< 1 Korintiana 13 >

1 Na dia miteny amin’ ny fitenin’ ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
Nwa su uliru nin tilen nanit, sa nin tilen nnono kadura Kutellẹ, na nnin dini su ba, nba so nafo lileng gberere sa fidowon mbejulu.
2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
Asa ndi nin fillun anabci nin yiru kidegen kanga vat na kiyeshin. Andi ndi nin yinnu sa uyenu ulenge na uwasa ufiza akup. Andi na ndinin su ba na meng imonari ba.
3 Ary na dia omeko hohanin’ ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
Asa nna vat nimon ile na ndi bara akimon, sa nni kidowo nighe ijuju, andi na ndi nin su ba ukpini imonku ba.
4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
Usu di nin nayi asheu, uyita nin lidu licine. Na usu dinin liyarin ba, sa ivet ba. Usu din fo figiri ba, na usu din tizu umucu litiba.
5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
Na udin dasu nin diru litiba, na udi nin su litiba, na udin lanzu kughullu ba, na udin cisu adu ananzang liburi ba.
6 tsy mifaly amin’ ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ ny fahamarinana kosa,
Na udin su liburi libo nan nya nimon inanzang ba, una din liburi libo nan nya kidegen.
7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
Usu din nnonku kibinayi nin nimon vat, udin yinnu nin nimon vat, udi nin nayi akone kitene nimon vat, unin yita nin terru kibinayi nin nimon vat.
8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.
Usu di nin ligang ba. Andi annabci duku, iba katu, andi tilen tilen duku, tiba tiligan, andi uyiru duku, uma katu.
9 Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;
Bara uyiru bite di agir agir, anabci bite wang di agir agir,
10 fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.
Asa unan kulie nnin da, ilenge na idi agir agir ma katu.
11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.
Kubi kongo na nwa di gono, nwa liru nafo gono, nwa yenjize nafo gono, nwa kpiluzu nafo gono. Kubiko na nwa wasirin, nna sun adadu tinone.
12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
Nene tidin yenju nan nya nimon nyeju ayeli nafo nan nya nsirti, lire tima yenju umuro nin muro. Nene uyiru nighe di kugir, lire uyiru nighe makulu nafo na mmal kulu uyinoe.
13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin’ ireo.
Imon itat ilelere nlawa, uyinnu sa uyenu, uciu nayi, nin su, vat nan nya nitatte imon idiyawe usuwari.

< 1 Korintiana 13 >