< 1 Jaona 3 >

1 Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy.
Vone, mufutanzi we ilato Ishetu lya vahi kwetu, kuti tu sumpwe vana va Ireza, mi nji chona chi tuli. Cheli vaka, i nkanda ka itwizi, kakuti kana iva mwizi.
2 Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’ Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.
Vasakiwa, hanu cheli tu vana va Ireza, mi kakwini ku patululwa chese ni tuve kacho. Twizi kuti Kirisite cha voneka, katuve sina iye, kakuti ka tu muvone sina uvu mwe kalile.
3 Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
Yense wina iyi insepo kuya cha vuhalo vwa ku vusu vu lolete hali u lishanza mwine sina mwe kalile ku jololola.
4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
Yense yo zwila havusu u chita chisena mulao, kakuti chivi ku vula mulao.
5 Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy.
Mwizi kuti Kirisite ava patululwa ku pangila ku zwisa zivi. Mi mwali ka mwina chivi, ka kakwina yo shala mwali yo zwila havusu ni chivi.
6 Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.
Ka kwina yo zwila havusu muchivi ya va muvoni kapa ku mwi ziva.
7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.
Vana vasakiwa, kanzi mu siyi yense ku mi zwisa mu nzila. Iye yo panga zilukite u lukite, sina uvu Kirisite ha lukite.
8 Izay manota dia avy amin’ ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ ny voalohany. Izao no nisehoan’ ny Zanak’ Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ ny devoly.
Iye yo panga chivi uzwa kwa javulusi, kakuti javulusi ava fosi ku zwa ku matangilo. Cheli vaka Mwana wa Ireza ava patululwa, kuti za sinyenge misevezi ya javulusi.
9 Izay rehetra naterak’ Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak’ Andriamanitra.
Yense ya va zalwa kwa Ireza katendi chivi kakuti lutanga lwa Ireza lushala mwali. Kawoli ku zwila havusi na chita chivi kakuti uzelwe cha Ireza.
10 Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’ Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’ Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.
Mwe chi vana va Ireza ni vana va javulusi va patululwile. Yense ya sa pangi chi lukite ka zwi kwa Ireza; kapa njozo ya sa saki mwakwe.
11 Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika, ―
Ili njeli iñusa li muvazuwi ku matangilo: kuti tulisakane tuvonse.
12 tsy mba tahaka an’ i Kaina, izay avy tamin’ ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an’ ny rahalahiny.
Isiñi uvu Kaine, ya vali kuzwa ku muvilala ni kwi haya mwa nchakwe. Mi chinzi ha va mwi hai? Kakuti misevezi ya kwe ivali mivilala, mi ya mwakwe iva lukite.
13 Aza gaga, ry rahalahy, raha halan’ izao tontolo izao ianareo.
Kanzi mu komokiswa, va kwetu, haiva inkanda imi toya.
14 Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ ny fahafatesana ihany.
Twizi kuti tu va hitilili ku zwa mwifu ku ya mukuhala, kakuti tusaka vakwetu. Yense ya suni ushala mwifu.
15 Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. (aiōnios g166)
Yense yo toyete mwakwe chi hayi. Mi mwizi kuti uvu vuhalo vusa mani ka vushali mu chihayi. (aiōnios g166)
16 Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.
Kache chi mwizi kuti ilato, kakuti Kirisite ava la ziki vuhalo bwakwe hansi chetu. Na swe tuswanela ku lazika vuhalo vwetu cha va mwetu.
17 Ary izay rehetra manam-pananana amin’ izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ ny fitiavana an’ Andriamanitra ao anatiny?
Kono yense yokwete zintu ze nkanda, na vona mwakwe yo vulite mi wi yala inkulo yense ku zwa kwali, linu ilato lye Ireza ka lishale vule mwali?
18 Anaka, aoka tsy ho tia amin’ ny teny na amin’ ny lela isika, fa amin’ ny asa sy amin’ ny marina.
Vana vangu va sakahala, kanzi tu saki mwi inzwi kapa mu lulimi, kono mu zimpangaliko ni initi.
19 Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany,
Nji ka chezi twizi kuti tuzwa ku niti, mi tulizuwi vuvi inkulo zetu ha li.
20 na amin’ inona na amin’ inona no anamelohan’ ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
Mi haiva inkulo zetu zi tunyansa, Ireza mukando ku hita inkulo zetu, mi wizi zintu zonse.
21 Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan’ Andriamanitra isika.
Vasakiwa, haiva inkulo zetu ka zi tunyansi, twina insempo kwa Ireza.
22 Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
Zonse zitu kumbila katuzi tambule kuzwa kwali, kakuti tu vika milao ya kwe mi tupanga zintu zi kondwa hali.
23 Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran’ i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.
Uwu nji mulao wakwe: kuti tu zumine mwi zina lya Mwana Jesu Kirisite, mi ni kulisaka mu vonse, sina mwa vatuheli uwu mulao.
24 Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.
Iye uzo yo vika milao ya Ireza ushala mwali, mi Ireza ushala mwali. Che chi twizi kuti ushala mwetu, cha Luhuho lu vahewa kwetu.

< 1 Jaona 3 >