< 1 Mpanjaka 11 >

1 Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin’ i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,
[撒羅滿敬拜邪神]撒羅滿除了法郎的公主外,又愛上了許多外國女子:即摩阿布女子,阿孟女子,厄東女子,漆冬女子,赫特女子。
2 dia vehivavy avy amin’ ny firenena izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin’ ireo no niraiketan’ ny fitiavan’ i Solomona.
關於這些民族,上主曾吩咐以色列子民說:「你們不可到他們中間去,他們也不可到你們中間來,否則他們必會引誘你們的心,傾向他們的神。」但是,撒羅滿卻戀愛這些女子。
3 Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo.
他有七百個各地公主為妻妾,另外還有三百妃子;這些妻妾終於敗壞了他的心。
4 Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin’ ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.
當撒羅滿年老的時候,這些妻妾迷惑了他的心,勾引他去崇拜別的神;他的心已不像他父親達味的心,全屬於上主他的天主。
5 Fa Solomona nanaraka an’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan’ ny Amonita.
這樣,他隨從了漆冬人的女神阿市托勒特和阿孟人的可憎之物米耳公。
6 Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin’ ny fanarahana Azy tahaka an’ i Davida rainy.
撒羅滿作了上主眼中視為惡的事,不像他父親達味那樣全心服從上主。
7 Ary tamin’ izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, teo amin’ ny havoana tandrifin’ i Jerosalema, ary ho an’ i Moloka, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
那時,撒羅滿在耶路撒冷東面的山上,為摩阿布人的可憎之物革摩士,為阿孟子民的可憎之物摩肋客,修築了丘壇。
8 Ary toy izany koa no nataony ho an’ izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ny andriamaniny.
他為所有的外國妻妾,都修築了丘壇,各給自己的神焚香獻祭。上主發怒警告
9 Ary Jehovah tezitra tamin’ i Solomona noho ny nivilian’ ny fony niala tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa
上主遂向撒羅滿發怒,因為他的心偏離了兩次顯現給他的上主以色列的天主。
10 sady efa nandidy azy ny amin’ izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian’ i Jehovah izy.
當時,上主對此事曾吩咐過他,不可去隨從別的神,但他卻沒有遵守上主的命令。
11 Ka dia hoy Jehovah tamin’ i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.
於是,上主對撒羅滿說:「你既然這樣行事,不遵守我的盟約,和我吩咐你的誡命,我必要奪去你的王國,賜給你的一個臣僕。
12 Kanefa kosa tsy hataoko amin’ ny andronao izany noho ny amin’ i Davida rainao; fa rehefa mby amin’ ny zanakao vao hendahako aminy.
雖然如此,但為了你父親達味的緣故,在你有生之日,我不作這事;我將要由你兒子手中奪去。
13 Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin’ i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
但是仍不完全奪去,為了我僕人達味和我所揀選的耶路撒冷,我仍給你的兒子留下一支派。」撒羅滿的外患
14 Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an’ i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan’ ny mpanjakan’ i Edoma.
那時,上主興起一個反抗撒羅滿的人,就是厄東王的後裔,厄東人哈達得。
15 Fa rehefa nanafika an’ i Edoma Davida, ary Joaba, komandin’ ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany
當達味打敗厄東後,軍長約阿布前去埋葬陣亡的人時,殺了厄東所有的男子;
16 (fa enim-bolana no nitoeran’ i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),
約阿布和全以色列在厄東逗留了六個月,直到將厄東所有的男子完全殺掉。
17 dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin’ izay.
哈達得卻同他父親的幾個臣僕厄東人逃往埃及,那時哈達得還很年輕。
18 Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
他們從米德楊起身,到了帕蘭,從帕蘭又帶了些人到埃及,投奔埃及王法郎;法郎給了他一座房屋,供給他食用,又給了他一塊土地。
19 Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason’ i Farao, ka dia ny rahavavin’ i Tapanesa, vadin’ ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny.
哈達得在法郎眼前很是得寵,因此將自己的妻子塔培乃斯王后的妹妹,嫁給他為妻。
20 Ary ny rahavavin’ i Tapanesa niteraka zazalahy tamin’ i Hadada, dia Genobata, izay notazan’ i Tapanesa tao an-tranon’ i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin’ ny zanakalahin’ i Farao tao an-dapa.
塔培乃斯的妹妹給哈達得生了一個兒子叫革奴巴特。塔培乃斯在法郎宮中撫養他,因此革奴巴特便住在法郎宮中,同法郎的公子們一起。
21 Ary rehefa ren’ i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin’ ny razany, sady maty koa Joaba, komandin’ ny miaramila, dia hoy izy tamin’ i Farao: Alefaso aho hody any amin’ ny tanin-drazako.
哈達得在埃及聽說達味已與他的列祖同眠,軍長約阿布也已去世,便對法郎說:「請讓我走,回到我故鄉去! 」
22 Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin’ ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.
法郎對他說:「你在我這裏缺少什麼,竟想回到你的故鄉去﹖」他回答說:「什麼也不缺,只求你讓我回去! 」
23 Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an’ i Solomona, dia Rezona, zanak’ i Eliada, izay efa nandositra an’ i Hadadezera tompony, mpanjakan’ i Zoba.
天主又興起一個反抗撒羅滿的人,就是厄肋雅達的兒子勒宗。他由自己的主人祚巴王哈達德則爾前出走。
24 Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin’ ny namonoan’ i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
在達味擊殺阿蘭人時,聚集了一些人,作了土匪頭目,去了大馬士革,盤踞在那裏,做了大馬士革王。
25 Ary izy koa dia fahavalon’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon’ i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.
撒羅滿有生之日,勒宗始終與以色列為敵。哈達得就回了國。哈達得的危害,即在於他作了厄東的君王,不斷騷擾以色列。撒羅滿的內憂
26 Ary Jerobeama, zanak’ i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon’ i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin’ ny mpanjaka.
厄弗辣大地責勒達人,乃巴特的兒子雅洛貝罕,─他的母親名叫責魯阿,是個寡婦─原是撒羅滿的臣僕,他也起來反抗君王。
27 Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin’ ny mpanjaka: Solomona nanorina an’ i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan’ i Davida rainy;
他反抗君王的原委是這樣:當時撒羅滿正在建築米羅,修葺他父親達味城的裂口;
28 ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan’ i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak’ i Josefa tamin’ ny fanompoany rehetra.
雅洛貝罕這個人原很有才能,撒羅滿見這少年人很能做事,便派他監督若瑟族的一切勞役。
29 Ary tamin’ izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.
有一次,雅洛貝罕走出耶路撒冷,史羅的先知阿希雅在路上遇見了他;先知身上穿著一件新外衣,在田間只有他們二人。
30 Dia noraisin’ i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin’ ny folo.
阿希雅便拿起他所穿的新外衣,撕成了十二塊,
31 Ary hoy izy tamin’ i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin’ ny tànan’ i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo
然後對雅洛貝罕說:「你拿十塊,因為上主以色列的天主這樣說:看,我必將撒羅滿手中的王國撕裂,將十個支派交給你。
32 (nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin’ i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely),
為了我僕人達味,和我從以色列支派中選的耶路撒冷城的緣故,仍給他留下一支派,
33 satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr’ i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak’ i Amona, fa tsy nandeha tamin’ ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’ i Davida rainy.
因為他背棄了我,崇拜了漆冬人的女神阿市托勒特、摩阿布人的神革摩士和阿孟人的神米耳公。他沒有像他父親達味那樣履行我的道路,行我視為正義的事,恪守我的律例和誡命。
34 Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin’ ny andro rehetra hiainany noho ny amin’ i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko;
但我不願從他手中奪去整個王國,我要使他有生之日作首領,是為了我所選的僕人達味的緣故,因為他遵守了我的誡命和律例。
35 fa hesoriko eo an-tànan’ ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany.
我卻意從他兒子的手中奪回王國,給你十個支派,
36 Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an’ i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.
只留下一個支派給他的兒子,使我的僕人達味,在我所揀選立我名的耶路撒冷城中,在我面前常有一盞明燈。
37 Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin’ izay rehetra irin’ ny fanahinao ary ho mpanjaka amin’ ny Isiraely.
我選取你,使你隨意統治一切,作以色列的君王。
38 Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin’ ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon’ i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an’ i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.
如果你聽從我吩咐你的一切,履行我的道路,行我視為正義的事,恪守我的律例和誡命,如同我的僕人達味一樣,我必與你同在,為你建立一鞏固的家室,像我為達味所建立的一樣。我將以色列交給你,
39 Ary hampietry ny taranak’ i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.
藉以貶抑達味的後裔,但不致於久遠。」
40 Ary Solomona nitady hamono an’ i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin’ i Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin’ i Solomona.
因此,撒羅滿想殺害雅洛貝罕,雅洛貝罕遂起身逃往埃及,投奔埃及王史沙克;他住埃及,直到撒羅滿逝世。撒羅滿逝世
41 Ary ny tantaran’ i Solomona sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ i Solomona va izany?
撒羅滿其餘的事蹟,他的一切作為和智慧,都記載在撒羅滿實錄上。
42 Ary ny andro nanjakan’ i Solomona tamin’ ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona.
撒羅滿在耶路撒冷作王,統治全以色列,凡四十年。
43 Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
撒羅滿與他的列祖同眠,葬在他父親達味城內;他的兒子勒哈貝罕繼位為王。

< 1 Mpanjaka 11 >