< 1 Korintiana 16 >

1 Ary ny amin’ ny famoriam-bola ho an’ ny olona masìna, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon’ ny fiangonana any Galatia.
О милостыни же, яже ко святым, якоже устроих церквам Галатийским, тако и вы сотворяйте:
2 Amin’ ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’ inona na amin’ inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.
по единей от суббот кийждо вас да полагает у себе сохраняя, еже аще что благопоспешится, да не егда прииду, тогда собрания бывают.
3 Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.
Егда же прииду, ихже аще искусите, с посланьми сих послю отнести благодать вашу во Иерусалим.
4 Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.
Аще же достойно будет и мне ити, со мною пойдут.
5 Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an’ i Makedonia ― fa hamaky an’ i Makedonia aho ―
Прииду же к вам, егда Македонию преиду: Македонию бо прохожду.
6 ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin’ izay halehako.
У вас же, аще случится мне, пребуду, или и озимею, да вы мя проводите, аможе аще поиду.
7 Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon’ ny Tompo.
Не хощу бо вас ныне в мимохождении видети: уповаю же время некое пребыти у вас, аще Господь повелит.
8 Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin’ ny Pentekosta;
Пребуду же во Ефесе до Пентикостии:
9 fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.
дверь бо ми отверзеся велика и поспешна, и сопротивнии мнози.
10 Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan’ ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.
Аще же приидет Тимофей, блюдите, да без страха будет у вас: дело бо Господне делает, якоже и аз:
11 Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin’ ny rahalahy sasany aho.
да никтоже убо его уничижит: проводите же его с миром, да приидет ко мне, жду бо его с братиею.
12 Ary ny amin’ i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin’ ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin’ izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy.
О Аполлосе же брате: много молих его, да приидет к вам с братиею: и всяко не бе воля, да ныне приидет, приидет же, егда упразднится.
13 Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.
Бодрствуйте, стойте в вере, мужайтеся, утверждайтеся:
14 Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ ny fitiavana.
вся вам любовию да бывают.
15 Fantatrareo ny ankohonan’ i Stefanasy, fa voaloham-bokatr’ i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin’ ny fanompoana ny olona masìna; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
Молю же вы, братие: весте дом Стефанинов, яко есть начаток Ахаии, и в служение святым учиниша себе:
16 mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.
да и вы повинуйтеся таковым и всякому споспешствующу и труждающуся.
17 Faly aho noho ny fihavian’ i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo;
Возрадовахся же о пришествии Стефанинове и Фуртунатове и Ахаикове, яко ваше лишение сии исполниша:
18 fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.
упокоиша бо мой дух и ваш. Познавайте убо таковыя.
19 Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin’ ny tompo Akoila sy Prisila mbamin’ ny fiangonana izay ao an-tranony.
Целуют вы церкви Асийския: целуют вы о Господе много Акила и Прискилла с домашнею их церковию.
20 Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna.
Целуют вы братия вся. Целуйте друг друга лобзанием святым.
21 Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma.
Целование моею рукою Павлею.
22 Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata.
Аще кто не любит Господа Иисуса Христа, да будет проклят, маран афа.
23 Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo;
Благодать Господа нашего Иисуса Христа с вами,
24 ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy. Amena.
(и) любы моя со всеми вами о Христе Иисусе. Аминь.

< 1 Korintiana 16 >