili ya Daudi mtumishi wangu, na kwa ajili ya Yerusalemu, ambayo nimeichagua.”
14 Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an’ i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan’ ny mpanjakan’ i Edoma.
Kisha BWANA akamwinulia uadui Sulemani, Hadadi Mwedomu. Alikuwa anatoka kwenye familiia ya mfalme wa Edomu.
15 Fa rehefa nanafika an’ i Edoma Davida, ary Joaba, komandin’ ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany
Daudi alipokuwa Edomu, Yoabu mkuu wa jeshi alikuwa ameenda kuzika mfu, kila mtu aliyekuwa ameuawa kule Edomu.
16 (fa enim-bolana no nitoeran’ i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),
Yoabu na Israeli yote walibaki huko kwa miezi sita mpaka alipokuwa amewaua wanaume wote wa Edomu.
17 dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin’ izay.
Lakini Hadadi alichulukuliwa na Waedomu wengine na watumishi wa baba yake hadi Misri, kuanzia Hadadi alipokuwa mtoto mdogo.
18 Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
Waliondoka Midiani wakaja Parani, ambapo walichukuliwa na wanaume mpaka Misri, kwa Farao wa Misri, ambaye alimpa nyumba na ardhi yenye chakula.
19 Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason’ i Farao, ka dia ny rahavavin’ i Tapanesa, vadin’ ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny.
Hadadi alipata neema kubwa machoni pa Farao, kwa hiyoFarao akampatia mke, umbu wa mke wake mwenyewe, umbu la Tapenesi aliyekuwa Malkia.
20 Ary ny rahavavin’ i Tapanesa niteraka zazalahy tamin’ i Hadada, dia Genobata, izay notazan’ i Tapanesa tao an-tranon’ i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin’ ny zanakalahin’ i Farao tao an-dapa.
Naye huyo umbu la Tapenesi alimzalia Hadadi mwana. Wakamwita jina lake Genubathi. Tapenesi akamlea katika ikulu ya Farao. Kwa hiyo Genubathi alikulia kwenye ikulu ya Farao pamoja na watoto wa Farao.
21 Ary rehefa ren’ i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin’ ny razany, sady maty koa Joaba, komandin’ ny miaramila, dia hoy izy tamin’ i Farao: Alefaso aho hody any amin’ ny tanin-drazako.
Naye alipokuwa huko Misri, Hadadi alisikia kuwa Daudi alishalala na mababu zake na kwamba Yoabu mkuu wa majeshi alishakufa, Hadadi akamwambia Farao, “Acha niondoke nirudi nchini kwangu.”
22 Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin’ ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.
Lakini Farao alimwambia, “Umepungukiwa nini kwangu, kwamba sasa unatafuta kurudi nchini kwako?” Naye Hadadi akamjibu, “Hapana kitu lakini tafadhali niache niende.”
23 Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an’ i Solomona, dia Rezona, zanak’ i Eliada, izay efa nandositra an’ i Hadadezera tompony, mpanjakan’ i Zoba.
Pia Mungu akamwinulia Sulemani adui mwingine, Rezoni mwana wa Eliada, aliyekuwa amemkimbia bwana wake Hadadezeri mfalme wa Soba.
24 Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin’ ny namonoan’ i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
Rezoni alijikusanyia wanaume naye akawa mkuu wa jeshi dogo, Daudi ali owapiga wanaume wa Soba. Wale wanume Rezoni walienda Dameski kuishi huko, na Rezoni aliitawala Dameski.
25 Ary izy koa dia fahavalon’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon’ i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.
Yeye akawa adui wa Israeli katika siku zote za mfalme Sulemani, zaidi ya madhara ambayo Hadadi alisababisha. Rezoni akawachukia Israeli na akawa juu ya Shamu
26 Ary Jerobeama, zanak’ i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon’ i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin’ ny mpanjaka.
Kisha Yeroboamu mwana wa Nebati, mwefraimu wa Sereda, akida wa Sulemani, ambaye jina la mama yake lilikuwa Serua, mjane, pia akainua mkono wake dhidi ya mfalme.
27 Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin’ ny mpanjaka: Solomona nanorina an’ i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan’ i Davida rainy;
Kisa cha kuinua mkono wake kinyume cha mfalme ilikuwa ni mfalme Sulemani kujenga Milo na kufunga mahali palipobomoka katika mji wa Daudi baba yake.
28 ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan’ i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak’ i Josefa tamin’ ny fanompoany rehetra.
Yeroboamu alikuwa mtu hodari na shujaa. Sulemani akaona kuwa huyo kijana alikuwa na bidii, kwa hiyo akampa kuwa na mamlaka juu ya wafanyakazi katika nyumba ya Yusufu.
29 Ary tamin’ izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.
Wakati huo, Yeroboamu alipokuwa akitoka katika Yerusalemu, nabii Ahiya Mshilo akamkuta barabarani. Sasa Ahiya alikuwa amevaa vazi jipya na kwamba hawa wawili walikuwa pekee yao kondeni.
30 Dia noraisin’ i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin’ ny folo.
Kisha Ahiya akalishika lile vazi jipya ambalo alikuwa nalo na akalichana katika vipande kumi na viwili.
31 Ary hoy izy tamin’ i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin’ ny tànan’ i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo
Akamwambia Yeroboamu. “Chukua vipande kumi, kwani BWANA, Mungu wa Israeli, anasema, 'Tazama, Nitaugawa ufalme toka katika mkono wa Sulemani nami nitakupa makabila kumi.
32 (nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin’ i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely),
(lakini Sulemani atabaki na kabila moja, kwa ajili ya mtumishi wangu Daudi na kwa ajili ya mji wangu Yerusalemu - mji ambao nimeuchagua toka kwenye kabila zote za Israeli),
33 satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr’ i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak’ i Amona, fa tsy nandeha tamin’ ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’ i Davida rainy.
kwa kuwa ameniacha na kumwabudu Ashtorethi mungu mke wa Wasidoni, Kemoshi Mungu wa Wamoabu, na Milikomu mungu wa watu wa Amoni. Wameziacha njia zangu, hawakufanya kilicho chema katika macho yangu, wala hawa kuzishika amri na maagizo yangu, kama alivyofanya Daudi baba yake.
34 Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin’ ny andro rehetra hiainany noho ny amin’ i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko;
Hata hivyo. Stauchukua ufalme wote toka kwenye mkono wa Sulemani. Badala yake, nimemfanya kuwa mtawala katika siku zake zote za uhai wake, kwa ajili ya Daudi mtumishi wangu ambaye nilimchagua, mtu ambaye alizishika amri na maagizo yangu.
35 fa hesoriko eo an-tànan’ ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany.
Bali nitauchukua ufalme ukiwa chini ya mkono wa mwanae na nitakupa wewe, makabila kumi.
36 Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an’ i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.
Nitampa kabila moja mwana wa Sulemani ili kwamba Daudi mtumishi wagu atabaki kuwa nuru mbele yangu huko Yerusalemu, mji ambao nimeuchagua ili niweke jina langu.
37 Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin’ izay rehetra irin’ ny fanahinao ary ho mpanjaka amin’ ny Isiraely.
Nami nitakuchukua, nawe utatawala ili kutimiza haja yako, nawe utakuwa mfalme juu ya Israeli.
38 Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin’ ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon’ i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an’ i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.
Kama utasikiliza yote ninayokuagaza, na kama utatembea katika njia zangu na kufanya kinachopendeza mbele ya macho yangu, ukayashika maagizo na amri zangu, kama Daudi mtumishi wangu alivyofanya, ndipo nitakapokuwa na wewe na nitakujengea nyumba ya uhakika, kama niliyomjengea Daudi, nami nitakupa Israeli.
39 Ary hampietry ny taranak’ i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.
Nitawaadhibu uzao wa Daudi, lakini si milele.”
40 Ary Solomona nitady hamono an’ i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin’ i Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin’ i Solomona.
Kwa hiyo Sulemani akajaribu kumwua Yeroboamu. Lakini Yeroboamu akaamka na kukimbilia Misri, Kwa Shishaki mfalme wa Misri, naye akabaki Misri mpaka Sulemani alipokufa.
41 Ary ny tantaran’ i Solomona sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ i Solomona va izany?
Na kwa mambo mengine yanayomhusu Sulemani, Yote ambayo alifanya na hekima zake, je, hayakuandikwa katika kitabu cha matukio ya
42 Ary ny andro nanjakan’ i Solomona tamin’ ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona.
Sulemani? Sulemani alitawala Yerusalemu juu ya Israeli yote kwa miaka arobaini.
43 Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
Naye akalala na mababu zake na alizikwa katika mji wa Daudi baba yake. Rehoboamu mwanae akawa mfalme mahali pake.