< 1 Korintiana 10 >

1 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,
Nataka ninyi mjue kaka na dada zangu, ya kuwa baba zetu walikuwa chini ya wingu na wote walipita katika bahari.
2 ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’ i Mosesy tao amin’ ny rahona sy ny ranomasina,
Wote walibatizwa wawe wa Musa ndani ya wingu na ndani ya bahari,
3 ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,
na wote walikula chakula kile kile cha roho.
4 ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
Wote walikunywa kinywaji kile kile cha roho. Maana walikunywa kutoka katika mwamba wa roho uliowafuata, na mwamba ule ulikuwa ni Kristo.
5 Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’ Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
Lakini Mungu hakupendezwa sana na wengi wao, na maiti zao zilisambazwa jangwani.
6 Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan’ ireny.
Basi mambo haya yote yalikuwa mifano kwetu, ili sisi tusiwe watu wa kutamani mabaya kama na wao walivyofanya.
7 Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin’ ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao.
Msiwe waabudu sanamu, kama wengine wao walivyokuwa. Hii ni kama ilivyoandikwa, “Watu walikaa chini wakila na kunywa, na waliinuka kucheza kwa tamaa za mapenzi.”
8 Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.
Tusifanye uasherati kama wengi wao walivyofanya. Wakafa siku moja watu ishirini na tatu elfu kwa sababu hiyo.
9 Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ ny sasany tamin’ ireny fanahy Azy, ka matin’ ny menarana ireny.
Wala tusimjaribu Kristo, kama wengi wao walivyofanya na wakaharibiwa kwa nyoka.
10 Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin’ ireny, izay matin’ ny mpandringana.
Na pia msinung'unike, kama wengi wao walivyonung'unika na kuharibiwa na malaika wa mauti.
11 Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ ny faran’ izao tontolo izao. (aiōn g165)
Basi mambo hayo yalitendeka kama mifano kwetu. Yakaandikwa ili kutuonya sisi - tuliofikiliwa na miisho ya zamani. (aiōn g165)
12 Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
Kwa hiyo kila ajionaye amesimama awe makini asije akaanguka.
13 Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
Hakuna jaribu lililowapata ninyi lisilo kawaida ya wanadamu. Ila Mungu ni mwaminifu. Hatawaacha mjaribiwe kupita uwezo wenu. Pamoja na jaribu yeye atawapa mlango wa kutokea, ili mweze kustahimili.
14 Koa amin’ izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.
Kwa hiyo, wapendwa wangu, ikimbieni ibada ya sanamu.
15 Miteny toy ny amin’ ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.
Nasema nanyi kama watu wenye akili, ili muamue juu ya ninalosema.
16 Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ ny ran’ i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ ny tenan’ i Kristy va izany?
Kikombe cha baraka tubarikicho, si ushirika wa damu ya Kristo? Mkate ule tuumegao, si ushirika wa mwili wa Kristo?
17 Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’ izany mofo iray izany avokoa.
Kwa kuwa mkate ni mmoja, sisi tulio wengi tu mwili mmoja. Sisi sote twapokea mkate mmoja kwa pamoja.
18 Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin’ ny alitara va?
Watazameni watu wa Israeli: Je! Wale wote walao dhabihu si washiriki katika madhabahu?
19 Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin’ ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?
Nasema nini basi? Ya kuwa sanamu ni kitu? Au ya kuwa chakula kilichotolewa sadaka kwa sanamu ni kitu?
20 Tsia, fa izay zavatra aterin’ ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ ny demonia, fa tsy amin’ Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin’ ny demonia ianareo.
Lakini nasema juu ya vitu vile wavitoavyo sadaka watu wapagani wa Mataifa, ya kuwa wanatoa vitu hivi kwa mapepo na sio kwa Mungu. Nami sitaki ninyi kushirikiana na mapepo!
21 Tsy mahazo misotro amin’ ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin’ ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo.
Hamwezi kunywea kikombe cha Bwana na kikombe cha mapepo. Hamwezi kuwa na ushirika katika meza ya Bwana na katika meza ya mapepo.
22 Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
Au twamtia Bwana wivu? Tuna nguvu zaidi yake?
23 Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
“Vitu vyote ni halali,” lakini si vyote vifaavyo. “Vitu vyote ni halali,” lakini si vyote viwajengavyo watu.
24 Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
Hakuna hata mmoja angetafuta mazuri yake tu. Badala yake, kila mmoja angetafuta mazuri ya mwenzake.
25 Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
Mnaweza kula kila kitu kiuzwacho sokoni bila kuuliza -uliza kwa ajili ya dhamiri.
26 fa an’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.
Maana “dunia ni mali ya Bwana, na vyote viijazavyo.”
27 Ary raha misy amin’ ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
Na mtu asiyeamini akiwaalika kula, na mnataka kwenda, kuleni chochote awapacho pasipo kuuliza maswali ya dhamiri.
28 Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin’ ny sampy io, dia aza homana noho ny amin’ ilay nilaza sy ny fieritreretana.
Lakini mtu akiwaambia, “Chakula hiki kimetokana na sadaka ya wapagani,” msile. Hii ni kwa ajili yake aliyewaambia, na kwa ajili ya dhamiri.
29 Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an’ ny tenanano, fa ny an’ ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain’ ny fieritreretan’ ny olon-kafa?
Nami simaanishi dhamiri zenu, bali dhamiri ya yule mwingine. Maana kwanini uhuru wangu uhukumiwe na dhamiri ya mtu mwingine?
30 Fa raha amin’ ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin’ izay anaovako fisaorana?
Ikiwa mimi natumia chakula kwa shukrani, kwanini nitukanwe kwa kitu ambacho nimeshukuru kwacho?
31 Koa amin’ izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany.
Kwa hiyo, chochote mnachokula au kunywa, au chochote mfanyacho, fanyeni yote kwa ajili ya utukufu wa Mungu.
32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’ Andriamanitra,
Msiwakoseshe Wayahudi au Wayunani, au kanisa la Mungu.
33 dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.
Jaribuni kama mimi ninavyojaribu kuwapendeza watu wote kwa mambo yote. Sitafuti faida yangu mwenyewe, bali ya wengi. Nami nafanya hivi ili wapate kuokolewa.

< 1 Korintiana 10 >