< 1 Korintiana 1 >
1 Paoly, voantso ho Apostolin’ i Jesosy Kristy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,
Nne a Pauli njemilwe kubha ntume jwa a Yeshu Kilishitu kwa pinga kwabho a Nnungu, na Bhakilishitu ajangu a Shoshiteneshi ngunakunnjandishilanga,
2 mamangy ny fiangonan’ Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’ i Kristy Jesosy, olona voantso sady masìna, mbamin’ izay rehetra miantso ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
mmanganya likanisha lya a Nnungu nninginji ku Kolinto. Nninginji bha ukonjelo nkulundana na a Kilishitu Yeshu, nshemilwenje mmanganje bhandu bha a Nnungu pamo na bhandu bhowe bhakwaajuganga Bhakulungwa bhetu a Yeshu Kilishitu bhali bhakulungwa bhabhonji na bhetu.
3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Tunakumpinjilanga nema na ulele kopoka kwa Atati a Nnungu, na Bhakulungwa bhetu a Yeshu Kilishitu.
4 Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’ i Kristy Jesosy,
Ngunakwaatendela eja a Nnungu mobha gowe kwa ligongo lyenunji, pabha bhashikumpanganga nema jabho pitila a Yeshu Kilishitu.
5 dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin’ ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,
Pabha, kwa lundana na a Yeshu Kilishitu nshishulushilwanga kwa kila shindu. Nshikolanga shikono sha lumanyio lowe na kombola kubheleketa.
6 araka ny niorenan’ ny filazana an’ i Kristy teo aminareo,
Malinga ukong'ondelo gwa a Kilishitu shiushite malila mmitima jenunji,
7 ka dia tsy latsaka amin’ ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
wala nkatubhilwanga shipaji shoshowe, nnilolelanga kubhonekana kwabho Bhakulungwa bhetu a Yeshu Kilishitu.
8 Izay hampiorina anareo koa hatramin’ ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin’ ny andron’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Bhenebho shibhanshimilikanje mmanganya mpaka kumpelo, nnabhonekanje nshilebhanga lyubha lya kwiya Bhakulungwa bhetu a Yeshu Kilishitu lila.
9 Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
A Nnungu bha kulupalika, bhashinkunshemanga mmanganya mmanganje shindu shimo na bhana bhabho a Yeshu Kilishitu Bhakulungwa bhetu.
10 Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
Ashaalongo, ngunakunshondelesheyanga kwa lina lya Bhakulungwa bhetu a Yeshu Kilishitu kuti, gunkubheleketanga gabhe gamo, kunapagwe kugabhanyika munkumbi gwenunji, ikabhe nkolanje ng'aniyo imo na ndumbililo imo.
11 Fa efa voalazan’ ny avy amin’ ny ankohonan’ i Kloa tamiko ny amin’ ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
Pabha ashaalongo ajangu, njilugulilwa ga ngani jenunji na bhandunji bha ulongo gwa a Koloe kuti, gushipagwa mpwai munkumbi gwenunji.
12 Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an’ i Paoly, na: Izaho an’ i Apolosy, na: Izaho an’ i Kefasy, na: Izaho an’ i Kristy.
Bhai, shingupinga bheleketa ni sheshino, kila mundu anabheleketa mwakwe. Juna akuti, “Nne jwa a Pauli,” na juna kuti, “Nne jwa a Apolo,” na juna kuti, “Nne jwa a Kepa”, na juna akuti, “Nne jwa a Kilishitu.”
13 Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin’ ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ ny anaran’ i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
Bhuli, a Kilishitu bhashigabhanyika? Bhuli, a Pauli ni bhakomelwe munshalabha kwa ligongo lyenunji? Eu bhuli, mwashinkubhatishwanga kwa lina lya a Pauli?
14 Misaotra an’ Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
Ngunakwaatendela eja a Nnungu, pabha nangammatisha mundu jojowe munkumbi gwenunji ikabhe a Kilishipashi na a Gayo pe.
15 fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin’ ny anarako ianareo.
Kwa nneyo jwakwa shaabhelekete kuti ashibhatishwa kwa lina lyangu.
16 Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan’ i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.
Elo, naabhatishenje a Shitepana na bha likaja lyabho, punda bhanganyabho, kwali monaga nammatishe mundu juna.
17 Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin’ ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian’ i Kristy.
A Kilishitu bhanganduma kubhatisha, ikabhe nunguye Ngani ja Mmbone. Na kwene lunguyako kunakulupalile lunda lwa shigundu, nkupinga kuwa kwa a Kilishitu munshalabha kunapetekuywe.
18 Fa ny teny ny amin’ ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’ izay ho very, fa herin’ Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
Pabha ntenga gwa kuwa kwa a Yeshu munshalabha kwa bhaobhanga ni ungumba, ikabheje kwetu uwe tuli muntapulo gwa gwene ntenga go, ni mashili ga a Nnungu.
19 Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren’ ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan’ ny mahalala.
Pabha ishijandikwa, “Shing'angabhanye lunda lwabhonji, na lumanyio lwa bhaashomanga shinilukane.”
20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’ izao tontolo izao? Tsy nampodin’ Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’ izao tontolo izao? (aiōn )
Bhai, luli kwei lunda lwa bhakwetenje lunda? Bhalinginji kwei bhaajiganya bha shalia ja a Musha? Ali kwei jwa mitau jwa gene mobha gano? A Nnungu bhashikulutenda lunda lwa bhandu bha pashilambolyo ubhelu. (aiōn )
21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’ Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’ Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ ny fitorian-teny no sitrak’ Andriamanitra hamonjeny izay mino;
Pabha kwa lunda lwa a Nnungu, bhandu bhakwetenje lunda bhakakombolanga kwaamanya a Nnungu. Pabha a Nnungu bhashinkupinga kwaatapulanga bhakwaakulupalilanga, kwa shene shibhakushibhonanga bhakwetenje lunda kuti ungumba, yani ntenga gutulunguya
22 fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena,
Pabha Bhayaudi bhanapinganga ilangulo na Bhagiliki bhanaloleyanga lunda.
23 fa izahay kosa mitory an’ i Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin’ ny Jiosy ary fahadalana amin’ ny jentilisa,
Ikabheje uwe tunakwaalunguya a Kilishitu bhapotekwe munshalabha. Ku Bhayaudi ndabhila na kubhandu bha ilambo ina ungumba,
24 fa amin’ izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’ Andriamanitra sy fahendren’ Andriamanitra.
ikabheje kwa bhaagwilwenje na a Nnungu Bhayaudi na Bhagiliki, a Kilishitu ni mashili na lunda lwa a Nnungu.
25 Fa ny fahadalan’ Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’ Andriamanitra mahery noho ny olona.
Pabha ubhonekana ungumba gwa a Nnungu ushikola lunda kupunda lwa bhandu, kubhoneka kunyegala kwa a Nnungu, kushikola mashili kupunda mashili ga bhandu.
26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;
Ashaapwanga, nkumbushilanje mobha gumwashemilwenje na a Nnungu, bhakwetenje lunda bhakashulukenjeje nkali kwa lunda lwa shigundu, bhabhagwinji bhakamanyikenjeje na wala bhakakwetenjeje indu.
27 fa ny adala amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
Ikabheje a Nnungu bhashinkuiagula indu ya shibhelu, nkupinga bhaapetekuyanje bhakwetenje lunda, na bhashinkuiagula indu ya nyegaywa nkupinga kwaapetekuyanga bhandu bhakwetenje mashili.
28 ary ny iva razana amin’ izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’ Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
A Nnungu bhashinkuagula indu ya nyegala yangali mashili ya pashilambolyo, numbe indu ya nyegala yabhonekaga mbuti ikapaliji, nkupinga bhaipetekuye indu ibhoneka ya mmbone ku bhandunji.
29 mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’ Andriamanitra.
Bhai, jwakwa mundu shaipunile shoshowe kwa a Nnungu.
30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’ i Kristy Jesosy, Izay nataon’ Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,
A Nnungu bhayene bhashikunnundanyanga na a Kilishitu Yeshu. A Nnungu bhashikwaatenda a Kilishitu bhabhe lunda lwetu na aki jetu, na pitila bhenebho uwe tunalundana na a Nnungu kubha bhandu bhabho bha ukonjelo, na bhawetenje aki na bhagombolwenje.
31 mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany.
Bhai, malinga shiijandikwe, “Apinga kwiipuna, bhai, aipunile liengo lya Bhakulungwa.”