< 1 Mpanjaka 10 >

1 Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa nahare ny lazan’ i Solomona ny amin’ ny anaran’ i Jehovah, dia avy hizaha toetra azy amin’ ny fanontaniana sarotra,
A LOHE ae la ko alii wahine o Seba i ke kaulana o Solomona, no ka inoa o Iehova, hele mai la oia e hoao ia ia i na mea pohihihi.
2 ka tonga tany Jerosalema izy mbamin’ ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin’ i Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.
Hele mai la hoi oia i Ierusalema me ka huakai nui loa, a me na kamelo e halihali ana i na mea ala, a me ke gula he nui loa, a me na pohaku makamae; a hiki mai ia io Solomona la, kamailio mai la oia me ia i na mea a pau iloko o kona naau.
3 Ary voavalin’ i Solomona izy tamin’ izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’ ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa.
Hoakaka aku la o Solomona i na mea a pau ana i ninau mai ai, aohe mea hunaia i ke alii, ana i hai ole aku ai ia ia.
4 Ary rehefa hitan’ ilay mpanjakavavin’ i Sheba ny fahendren’ i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony
A ike ae la ke alii wahine o Seba, i ke akamai a pau a Solomona, a me ka hale ana i kukulu ai,
5 sy ny fihinany teo amin’ ny latabany sy ny fipetrahan’ ny tandapany sy ny fitoeran’ ny mpanompony mbamin’ ny fitafian’ ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon’ i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
A me ka ai o kona papaaina, a me ka noho ana o kana mau kauwa, a me ke ku ana mai o kona poe lawelawe, me ko lakou kahiko ana, a me kona poe lawe kiaha, a me kona alapii i pii ai oia i ka hale o Iehova; aole ae la he hanu iloko ona.
6 Ka hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin’ ny taniko ny amin’ ny teninao sy ny fahendrenao.
A olelo ae la oia i ke alii, He olelo oiaio ka'u i lohe ai ma ko'u aina no kau mau hana a me kou akamai:
7 kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.
Aka, aole au i manaoio ia mau olelo, a hiki mai nei au, a ike ko'u mau maka, aia hoi, aole no ka hapalua i haiia mai ia'u; na kela aku kou akamai a me kou pomaikai mamua o ke kaulana a'u i lohe ai.
8 Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao
Pomaikai kou poe kanaka, pomaikai kau poe kauwa, ka poe e ku mau ana ma kou alo, e hoolohe ana i kou akamai.
9 Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely; fa noho ny fitiavan’ i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
E hoomaikaiia'ku o Iehova kou Akua, ka mea i olioli mai ia oe e hoonoho iho ia oe ma ka nohoalii o ka Iseraela; no ko Iehova aloha mau ana i ka Iseraela, nolaila i hoolilo ai oia ia oe i alii e hooponopono, a e hana ma ka maikai.
10 Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an’ ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka ilay nomen’ ny mpanjakavavin’ i Sheba ho an’ i Solomona mpanjaka.
Haawi ae la hoi ia wahine i ke alii i hookahi haneri mo ka iwakalua talena gula, a mo na mea ala he nui loa, a me na pohaku makamae; aole hiki hou mai ka nui loa o na mea ala me neia a ke alii wahine o Seba i haawi mai ai ia Solomona ke alii.
11 Ary ny sambon’ i Hirama koa, izay naka volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo almoga be indrindra sy vato soa avy any Ofira.
A o na moku hoi o Hirama i lawe mai i ke gula mai Opera mai, ua lawe pu mai i na laau alemuga he nui loa, mai Opera mai, a me na pohaku makamae.
12 Ary ny hazo almoga dia nataon’ ny mpanjaka arofanina tamin’ ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an’ ny mpihira kosa; tsy nisy hazo almoga tonga tany na hita toy izany intsony mandraka androany.
Hana iho la ke alii i na laau alemuga i mau kia no ka hale o Iehova, a no ka hale o ke alii, a me na lira, a me na pesaleteria no ka poe mele; aole hiki mai na laau alemuga e like me neia, aole hoi i ikeia a hiki i keia la.
13 Ary Solomona mpanjaka nanome ny mpanjakavavin’ i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen’ i Solomona mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin’ ny taniny izy mbamin’ ny mpanompony.
A haawi aku la o Solomona ke alii i ke alii wahine o Seba i kona makemake a pau, i kela mea keia mea ana i noi mai ai; o kana ia i haawi aku ai ia ia e like me ka lima o Solomona ke alii; alaila huli ia a hoi aku i kona aina iho, oia me kana mau kauwa.
14 Ary ny lanjan’ ny volamena izay tonga tao amin’ i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
A o ke kaumaha o ke gula i hiki mai ia Solomona i ka makahiki hookahi, aono haneri, me kanaono kumamaono talena gula.
15 afa-tsy izay azony tamin’ ny mpandranto sy ny tamin’ ny varotry ny mpivarotra ary tamin’ ny mpanjakan’ ny firenena samy hafa rehetra sy tamin’ ny mpanapaka ny tany.
Okoa ka mea i loaa ia ia mai ka poe kalepa, a me ka poe kuai mea ala, a me na alii a pau o Arabia, a me na kiaaina o ka aina.
16 Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin’ ny ampinga lehibe iray.
A hana iho la o Solomona ke alii i elua haneri paleumauma gula maemae ole, eono haneri sekela gula i lilo i paleumauma hookahi.
17 Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin’ ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin’ ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ ny trano Alan’ i Libanona ireo.
Hana iho la oia i ekolu haneri palekaua gula kuiia; ekolu paona gula i lilo i palekaua hookahi, a waiho ae la ke alii ia lakou maloko o ka hale ma ka ululaau o Lebanona.
18 Ary ny mpanjaka dia nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara indrindra.
Hana iho la hoi ke alii i nohoalii niho elepani nui, a hoouhi ae la i ke gula maikai loa.
19 Nisy ambaratonga enina tamin’ ny seza fiandrianana; ary ny lohan’ ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin’ ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin’ ny fitehenan-tanana.
He mau anuunuu eono ko ka nohoalii, a poepoe ae la ke poo o ka nohoalii ma ke kua, a he mau lima ma kela aoao, ma keia aoao ma kahi e noho ai, elua hoi liona e ku ana ma na lima.
20 Ary nisy sarin-diona roa ambin’ ny folo teo an-daniny roa teo amin’ ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin’ ny fanjakana rehetra.
He umikumamalua liona i ku malaila ma kela aoao a ma keia aoao maluna o na anuunuu eono; aohe mea like me ia i hanaia ma kekahi aupuni.
21 Ary ny fisotroan’ i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin’ ny trano Alan’ i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin’ ny andron’ i Solomona.
A o ko ke alii, ko Solomona mau kiaha inu he gula no, a me na ipu o ka hale ma ka ululaau o Lebanona, he gula maemae ia; aole mea kala; ua manaoia ia he mea ole i na la o Solomona.
22 Fa ny mpanjaka nanana sambon’ i Tarsisy mbamin’ ny sambon’ i Hirama teny ambonin’ ny ranomasina; ary indray mandeha amin’ ny telo taona no nihavian’ ny sambon’ i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.
No ka mea, he mau moku no Taresisa ko ke alii ma ke kai, me na moku o Hirama; i na makahiki ekolu, hookahi ka holo ana mai o na moku no Teresisa, e lawe ana mai i ke gula, a me ke kala, a me ka niho elepani, a me na keko, a me na pikoka.
23 Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ ny tany.
A kela aku la o Solomona ke alii i na lii a pau o ka honua i ka waiwai a me ke akamai.
24 Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan’ i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon’ Andriamanitra tao am-pony.
A imi aku la ka honua a pau i ke alo o Solomona e hoolohe i kona akamai a ke A kua i hahao ai iloko o kona naau.
25 Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
Halihali mai la lakou kela kanaka keia kanaka i kona makana, na ipu kala, na ipu gula, na kapakomo, na mea kaua, na mea ala, na lio, na hoki, pela i kela makahiki keia makahiki.
26 Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin’ ireo tanàna fitoeran’ ny kalesy sy tao amin’ ny mpanjaka tany Jerosalema.
Hoakoakoa ae la o Solomona i na kaa kaua, a me na hoo hololio: hookahi tausani kaa me na haneri eha kona, a he umikumamalua tausani hoohololio, o na mea ana i hoonoho ai ma na kulanakauhale no na kaa, a me ke alii hoi ma Ierusalema.
27 Ary nataon’ ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka.
Hoolilo ae la ke alii i ke kala maloko o Ierusalema me he mau pohaku la, a hoolilo hoi oia i na laau kedera me he mau laau Sukamorea ma ke awawa i ka nui loa.
28 Ary avy any Egypta no nahazoan’ i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ ny mpandranton’ ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.
A ua kaiia mai na lio no Solomona mai Aigupita mai, a na na huakai kalepa a ke alii i lawe ma ke kumukuai.
29 Ary ny vidin’ ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an’ ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Syriana.
A ua puka mai la a holo mai ke kaa kaua no na sekela kala eono haneri, a o ka lio no ka haneri me kanalima; a pela no hoi no na lii a pau o ka Heta, a no na lii o Suria, ma ko lakou mau lima i lawe mai ai ia lakou.

< 1 Mpanjaka 10 >