< 1 Korintiana 13 >
1 Na dia miteny amin’ ny fitenin’ ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
If I speak with the tongues of men and of angels, but have not love, I am become sounding brass, or a clanging cymbal.
2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
And if I have [the gift of] prophecy, and know all mysteries and all knowledge; and if I have all faith, so as to remove mountains, but have not love, I am nothing.
3 Ary na dia omeko hohanin’ ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
And if I bestow all my goods to feed [the poor], and if I give my body to be burned, but have not love, it profiteth me nothing.
4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
Love suffereth long, [and] is kind; love envieth not; love vaunteth not itself, is not puffed up,
5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
doth not behave itself unseemly, seeketh not its own, is not provoked, taketh not account of evil;
6 tsy mifaly amin’ ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ ny fahamarinana kosa,
rejoiceth not in unrighteousness, but rejoiceth with the truth;
7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
beareth all things, believeth all things, hopeth all things, endureth all things.
8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.
Love never faileth: but whether [there be] prophecies, they shall be done away; whether [there be] tongues, they shall cease; whether [there be] knowledge, it shall be done away.
9 Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;
For we know in part, and we prophesy in part:
10 fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.
but when that which is perfect is come, that which is in part shall be done away.
11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.
When I was a child, I spake as a child, I felt as a child, I thought as a child: now that I am become a man, I have put away childish things.
12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
For now we see in a mirror, darkly; but then face to face: now I know in part; but then shall I know even as also I have been known.
13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin’ ireo.
But now abideth faith, hope, love, these three; and the greatest of these is love.