< 1 Korintiana 5 >

1 Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.
ολως ακουεται εν υμιν πορνεια και τοιαυτη πορνεια ητις ουδε εν τοις εθνεσιν ωστε γυναικα τινα του πατρος εχειν
2 Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany?
και υμεις πεφυσιωμενοι εστε και ουχι μαλλον επενθησατε ινα αρθη εκ μεσου υμων ο το εργον τουτο πραξας
3 Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an’ ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho:
εγω μεν γαρ απων τω σωματι παρων δε τω πνευματι ηδη κεκρικα ως παρων τον ουτως τουτο κατεργασαμενον
4 amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompontsika ― rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban’ ny herin’ i Jesosy Tompontsika ―
εν τω ονοματι του κυριου [ημων] ιησου συναχθεντων υμων και του εμου πνευματος συν τη δυναμει του κυριου ημων ιησου
5 hanolotra izany anankiray izany ho an’ i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin’ ny andron’ i Jesosy Tompo.
παραδουναι τον τοιουτον τω σατανα εις ολεθρον της σαρκος ινα το πνευμα σωθη εν τη ημερα του κυριου
6 Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra?
ου καλον το καυχημα υμων ουκ οιδατε οτι μικρα ζυμη ολον το φυραμα ζυμοι
7 Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
εκκαθαρατε την παλαιαν ζυμην ινα ητε νεον φυραμα καθως εστε αζυμοι και γαρ το πασχα ημων ετυθη χριστος
8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ ny masirasira ela, na amin’ ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
ωστε εορταζωμεν μη εν ζυμη παλαια μηδε εν ζυμη κακιας και πονηριας αλλ εν αζυμοις ειλικρινειας και αληθειας
9 Nanoratra taminareo teo amin’ ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin’ izay mpijangajanga;
εγραψα υμιν εν τη επιστολη μη συναναμιγνυσθαι πορνοις
10 nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’ izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’ izao tontolo izao ianareo.
ου παντως τοις πορνοις του κοσμου τουτου η τοις πλεονεκταις και αρπαξιν η ειδωλολατραις επει ωφειλετε αρα εκ του κοσμου εξελθειν
11 Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ ny toy izany ianareo.
νυν δε εγραψα υμιν μη συναναμιγνυσθαι εαν τις αδελφος ονομαζομενος η πορνος η πλεονεκτης η ειδωλολατρης η λοιδορος η μεθυσος η αρπαξ τω τοιουτω μηδε συνεσθιειν
12 Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo?
τι γαρ μοι τους εξω κρινειν ουχι τους εσω υμεις κρινετε
13 Fa ny any ivelany dia tsarain’ Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.
τους δε εξω ο θεος κρινει εξαρατε τον πονηρον εξ υμων αυτων

< 1 Korintiana 5 >