< 1 Jaona 2 >
1 Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina;
Vana vangu vadiki, zvinhu izvi ndinokunyorerai, kuti musatadza. Uye kana umwe achitadza, tine Murevereri kuna Baba, Jesu Kristu wakarurama;
2 ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’ izao tontolo izao koa.
uye iye muripo wekuyananisa wezvivi zvedu; kwete wezvedu chetewo, asiwo wezvenyika yese.
3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.
Uye mune izvi tinoziva kuti tinomuziva, kana tichichengeta mirairo yake.
4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.
Uyo anoti: Ndinomuziva, asi asingachengeti mirairo yake, murevi wenhema, nemaari chokwadi hachimo;
5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’ Andriamanitra izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika.
asi ani nani anochengeta shoko rake, zvirokwazvo rudo rwaMwari rwakaperedzerwa maari. Naizvozvi tinoziva kuti tiri maari.
6 Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.
Uyo anoti anogara maari iye anofanirawo kufamba saizvozvo sezvaakafamba iyewo.
7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin’ ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo.
Hama, handinyori murairo mutsva kwamuri, asi murairo mutsaru, wamakange munawo kubva pakutanga; murairo mutsaru ishoko ramakanzwa kubva pakutanga.
8 Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny.
Ndinopamha kukunyorerai murairo mutsva, chiri chinhu chechokwadi maari nemamuri; nokuti rima rinopfuura, zvino chiedza chechokwadi chadovhenekera.
9 Izay milaza fa ao amin’ ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ ny maizina ihany.
Uyo anoti ari muchiedza, achivengawo hama yake, ari murima kusvikira zvino.
10 Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy.
Uyo anoda hama yake anogara muchiedza, uye hapana chigumbuso maari.
11 Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ ny maizina ary mandeha ao amin’ ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.
Asi uyo anovenga hama yake ari murima, uye anofamba murima, haaziviwo kwaanoenda, nokuti rima rakapofumadza meso ake.
12 Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.
Ndinonyorera imwi, vana vadiki, nokuti zvivi makazvikanganwirwa nekuda kwezita rake.
13 Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin’ ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo.
Ndinonyorera imwi, madzibaba, nokuti makamuziva uripo kubva pakutanga. Ndinonyorera imwi, vadiki, nokuti makakunda wakaipa. Ndinonyorera imwi, vanana, nokuti makaziva Baba.
14 Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’ Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
Ndanyorera imwi, madzibaba, nokuti makamuziva iye wakange aripo kubva pakutanga. Ndanyora kwamuri, vadiki, nokuti makasimba, uye shoko raMwari rinogara mamuri uye makakunda wakaipa.
15 Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’ izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
Musada nyika, kana zvinhu zviri munyika. Kana umwe achida nyika, rudo rwaBaba harwusi maari.
16 Fa ny zavatra rehetra eo amin’ izao tontolo izao, dia ny filan’ ny nofo sy ny filan’ ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ ny Ray, fa avy amin’ izao tontolo izao ihany.
Nokuti zvese zviri munyika, kuchiva kwenyama, nekuchiva kwameso, nekuzvikudza kweupenyu, hazvibvi kuna Baba, asi zvinobva panyika.
17 Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra no maharitra mandrakizay. (aiōn )
Uye nyika inopfuura, nekuchiva kwayo; asi anoita kuda kwaMwari anogara kusvika rinhi narinhi. (aiōn )
18 Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
Vana vadiki, inguva yekupedzisira; uye sezvamakanzwa kuti mupikisi waKristu anouya, naikozvino vazhinji vava vapikisi vaKristu; ndizvo zvinotizivisa kuti yava nguva yekupedzisira.
19 Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.
Vakabuda kwatiri, asi vakange vasiri vanobva kwedu, nokuti dai vaibva kwedu, vangadai vaigara nesu; asi vakabuda kuti varatidzwe kuti havasi vese vanobva kwedu.
20 Fa ianareo kosa manana hosotra avy amin’ ilay Masìna ka mahalala ny zavatra rehetra.
Asi imwi mune kuzodzwa kunobva kune Mutsvene, uye munoziva zvinhu zvese.
21 Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin’ ny marina.
Handina kukunyorerai nokuti hamuzivi chokwadi, asi nokuti munochiziva, uye nokuti hakutongorina nhema dzingabva pachokwadi.
22 Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’ i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.
Ndiani murevi wenhema, kunze kwaiye anoramba kuti Jesu ndiKristu? Iye mupikisi waKristu, anoramba Baba neMwanakomana.
23 Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.
Ani nani anoramba Mwanakomana haanawo Baba; anobvuma Mwanakomana ana Babawo.
24 Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin’ ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin’ ny voalohany, dia hitoetra ao amin’ ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.
Zvino imwi zvamakanzwa kubva pakutanga ngazvigare mamuri. Kana zvamakanzwa kubva pakutanga zvichigara mamuri, imwiwo muchagara muMwanakomana nemuna Baba.
25 Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay. (aiōnios )
Uye ichi ndicho chivimbiso chaakativimbisa iye, upenyu husingaperi. (aiōnios )
26 Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin’ ny mamitaka anareo.
Zvinhu izvi ndakakunyorerai pamusoro pevanokutsausai.
27 Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’ olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
Asi imwi kuzodzwa kwamakagamuchira kwaari kunogara mamuri, uye hamutsvaki kuti umwe akudzidzisei; asi kuzodzwa ikoku sezvakunokudzidzisai pamusoro pezvinhu zvese, uye kuri chokwadi, dzisati dziri nhema, uye sezvakwakakudzidzisai, muchagara maari.
28 Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin’ ny fihaviany.
Uye ikozvino, vana vadiki, garai maari, kuti kana achizoonekwa, tive nechivimbo, tiregewo kunyadziswa naye pakuuya kwake.
29 Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.
Kana muchiziva kuti wakarurama, munoziva kuti umwe neumwe anoita zvakarurama wakaberekwa naye.