< 1 Jaona 4 >
1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao.
Ry rañetse, ko fonga iantofañe ze atao fañahy, fe mitsohà arofo, ke boak’ aman’ Añahare, amy te maro ty mpitoky vìlañe miboele ami’ty voatse toy.
2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’ Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’ Andriamanitra;
Inao ty aharendreha’ areo i Arofon’ Añaharey: ze troke miantoke te nitotsak’ ami’ty nofotse t’Iesoà Norizañe ro aman’ Añahare;
3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’ i Jesosy dia tsy mba avy amin’ Andriamanitra; ary izany no fanahin’ ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’ izao tontolo izao sahady izy.
fe tsy aman’ Añahare ze troke tsy miantoke te niboak’ an-tsandriñe t’Iesoà, ie ro amy mesia-vìlañey, i jinanji’ areo te ho aviy, vaho fa ami’ty voatse toy henaneo.
4 Anaka, ianareo dia avy amin’ Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’ izao tontolo izao.
Boak’ aman’ Añahare nahareo ry keleiako, le fa nahagioke; amy te jabajaba i ama’ areoy ta ty ami’ty voatse toy.
5 Isan’ izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’ izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.
Mpiami’ ty voatse toy iereo, naho manao ty reha’ ty voatse toy, vaho itsanoña’ ty voatse toy.
6 Avy amin’ Andriamanitra izahay; izay mahalala an’ Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin’ Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ ny fahamarinana sy ny fanahin’ ny fampiviliana.
Boak’ aman’ Añahare tika. Mijanjiñe antikañe ze mahafohiñe an’ Andrianañahare; tsy mijanjiñe antika ze tsy mpiaman’ Añahare. Inay ty aharendrehan-tika ty Arofon-katò naho i fañahin-dilatsey.
7 Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’ Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak’ Andriamanitra sady mahalala an’ Andriamanitra.
Ry rañetse, antao hifampikoko, fa boak’ aman’ Añahare ty koko. Ndra ia ia mikoko, le nampiareñen’ Añahare vaho mahafohiñe an’ Andrianañahare.
8 Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’ Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.
Ndra ia ia tsy mikoko, le tsy mahafohiñe an’Andrianañahare, amy te fikokoañe t’i Andrianañahare.
9 Izao no nanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’ izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ ny alalany.
Inao ty mampidodea ty fikokoan’ Añahare aman-tika: toe nirahen’ Añahare mb’ami’ty voatse toy i bako-toka’ey hiveloman-tika.
10 Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’ Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra’ noho ny fahotantsika.
Inao o fikokoañeo: tsy te itika ro nikoko an’Andrianañahare fa Ie hey ro nikoko an-tika vaho nañitrike i Ana’ey hañefetse o hakeon-tikañeo.
11 Ry malala, raha izany no nitiavan’ Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
Ry rañetseo, kanao izay ty nikokoan’ Añahare antika, ehe te hifampikoko ka.
12 Tsy mbola nisy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.
Leo raike tsy nahaisak’ an’ Andrianañahare ndra mbia’ mbia, f’ie mifampikoko le mimoneñe aman-tikañ’ ao t’i Andrianañahare, naho fonireñe aman-tikañ’ i fikokoa’ey.
13 Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
Inao ty aharendrehan-tika te mimoneñe ama’e, naho ie amantika, le t’ie nandiva i Arofo’ey aman-tikañe.
14 Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.
Fa niisa’ay naho mitaroñe te nahitrin-dRae i Ana’ey, Mpandrombake ty voatse toy.
15 Na iza na iza manaiky fa Zanak’ Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’ Andriamanitra.
Ze mitaroñe Iesoà t’ie Anan’ Añahare, le mimoneñe ama’e ao t’i Andrianañahare naho aman’ Añahare ao re.
16 Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
Fa fohintika naho atokisañe ty fikokoan’ Añahare an-tika. Fikokoañe t’i Andrianañahare, naho mimoneñe aman’ Añahare ao ze mimoneñe am-pikokoañe ao, vaho ama’e ao t’i Andrianañahare.
17 Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin’ ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin’ izao tontolo izao.
Inao ty mahaañoñe o fikokoan-tikañeo, hahafirearean-tika amy andron-jakay, t’ie mihambañe ama’e an-tane atoy.
18 Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ ny fitiavana.
Tsy aman-kebahebake ty hatea, le mandroake anifañe ty koko ki’e, fe mioza lovelove ty hemba; mbe tsy fonitse koko ty marimarike.
19 Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.
Mikoko tika, amy te Ie hey ro nikoko an-tikañe.
20 Raha misy manao hoe: Tia an’ Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’ Andriamanitra Izay tsy hitany?
Naho eo ty manao: Kokoako t’i Andrianañahare, f’ie malain-dongo, ro mpandañitse; amy te aia ty hahafikokoa’e an’Andrianañahare tsy isa’e naho tsy kokoa’e hey ty longo’e trea.
21 Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’ Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.
Inao ty nandilia’e an-tika: Tsy mete tsy mikoko longo ty mikoko an’Andrianañahare.