< 1 Jaona 2 >

1 Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina;
Meus filhinhos, escrevo-lhes estas coisas para que vocês não pequem. Se alguém pecar, temos um Conselheiro com o Pai, Jesus Cristo, o justo.
2 ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’ izao tontolo izao koa.
E ele é o sacrifício expiatório por nossos pecados, e não somente pelos nossos, mas também pelo mundo inteiro.
3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.
É assim que sabemos que o conhecemos: se guardarmos seus mandamentos.
4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.
Aquele que diz: “Eu o conheço”, e não cumpre seus mandamentos, é um mentiroso, e a verdade não está nele.
5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’ Andriamanitra izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika.
Mas o amor de Deus certamente foi aperfeiçoado em quem cumpre sua palavra. É assim que sabemos que estamos nele:
6 Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.
aquele que diz que permanece nele também deve caminhar como ele caminhou.
7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin’ ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo.
Brothers, não escrevo nenhum novo mandamento para você, mas um mandamento antigo que você tinha desde o início. O mandamento antigo é a palavra que você ouviu desde o início.
8 Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny.
Novamente, escrevo-vos um novo mandamento, que é verdadeiro nele e em vós, porque as trevas estão passando e a verdadeira luz já brilha.
9 Izay milaza fa ao amin’ ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ ny maizina ihany.
Aquele que diz estar na luz e odeia seu irmão está na escuridão até agora.
10 Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy.
Aquele que ama seu irmão permanece na luz, e não há ocasião para tropeçar nele.
11 Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ ny maizina ary mandeha ao amin’ ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.
Mas aquele que odeia seu irmão está na escuridão e caminha na escuridão, e não sabe para onde vai, porque a escuridão cegou seus olhos.
12 Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.
Escrevo para vocês, filhinhos, porque seus pecados são perdoados por causa do nome dele.
13 Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin’ ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo.
Escrevo a vocês, pais, porque vocês conhecem aquele que é desde o início. Escrevo a vocês, jovens, porque vocês superaram o maligno. Eu vos escrevo, filhinhos, porque vocês conhecem o Pai.
14 Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’ Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
Escrevi a vocês, pais, porque conhecem aquele que é desde o início. Eu vos escrevi, jovens, porque sois fortes, e a palavra de Deus permanece em vós, e haveis vencido o maligno.
15 Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’ izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
Não ame o mundo ou as coisas que estão no mundo. Se alguém ama o mundo, o amor do Pai não está nele.
16 Fa ny zavatra rehetra eo amin’ izao tontolo izao, dia ny filan’ ny nofo sy ny filan’ ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ ny Ray, fa avy amin’ izao tontolo izao ihany.
Pois tudo o que está no mundo - a luxúria da carne, a luxúria dos olhos e o orgulho da vida - não é do Pai, mas do mundo.
17 Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra no maharitra mandrakizay. (aiōn g165)
O mundo está passando com suas luxúrias, mas aquele que faz a vontade de Deus permanece para sempre. (aiōn g165)
18 Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
Little crianças, estes são os tempos do fim, e como vocês ouviram que o Anticristo está chegando, mesmo agora muitos anticristos surgiram. Por isso sabemos que é a hora final.
19 Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.
Eles saíram de nós, mas não nos pertenciam; pois se tivessem pertencido a nós, eles teriam continuado conosco. Mas eles partiram, para que se pudesse revelar que nenhum deles nos pertence.
20 Fa ianareo kosa manana hosotra avy amin’ ilay Masìna ka mahalala ny zavatra rehetra.
Vocês têm uma unção do Santo, e todos vocês têm conhecimento.
21 Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin’ ny marina.
Não lhes escrevi porque não sabem a verdade, mas porque a conhecem, e porque nenhuma mentira é da verdade.
22 Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’ i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.
Quem é o mentiroso, senão aquele que nega que Jesus é o Cristo? Este é o Anticristo, aquele que nega o Pai e o Filho.
23 Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.
Quem nega que o Filho não tem o Pai. Aquele que confessa que o Filho tem o Pai também.
24 Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin’ ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin’ ny voalohany, dia hitoetra ao amin’ ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.
Therefore, quanto a você, deixe que isso permaneça em você, o que você ouviu desde o início. Se aquilo que ouviram desde o início permanece em vocês, vocês também permanecerão no Filho, e no Pai.
25 Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
Esta é a promessa que ele nos fez, a vida eterna. (aiōnios g166)
26 Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin’ ny mamitaka anareo.
Estas coisas que lhe escrevi a respeito daqueles que o levariam a se desencaminhar.
27 Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’ olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
Quanto a você, a unção que recebeu dele permanece em você, e você não precisa que ninguém lhe ensine. Mas como a unção dele te ensina sobre todas as coisas, e é verdadeira, e não é mentira, e mesmo como te ensinou, tu permanecerás nele.
28 Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin’ ny fihaviany.
Agora, filhinhos, permaneçam nele, para que quando ele aparecer, possamos ter ousadia e não nos envergonharmos diante dele em sua vinda.
29 Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.
Se vocês sabem que ele é justo, sabem que todos os que praticam a retidão nasceram dele.

< 1 Jaona 2 >