< 1 Jaona 5 >

1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak’ Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.
ⲁ̅ⲞⲨⲞⲚ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲈⲐⲚⲀϨϮ ϪⲈ ⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ⲠⲬⲢⲒⲤⲦⲞⲤ ⲞⲨⲘⲒⲤⲒ ⲠⲈ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲪⲚⲞⲨϮ ⲞⲨⲞϨ ⲞⲨⲞⲚ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲈⲐⲘⲈⲒ ⲘⲪⲎ ⲈⲦⲀϤⲘⲒⲤⲒ ϤⲘⲈⲒ ⲞⲚ ⲘⲪⲎ ⲈⲦⲀⲨⲘⲀⲤϤ ⲈⲂⲞⲖ ⲚϦⲎⲦϤ
2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak’ Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an’ Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.
ⲃ̅ϦⲈⲚ ⲪⲀⲒ ⲦⲈⲚⲚⲀⲈⲘⲒ ϪⲈ ⲦⲈⲚⲈⲢⲀⲄⲀⲠⲀⲚ ⲚⲚⲒϢⲎⲢⲒ ⲚⲦⲈⲪⲚⲞⲨϮ ⲈϢⲰⲠ ⲀⲚϢⲀⲚⲘⲈⲚⲢⲈ ⲪⲚⲞⲨϮ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲦⲈⲚⲒⲢⲒ ⲚⲚⲈϤⲈⲚⲦⲞⲖⲎ
3 Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.
ⲅ̅ⲐⲀⲒ ⲄⲀⲢ ⲦⲈ ϮⲀⲄⲀⲠⲎ ⲚⲦⲈⲪⲚⲞⲨϮ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲦⲈⲚⲀⲢⲈϨ ⲈⲚⲈϤⲈⲚⲦⲞⲖⲎ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲈϤⲈⲚⲦⲞⲖⲎ ⲤⲈϨⲞⲢϢ ⲀⲚ
4 Fa izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
ⲇ̅ϪⲈ ⲞⲨⲞⲚ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲈⲦⲀⲨⲘⲀⲤϤ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲪⲚⲞⲨϮ ϢⲀϤϬⲢⲞ ⲈⲠⲒⲔⲞⲤⲘⲞⲤ ⲞⲨⲞϨ ⲪⲀⲒ ⲠⲈ ⲠⲒϬⲢⲞ ⲈⲦⲀϤϬⲢⲞ ⲈⲠⲒⲔⲞⲤⲘⲞⲤ ⲠⲈⲚⲚⲀϨϮ ⲠⲈ
5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’ Andriamanitra?
ⲉ̅ⲚⲒⲘ ⲆⲈ ⲠⲈ ⲪⲎ ⲈⲦϬⲢⲎⲞⲨⲦ ⲈⲠⲒⲔⲞⲤⲘⲞⲤ ⲈⲂⲎⲖ ⲈⲪⲎ ⲈⲐⲚⲀϨϮ ϪⲈ ⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ⲠⲈ ⲠϢⲎⲢⲒ ⲘⲪϮ
6 Izy ilay avy tamin’ ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin’ ny rano ihany, fa tamin’ ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.
ⲋ̅ⲪⲀⲒ ⲠⲈ ⲪⲎ ⲈⲦⲀϤⲒ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲈⲚ ⲞⲨⲘⲰⲞⲨ ⲚⲈⲘ ⲞⲨⲤⲚⲞϤ ⲚⲈⲘ ⲞⲨⲠⲚⲈⲨⲘⲀⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ⲠⲬⲢⲒⲤⲦⲞⲤ ϦⲈⲚⲠⲒⲘⲰⲞⲨ ⲘⲘⲀⲨⲀⲦϤ ⲀⲚ ⲀⲖⲖⲀ ⲚⲈⲘ ϦⲈⲚⲠⲒⲘⲰⲞⲨ ⲚⲈⲘ ϦⲈⲚⲠⲒⲤⲚⲞϤ ⲞⲨⲞϨ ⲠⲒⲠⲚⲈⲨⲘⲀⲠⲈⲦⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ϪⲈ ⲠⲒⲠⲚⲈⲨⲘⲀⲠⲈ ϮⲘⲈⲐⲘⲎⲒ
7 Fa misy telo izay manambara,
ⲍ̅ϪⲈ ⲞⲨⲎⲒ ⲄⲚⲈ ⲚⲎ ⲈⲦⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ
8 dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo.
ⲏ̅ⲠⲒⲠⲚⲈⲨⲘⲀⲚⲈⲘ ⲠⲒⲘⲰⲞⲨ ⲚⲈⲘ ⲠⲒⲤⲚⲞϤ ⲞⲨⲞϨ ⲠⲒⲄ ⲤⲈϦⲈⲚ ⲞⲨⲀⲒ
9 Raha mandray ny fanambaran’ ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran’ Andriamanitra; fa ny fanambaran’ Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.
ⲑ̅ⲒⲤϪⲈ ⲦⲈⲚϬⲒ ⲚϮⲘⲈⲦⲘⲈⲐⲢⲈ ⲚⲦⲈⲚⲒⲢⲰⲘⲒ ϮⲘⲈⲦⲘⲈⲐⲢⲈ ⲚⲦⲈⲪⲚⲞⲨϮ ⲞⲨⲚⲒϢϮ ⲦⲈ ⲚϨⲞⲨⲞ ϪⲈ ⲐⲀⲒ ⲦⲈ ϮⲘⲈⲦⲘⲈⲐⲢⲈ ⲚⲦⲈⲪⲚⲞⲨϮ ϪⲈ ⲀϤⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ϦⲀ ⲠⲈϤϢⲎⲢⲒ
10 Izay mino ny Zanak’ Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an’ Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran’ Andriamanitra ny Zanany izy.
ⲓ̅ⲪⲎ ⲈⲐⲚⲀϨϮ ⲈⲠϢⲎⲢⲒ ⲤϢⲞⲠ ⲚϦⲎⲦϤ ⲚϪⲈϮⲘⲈⲦⲘⲈⲐⲢⲈ ⲚⲦⲈⲪⲚⲞⲨϮ ⲪⲎ ⲈⲦⲈⲚϤⲚⲀϨϮ ⲈⲠϢⲎⲢⲒ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ⲀⲚ ⲀϤⲀⲒϤ ⲚⲤⲀⲘⲈⲐⲚⲞⲨϪ ϪⲈ ⲘⲠⲈϤⲚⲀϨϮ ⲈϮⲘⲈⲦⲘⲈⲐⲢⲈ ⲐⲎ ⲈⲦⲀϤⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ⲘⲘⲞⲤ ⲚϪⲈⲪⲚⲞⲨϮ ϦⲀ ⲠⲈϤϢⲎⲢⲒ
11 Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’ Andriamanitra antsika, ary ao amin’ ny Zanany izany fiainana izany. (aiōnios g166)
ⲓ̅ⲁ̅ⲞⲨⲞϨ ⲐⲀⲒ ⲦⲈ ϮⲘⲈⲦⲘⲈⲐⲢⲈ ϪⲈ ⲀϤϮ ⲚⲀⲚ ⲚⲞⲨⲰⲚϦ ⲚⲈⲚⲈϨ ⲚϪⲈⲪⲚⲞⲨϮ ⲞⲨⲞϨ ⲠⲀⲒⲰⲚϦ ⲀϤϦⲈⲚ ⲠⲈϤϢⲎⲢⲒ (aiōnios g166)
12 Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak’ Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
ⲓ̅ⲃ̅ⲪⲎ ⲈⲦⲈ ⲠϢⲎⲢⲒ ⲚⲦⲞⲦϤ ⲠⲰⲚϦ ⲚⲦⲞⲦϤ ⲪⲎ ⲈⲦⲈ ⲠϢⲎⲢⲒ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ⲚⲦⲞⲦϤ ⲀⲚ ⲠⲰⲚϦ ⲚⲦⲞⲦϤ ⲀⲚ
13 Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ ny Zanak’ Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo. (aiōnios g166)
ⲓ̅ⲅ̅ⲚⲀⲒ ⲀⲒⲤϦⲎⲦⲞⲨ ⲚⲰⲦⲈⲚ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲦⲈⲦⲈⲚⲈⲘⲒ ϪⲈ ⲞⲨⲞⲚ ⲚⲦⲞⲦⲈⲚ ⲘⲘⲀⲨ ⲚⲞⲨⲰⲚϦ ⲚⲈⲚⲈϨ ⲚⲎ ⲈⲐⲚⲀϨϮ ⲈⲪⲢⲀⲚ ⲘⲠⲒϢⲎⲢⲒ ⲚⲦⲈⲪϮ (aiōnios g166)
14 Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;
ⲓ̅ⲇ̅ⲞⲨⲞϨ ⲐⲀⲒ ⲦⲈ ϮⲠⲀⲢⲢⲎⲤⲒⲀ ⲈⲦⲈⲚⲦⲀⲚ ⲘⲘⲀⲨ ϨⲀⲢⲞϤ ϪⲈ ⲪⲎ ⲈⲦⲈⲚⲚⲀⲈⲢⲈⲦⲒⲚ ⲘⲘⲞϤ ⲔⲀⲦⲀ ⲠⲈϤⲞⲨⲰϢ ϢⲀϤⲤⲰⲦⲈⲘ ⲈⲢⲞⲚ
15 ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.
ⲓ̅ⲉ̅ⲞⲨⲞϨ ⲈϢⲰⲠ ⲀⲚϢⲀⲚⲚⲀⲨ ϪⲈ ϤⲤⲰⲦⲈⲘ ⲈⲢⲞⲚ ⲘⲪⲎ ⲈⲦⲈⲚⲚⲀⲈⲢⲈⲦⲒⲚ ⲘⲘⲞϤ ⲦⲈⲚⲤⲰⲞⲨⲚ ϪⲈ ⲞⲨⲞⲚⲦⲀⲚ ⲚⲚⲈⲚⲈⲦⲎⲘⲀ ⲚⲎ ⲈⲦⲈⲚⲚⲀⲈⲢⲈⲦⲒⲚ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲚⲦⲞⲦϤ
16 Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an’ izay manao ota tsy mahafaty. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin’ izany izy.
ⲓ̅ⲋ̅ⲈϢⲰⲠ ⲚⲦⲈⲞⲨⲀⲒ ⲚⲀⲨ ⲈⲠⲈϤⲤⲞⲚ ⲈϤⲈⲢⲚⲞⲂⲒ ⲚⲞⲨⲚⲞⲂⲒ ⲈⲪⲘⲞⲨ ⲀⲚ ⲠⲈ ⲘⲀⲢⲈϤⲈⲢⲈⲦⲒⲚ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲨⲈϮ ⲚⲀϤ ⲚⲞⲨⲰⲚϦ ⲚⲎ ⲈⲦⲈⲢⲚⲞⲂⲒ ⲘⲪⲀ ⲪⲘⲞⲨ ⲀⲚ ⲠⲈ ⲞⲨⲞⲚ ⲚⲞⲂⲒ ⲈϤϬⲒ ⲈⲪⲘⲞⲨ ⲚⲀⲒϪⲈⲢⲈ ⲪⲎ ⲈⲦⲈⲘⲘⲀⲨ ⲀⲚ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲦⲈϤⲦⲰⲂϨ ⲈⲐⲂⲎⲦϤ
17 Ota avokoa ny tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafaty.
ⲓ̅ⲍ̅ϬⲒⲚϪⲞⲚⲤ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲠⲈ ⲞⲨⲞϨ ⲞⲨⲞⲚ ⲚⲞⲂⲒ ⲈϤϬⲒ ⲈⲪⲘⲞⲨ ⲀⲚ
18 Fantatsika fa izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak’ Andriamanitra, dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy.
ⲓ̅ⲏ̅ⲦⲈⲚⲈⲘⲒ ϪⲈ ⲞⲨⲞⲚ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲈⲦⲀⲨⲘⲀⲤϤ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲪⲚⲞⲨϮ ⲘⲠⲀϤⲈⲢⲚⲞⲂⲒ ⲀⲖⲖⲀ ⲠⲒⲘⲒⲤⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ϢⲀϤⲀⲢⲈϨ ⲞⲨⲞϨ ⲘⲠⲀⲢⲈ ⲠⲒⲠⲞⲚⲎ ⲢⲞⲤ ϬⲒ ⲚⲈⲘⲀϤ
19 Fantatsika fa avy amin’ Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ ilay ratsy avokoa.
ⲓ̅ⲑ̅ⲦⲈⲚⲤⲰⲞⲨⲚ ⲆⲈ ϪⲈ ⲀⲚⲞⲚ ϨⲀⲚⲈⲂⲞⲖ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ⲞⲨⲞϨ ⲠⲒⲔⲞⲤⲘⲞⲤ ⲦⲎⲢϤ ⲀϤⲬⲎ ϦⲀ ⲠⲒⲠⲈⲦϨⲰⲞⲨ
20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’ Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin’ ilay marina, dia ao amin’ i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
ⲕ̅ⲦⲈⲚⲤⲞⲨⲰⲚ ⲆⲈ ϪⲈ ⲀϤⲒ ⲚϪⲈⲠϢⲎⲢⲒ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ⲞⲨⲞϨ ⲀϤϮ ⲚⲀⲚ ⲚⲞⲨⲈⲘⲒ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲦⲈⲚⲤⲞⲨⲈⲚ ⲠⲒⲀⲖⲎⲐⲒⲚⲞⲤ ⲚⲚⲞⲨϮ ⲞⲨⲞϨ ⲦⲈⲚϢⲞⲠ ϦⲈⲚⲠⲈϤϢⲎⲢⲒ ⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ⲠⲬⲢⲒⲤⲦⲞⲤ ⲪⲀⲒ ⲠⲈ ⲠⲒⲀⲖⲎⲐⲒⲚⲞⲤ ⲚⲚⲞⲨϮ ⲚⲈⲘ ⲠⲒⲰⲚϦ ⲚⲈⲚⲈϨ (aiōnios g166)
21 Anaka, arovy ny tenanareo amin’ ny sampy.
ⲕ̅ⲁ̅ⲚⲀϢⲎⲢⲒ ⲀⲢⲈϨ ⲈⲢⲰⲦⲈⲚ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲀ ⲚⲒⲒⲆⲰⲖⲞⲚ.

< 1 Jaona 5 >