< 1 Jaona 4 >

1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao.
Alowa, leki ku huiili kila nkolo, kuiti igemi inkolo mihenge anga ize ipembenkanilye ni Itunda, ku nsoko anya kidagu idu nia uteele apembeeye mu ingu.
2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’ Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’ Andriamanitra;
Ku ili muku mulinga uNg'wau Ng'welu nuang'wa Itunda - kila Nkolo ni ikalapa kina uYesu Kristo uzile mu muili ingi ang'wa Itunda,
3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’ i Jesosy dia tsy mba avy amin’ Andriamanitra; ary izany no fanahin’ ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’ izao tontolo izao sahady izy.
hangi kila nkolo ni shanga ilapaa kung'wa Yesu shanga ang'wa Itunda. Iyi ingi nkolo a mukingila Kristo, naiiza mumigulye kina ipembilye, ni itungili yakondaa kutula ikoli mi ihi.
4 Anaka, ianareo dia avy amin’ Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’ izao tontolo izao.
Unyenye ingi miang'wa Itunda, ana alowa, hangi makondyaa kuakilya kunsoko ung'wenso nukoli mukati anyu ingi mukulu kukila ung'wenso nukoli mu unkumbigulu.
5 Isan’ izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’ izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.
Ni anso ingi a unkumbigulu, ku lulo niakukiligitya ingi ka unkumbigulu, nu unkumbigulu wiategeelya.
6 Avy amin’ Andriamanitra izahay; izay mahalala an’ Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin’ Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ ny fahamarinana sy ny fanahin’ ny fampiviliana.
Usese ingi kiang'wa Itunda, uNg'wenso numulingile Itunda wikutegeelya usese, uNg'wenso ni shanga wang'wa Itunda shanga wikutegeelya. Mu ili kilingaa i nkolo a tai ni nkolo a uteele.
7 Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’ Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak’ Andriamanitra sady mahalala an’ Andriamanitra.
Alowa, kilowe sese ku sese, ku iti u ulowa ingi wang'wa Itunda, ni kila ung'wi nuilowaa utugilwe ni Itunda nu kumulinga Itunda.
8 Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’ Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.
uNg'wenso nishanga wilowaa shanga umulingile Itunda, kunsoko Itunda ingi Ulowa.
9 Izao no nanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’ izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ ny alalany.
Mu ili ulowa nuang'wa Itundaai ukunukuwe mukati itu, kina Itunda ai umulagiite ung'wana nuakwe nuing'wene mu unkumbigulu iti kikie kukiila Ng'wenso.
10 Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’ Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra’ noho ny fahotantsika.
Mu ulowa uwu, shanga kina ai kumuloilwe Itunda, kuiti ng'wenso ai ukuloilwe, nu kumulagiilya u ng'wana nuakwe watule usukiilya nua milandu itu.
11 Ry malala, raha izany no nitiavan’ Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
Alowa, anga ize Itunda ai ukuloilwe usese, ku u kutakiwe kilowa sese ku sese.
12 Tsy mbola nisy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.
Kutili ga nung'wi nai umihengile Itunda, Anga kilowe sese ku sese, Itunda wikiie mukati itu nu ulowa nuakwe wikondaniiligwa mukati itu.
13 Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
Mu ili kulingile kina kikiie mukati akwe nu ng'wenso mukati itu, kunsoko ukinkiiye uNg'wau Ng'welu nuakwe.
14 Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.
Hangi kihengaa nu kukuila kina uTata umulagiiye uNg'wana kutula muguni nua unkumbigulu.
15 Na iza na iza manaiky fa Zanak’ Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’ Andriamanitra.
Kila nuilapaa kina uYesu ingi ng'wana wang'wa Itunda, Itunda wikiie mukati akwe nu ng'wenso mukati ang'wa Itunda.
16 Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
Hangi kulingile nu ku uhuiila u ulowa nu ukete Itunda mukati itu. Itunda ingi ulowa, nu ng'wenso wikiie mukati a ulowa nu kikiie mukati ang'wa Itunda, nu Itunda wikiie mukati akwe.
17 Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin’ ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin’ izao tontolo izao.
Mu ulowa uwu wakondaniiligwa mu kati itu, iti kutule nu ugimya luhiku nula ulamulwa, kunsoko anga ung'wenso nuili, nu sese uu kili mu unkumbigulu uwu.
18 Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ ny fitiavana.
Kutili u woa mukati a ulowa. Kuiti u ulowa nu ukondile wiuguma uwoa kunzi, ku nsoko u woa wikigendi nu ulamulwa. Kuiti ung'wenso nuitumbaa shanga ukondaniigwe mu ulowa.
19 Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.
Kilowa kunsoko Itunda ai ukuloilwe hanza.
20 Raha misy manao hoe: Tia an’ Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’ Andriamanitra Izay tsy hitany?
Anga ize ung'wi wikaligitya, “Numuloilwe Itunda” kuiti umubipiwe u muluna nuakwe, ingi muteele. Kunsoko ni shanga umuloilwe u muluna nuakwe, nuimihengaa, shanga ujumile kumulowa Itunda ni shanga wimihenga.
21 Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’ Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.
Hangi ili lilo ilagiilyo ni kulikete kupuma kitalakwe: Wihi muimulowa Itunda, utakiwe kumulowa ga nu muluna nuakwe.

< 1 Jaona 4 >