< 1 Korintiana 15 >
1 Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,
2 izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.
3 Fa natolotro anareo ho isan’ ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masìna,
4 dia nalevina, ary natsangana tamin’ ny andro fahatelo araka ny Soratra Masìna;
5 ary niseho tamin’ i Kefasy Izy, dia vao tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy koa.
6 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan’ ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.
7 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ i Jakoba Izy, dia tamin’ ny Apostoly rehetra.
8 Ary faran’ izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.
9 Fa izaho dia ambany indrindra amin’ ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra aho.
10 Fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
11 Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin’ ny maty, ahoana no ilazan’ ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ ny maty?
13 Fa raha tsy misy fitsanganan’ ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.
15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin’ Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an’ i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy.
16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ ny fahotanareo ihany ianareo;
18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin’ i Kristy.
19 Raha amin’ izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’ i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
20 Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ ny maty tokoa Kristy ho santatr’ izay efa nodi-mandry.
21 Ary satria ny olona iray no nisehoan’ ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ ny fitsanganan’ ny maty.
22 Fa tahaka ny ahafatesan’ ny olona rehetra ao amin’ i Adama no ahaveloman’ ny olona rehetra kosa ao amin’ i Kristy.
23 Nefa samy amin’ ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’ i Kristy amin’ ny fihaviany.
24 Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin’ izay dia hatolony ho an’ Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
25 Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ ny tongony.
26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
27 Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin’ ny tongony. Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan’ izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.
28 Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.
29 Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin’ ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy?
30 Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?
31 Lazaiko marina, ry rahalahy, amin’ ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan’ andro aho.
32 Raha araka ny fanaon’ olona no niadiako tamin’ ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin’ izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
33 Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
34 Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an’ Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
35 Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?
36 Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;
37 ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voambary, na voa hafa;
38 fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy.
39 Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an’ ny olona, ary hafa ny nofon’ ny biby, ary hafa ny nofon’ ny vorona, ary hafa ny an’ ny hazandrano.
40 Ary misy tenan’ ny any an-danitra, ary misy tenan’ ny etỳ an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an’ ny etỳ an-tany.
41 Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.
42 Dia toy izany koa ny fitsanganan’ ny maty: Afafy amin’ ny fahalòvana izy, atsangana amin’ ny tsi-fahalòvana;
43 afafy amin’ ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin’ ny voninahitra; afafy amin’ ny fahalemena izy, atsangana amin’ ny hery;
44 afafy tena araka ny fomban’ aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban’ aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.
45 Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan’ aina; Adama farany natao fanahy mahavelona.
46 Anefa tsy izay amin’ ny fanahy no voalohany, fa izay amin’ ny manan’ aina, dia vao izay amin’ ny fanahy.
47 Ny olona voalohany avy amin’ ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
48 Izay amin’ ny tany dia tahaka ilay amin’ ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra.
49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ ny tany no hitondrantsika ny endrik’ ilay any an-danitra koa.
50 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.
51 Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
52 fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana.
53 Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.
54 Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona.
55 Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hadēs )
56 Fa ny ota no fanindronan’ ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ ny ota.
57 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
58 Koa amin’ izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ ny asan’ ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo.