< 1 Korintiana 6 >

1 Misy aminareo va, raha manana ady amin’ ny namany, sahy handeha hotsarain’ ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ ny olona masìna?
Smí někdo z vás, maje při s druhým, souditi se před nepravými, a ne před svatými?
2 Sa tsy fantatrareo fa ny olona masìna dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo?
Nevíte-liž, že svatí svět souditi budou? I poněvadž od vás souzen býti má svět, kterakž nehodni jste těch nejmenších věcí rozsuzovati?
3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.
Zdaliž nevíte, že anděly souditi budeme? Co pak tyto časné věci?
4 Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon’ ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?
Protož když byste měli míti soud o tyto časné věci, těmi, kteříž nejzadnější jsou v církvi, soud osaďte.
5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ ny rahalahiny?
K zahanbeníť vašemu to pravím. Tak-liž není mezi vámi moudrého ani jednoho, kterýž by mohl rozsouditi mezi bratřími svými?
6 Fa ny rahalahy mandeha hiady amin’ ny rahalahiny, na dia hotsarain’ ny tsy mino aza.
Ale bratr s bratrem soudí se, a to před nevěřícími?
7 Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo?
Již tedy konečně nedostatek mezi vámi jest, že soudy máte mezi sebou. Proč raději křivdy netrpíte? Proč raději škody nebéřete?
8 Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.
Nýbrž vy křivdu činíte, a k škodě přivodíte, a to bratří své.
9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’ olona sy ny sodomita
Zdaliž nevíte, že nespravedliví dědictví království Božího nedosáhnou? Nemylte se, ani smilníci, ani modláři, ani cizoložníci, ani měkcí, ani samcoložníci,
10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra.
Ani zloději, ani lakomci, ani opilci, ani zlolejci, ani dráči dědictví království Božího nedůjdou.
11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitsika.
A takoví jste někteří byli, ale obmyti jste, ale posvěceni jste, ale ospravedlněni jste ve jménu Pána Jezukrista a skrze Ducha Boha našeho.
12 Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
Všecko mi sluší, ale ne všecko prospívá; všecko mi sluší, ale jáť žádné z těch věcí v moc nebudu podmaněn.
13 Ny hanina dia ho an’ ny kibo, ary ny kibo ho an’ ny hanina; nefa samy holevonin’ Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ ny fijangajangana, fa ho an’ ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ ny tena.
Pokrmové břichu, a břicho pokrmům; Bůh pak i břicho i pokrmy zkazí. Ale tělo ne smilstvu, ale Pánu, a Pán tělu.
14 Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ ny heriny.
Bůh pak i Pána vzkřísil, i nás také vzkřísí mocí svou.
15 Tsy fantatrareo va fa momba ny tena’ i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan’ i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan’ ny vehivavy janga? Sanatria izany!
Nevíte-liž, že těla vaše jsou oudové Kristovi? Což tedy vezma oudy Kristovy, učiním je oudy nevěstky? Odstup to.
16 Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa.
Zdaliž nevíte, že kdož se připojuje k nevěstce, jedno tělo jest s ní? Nebo dí: Budou dva jedno tělo.
17 Fa izay miray amin’ ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.
Ten pak, kdož se připojuje Pánu, jeden duch jest s ním.
18 Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ ny olona dia eny ivelan’ ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ ny tenany.
Utíkejte smilstva. Všeliký hřích, kterýžkoli učinil by člověk, kromě těla jest, ale kdož smilní, ten proti svému vlastnímu tělu hřeší.
19 Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ ny Fanahy Masìna, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra? ka tsy tompon’ ny tenanareo ianareo.
Zdaliž nevíte, že tělo vaše jest chrám Ducha svatého v vás? Kteréhož máte od Boha, a nejste sami svoji.
20 Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’ Andriamanitra amin’ ny tenanareo.
Nebo koupeni jste za mzdu. Oslavujtež tedy Boha tělem svým i duchem svým, kteréžto věci Boží jsou.

< 1 Korintiana 6 >