< 1 Korintiana 12 >

1 Ary ny amin’ ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo.
he bhrātaraḥ, yūyaṁ yad ātmikān dāyān anavagatāstiṣṭhatha tadahaṁ nābhilaṣāmi|
2 Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin’ ny sampy moana araka izay nitaomana anareo.
pūrvvaṁ bhinnajātīyā yūyaṁ yadvad vinītāstadvad avākpratimānām anugāmina ādhbam iti jānītha|
3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ ny Fanahy Masìna.
iti hetorahaṁ yuṣmabhyaṁ nivedayāmi, īśvarasyātmanā bhāṣamāṇaḥ ko'pi yīśuṁ śapta iti na vyāharati, punaśca pavitreṇātmanā vinītaṁ vinānyaḥ ko'pi yīśuṁ prabhuriti vyāharttuṁ na śaknoti|
4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.
dāyā bahuvidhāḥ kintveka ātmā
5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.
paricaryyāśca bahuvidhāḥ kintvekaḥ prabhuḥ|
6 Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ ny olona rehetra.
sādhanāni bahuvidhāni kintu sarvveṣu sarvvasādhaka īśvara ekaḥ|
7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.
ekaikasmai tasyātmano darśanaṁ parahitārthaṁ dīyate|
8 Fa ny anankiray nomen’ ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,
ekasmai tenātmanā jñānavākyaṁ dīyate, anyasmai tenaivātmanādiṣṭaṁ vidyāvākyam,
9 ary ny anankiray finoana, amin’ izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin’ izany Fanahy iray izany ihany,
anyasmai tenaivātmanā viśvāsaḥ, anyasmai tenaivātmanā svāsthyadānaśaktiḥ,
10 ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin’ ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.
anyasmai duḥsādhyasādhanaśaktiranyasmai ceśvarīyādeśaḥ, anyasmai cātimānuṣikasyādeśasya vicārasāmarthyam, anyasmai parabhāṣābhāṣaṇaśaktiranyasmai ca bhāṣārthabhāṣaṇasāmaryaṁ dīyate|
11 Ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.
ekenādvitīyenātmanā yathābhilāṣam ekaikasmai janāyaikaikaṁ dānaṁ vitaratā tāni sarvvāṇi sādhyante|
12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
deha ekaḥ sannapi yadvad bahvaṅgayukto bhavati, tasyaikasya vapuṣo 'ṅgānāṁ bahutvena yadvad ekaṁ vapu rbhavati, tadvat khrīṣṭaḥ|
13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.
yato heto ryihūdibhinnajātīyadāsasvatantrā vayaṁ sarvve majjanenaikenātmanaikadehīkṛtāḥ sarvve caikātmabhuktā abhavāma|
14 Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro.
ekenāṅgena vapu rna bhavati kintu bahubhiḥ|
15 Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin’ izany dia tsy momba ny tena va izy?
tatra caraṇaṁ yadi vadet nāhaṁ hastastasmāt śarīrasya bhāgo nāsmīti tarhyanena śarīrāt tasya viyogo na bhavati|
16 Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena, ― koa amin’ izany dia tsy momba ny tena va izy?
śrotraṁ vā yadi vadet nāhaṁ nayanaṁ tasmāt śarīrasyāṁśo nāsmīti tarhyanena śarīrāt tasya viyogo na bhavati|
17 Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana?
kṛtsnaṁ śarīraṁ yadi darśanendriyaṁ bhavet tarhi śravaṇendriyaṁ kutra sthāsyati? tat kṛtsnaṁ yadi vā śravaṇendriyaṁ bhavet tarhi ghraṇendriyaṁ kutra sthāsyati?
18 Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ ny tena araka ny sitrapony.
kintvidānīm īśvareṇa yathābhilaṣitaṁ tathaivāṅgapratyaṅgānām ekaikaṁ śarīre sthāpitaṁ|
19 Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?
tat kṛtsnaṁ yadyekāṅgarūpi bhavet tarhi śarīre kutra sthāsyati?
20 Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany.
tasmād aṅgāni bahūni santi śarīraṁ tvekameva|
21 Ary ny maso tsy mahazo manao amin’ ny tanana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin’ ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.
ataeva tvayā mama prayojanaṁ nāstīti vācaṁ pāṇiṁ vadituṁ nayanaṁ na śaknoti, tathā yuvābhyāṁ mama prayojanaṁ nāstīti mūrddhā caraṇau vadituṁ na śaknotiḥ;
22 Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany.
vastutastu vigrahasya yānyaṅgānyasmābhi rdurbbalāni budhyante tānyeva saprayojanāni santi|
23 Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin’ ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa;
yāni ca śarīramadhye'vamanyāni budhyate tānyasmābhiradhikaṁ śobhyante| yāni ca kudṛśyāni tāni sudṛśyatarāṇi kriyante
24 fa tsy mila izany ny efa misy haja rahateo amin’ ny momba ny tenantsika. Fa tamin’ ny nanamboaran’ Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa,
kintu yāni svayaṁ sudṛśyāni teṣāṁ śobhanam niṣprayojanaṁ|
25 mba tsy hisy fisarahana eo amin’ ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.
śarīramadhye yad bhedo na bhavet kintu sarvvāṇyaṅgāni yad aikyabhāvena sarvveṣāṁ hitaṁ cintayanti tadartham īśvareṇāpradhānam ādaraṇīyaṁ kṛtvā śarīraṁ viracitaṁ|
26 Ary raha mijaly ny anankiray amin’ ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.
tasmād ekasyāṅgasya pīḍāyāṁ jātāyāṁ sarvvāṇyaṅgāni tena saha pīḍyante, ekasya samādare jāte ca sarvvāṇi tena saha saṁhṛṣyanti|
27 Ary ianareo no tenan’ i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.
yūyañca khrīṣṭasya śarīraṁ, yuṣmākam ekaikaśca tasyaikaikam aṅgaṁ|
28 Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.
kecit kecit samitāvīśvareṇa prathamataḥ preritā dvitīyata īśvarīyādeśavaktārastṛtīyata upadeṣṭāro niyuktāḥ, tataḥ paraṁ kebhyo'pi citrakāryyasādhanasāmarthyam anāmayakaraṇaśaktirupakṛtau lokaśāsane vā naipuṇyaṁ nānābhāṣābhāṣaṇasāmarthyaṁ vā tena vyatāri|
29 Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra?
sarvve kiṁ preritāḥ? sarvve kim īśvarīyādeśavaktāraḥ? sarvve kim upadeṣṭāraḥ? sarvve kiṁ citrakāryyasādhakāḥ?
30 Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?
sarvve kim anāmayakaraṇaśaktiyuktāḥ? sarvve kiṁ parabhāṣāvādinaḥ? sarvve vā kiṁ parabhāṣārthaprakāśakāḥ?
31 Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo:
yūyaṁ śreṣṭhadāyān labdhuṁ yatadhvaṁ| anena yūyaṁ mayā sarvvottamamārgaṁ darśayitavyāḥ|

< 1 Korintiana 12 >