< 1 Korintiana 1 >
1 Paoly, voantso ho Apostolin’ i Jesosy Kristy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,
ⲁ̅ⲡⲁⲩⲗⲟⲥ ⲡⲁⲡⲟⲥⲧⲟⲗⲟⲥ ⲉⲧⲧⲁϩⲙ ⲙⲡⲉⲭⲥ ⲓⲏⲥ ϩⲓⲧⲙ ⲡⲟⲩⲱϣ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲙⲛ ⲥⲱⲥⲑⲉⲛⲏⲥ ⲡⲥⲟⲛ
2 mamangy ny fiangonan’ Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’ i Kristy Jesosy, olona voantso sady masìna, mbamin’ izay rehetra miantso ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
ⲃ̅ⲉⲩⲥϩⲁⲓ ⲛⲧⲉⲕⲕⲗⲏⲥⲓⲁ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲧⲁⲓ ⲉⲧϣⲟⲟⲡ ϩⲛ ⲕⲟⲣⲓⲛⲑⲟⲥ ⲛⲉⲧⲧⲃⲃⲏⲩ ϩⲙ ⲡⲉⲭⲥ ⲓⲏⲥ ⲛⲉⲧⲧⲁϩⲙ ⲉⲧⲟⲩⲁⲁⲃ ⲙⲛ ⲟⲩⲟⲛ ⲛⲓⲙ ⲉⲧⲉⲡⲓⲕⲁⲗⲉⲓ ⲙⲡⲣⲁⲛ ⲙⲡⲉⲛϫⲟⲉⲓⲥ ⲓⲏⲥ ⲡⲉⲭⲥ ϩⲙ ⲙⲁ ⲛⲓⲙ ⲛⲧⲁⲩ ⲛⲙⲙⲁⲛ
3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
ⲅ̅ⲧⲉⲭⲁⲣⲓⲥ ⲛⲏⲧⲛ ⲙⲛ ϯⲣⲏⲛⲏ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲓⲧⲙ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲡⲉⲛⲉⲓⲱⲧ ⲙⲛ ⲡⲉⲛϫⲟⲉⲓⲥ ⲓⲏⲥ ⲡⲉⲭⲥ
4 Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’ i Kristy Jesosy,
ⲇ̅ϯϣⲡϩⲙⲟⲧ ⲛⲧⲙ ⲡⲁⲛⲟⲩⲧⲉ ⲛⲟⲩⲟⲉⲓϣ ⲛⲓⲙ ϩⲁⲣⲱⲧⲛ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉϫⲛ ⲧⲉⲭⲁⲣⲓⲥ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲧⲁⲓ ⲉⲛⲧⲁⲩⲧⲁⲁⲥ ⲛⲏⲧⲛ ϩⲙ ⲡⲉⲭⲥ ⲓⲏⲥ
5 dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin’ ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,
ⲉ̅ϫⲉ ϩⲛ ϩⲱⲃ ⲛⲓⲙ ⲁⲧⲉⲧⲛⲣⲣⲙⲙⲁⲟ ⲛϩⲏⲧϥ ϩⲛ ϣⲁϫⲉ ⲛⲓⲙ ⲙⲛ ⲥⲟⲟⲩⲛ ⲛⲓⲙ
6 araka ny niorenan’ ny filazana an’ i Kristy teo aminareo,
ⲋ̅ⲕⲁⲧⲁ ⲑⲉ ⲉⲛⲧⲁ ⲧⲙⲛⲧⲙⲛⲧⲣⲉ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲧⲁϫⲣⲟ ⲛϩⲏⲧⲧⲏⲩⲧⲛ
7 ka dia tsy latsaka amin’ ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
ⲍ̅ϩⲱⲥⲧⲉ ⲉⲧⲙⲧⲣⲉⲧⲛϣⲱⲱⲧ ⲛⲗⲁⲁⲩ ⲛϩⲙⲟⲧ ⲉⲧⲉⲧⲛϭⲱϣⲧ ϩⲏⲧϥ ⲙⲡϭⲱⲗⲡ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡⲉⲛϫⲟⲉⲓⲥ ⲓⲏⲥ ⲡⲉⲭⲥ
8 Izay hampiorina anareo koa hatramin’ ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin’ ny andron’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
ⲏ̅ⲡⲁⲓ ⲉⲧⲛⲁⲧⲁϫⲣⲉ ⲧⲏⲩⲧⲛ ⲉⲧⲉⲧⲛϫⲏⲕ ⲉⲃⲟⲗ ⲉⲙⲛ ⲛⲟⲃⲉ ϫⲓ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲉⲣⲱⲧⲛ ϣⲁ ⲡⲉϩⲟⲟⲩ ⲙⲡⲉⲛϫⲟⲉⲓⲥ ⲓⲏⲥ ⲡⲉⲭⲥ
9 Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
ⲑ̅ⲟⲩⲡⲓⲥⲧⲟⲥ ⲡⲉ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲡⲁⲓ ⲉⲛⲧⲁϥⲧⲉϩⲙ ⲧⲏⲩⲧⲛ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲓⲧⲟⲟⲧϥ ⲉⲧⲕⲟⲓⲛⲱⲛⲓⲁ ⲙⲡⲉϥϣⲏⲣⲉ ⲓⲏⲥ ⲡⲉⲭⲥ ⲡⲉⲛϫⲟⲉⲓⲥ
10 Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
ⲓ̅ⲧⲛⲡⲁⲣⲁⲕⲁⲗⲉⲓ ⲇⲉ ⲙⲙⲱⲧⲛ ⲛⲉⲥⲛⲏⲩ ϩⲓⲧⲙ ⲡⲣⲁⲛ ⲙⲡⲉⲛϫⲟⲉⲓⲥ ⲓⲏⲥ ⲡⲉⲭⲥ ϫⲉⲕⲁⲥ ⲉⲧⲉⲧⲛⲉϫⲱ ⲙⲡⲓϣⲁϫⲉ ⲛⲟⲩⲱⲧ ⲧⲏⲣⲧⲛ ⲛⲧⲉⲧⲙⲡⲱⲣϫ ϣⲱⲡⲉ ⲛϩⲏⲧⲧⲏⲩⲧⲛ ⲛⲧⲉⲧⲛϣⲱⲡⲉ ⲇⲉ ⲉⲧⲉⲧⲛⲥⲃⲧⲱⲧ ϩⲙ ⲡⲓϩⲏⲧ ⲛⲟⲩⲱⲧ ⲙⲛϯⲅⲛⲱⲙⲏ ⲛⲟⲩⲱⲧ
11 Fa efa voalazan’ ny avy amin’ ny ankohonan’ i Kloa tamiko ny amin’ ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
ⲓ̅ⲁ̅ⲁⲩⲧⲁⲙⲟⲓ ⲅⲁⲣ ⲉⲧⲃⲉ ⲧⲏⲩⲧⲛ ⲛⲁⲥⲛⲏⲩ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲓ ⲧⲟⲟⲩⲧⲟⲩ ⲛⲛⲁⲭⲗⲟⲏ ϫⲉ ⲟⲩⲛ ϩⲉⲛϯⲧⲱⲛ ⲛϩⲏⲧⲧⲏⲩⲧⲛ
12 Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an’ i Paoly, na: Izaho an’ i Apolosy, na: Izaho an’ i Kefasy, na: Izaho an’ i Kristy.
ⲓ̅ⲃ̅ϯϫⲱ ⲇⲉ ⲙⲡⲁⲓ ϫⲉ ⲡⲟⲩⲁ ⲡⲟⲩⲁ ⲙⲙⲱⲧⲛ ϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲁⲛⲟⲕ ⲙⲉⲛ ⲁⲛⲅ ⲡⲁ ⲡⲁⲩⲗⲟⲥ ⲁⲛⲟⲕ ⲇⲉ ⲁⲛⲅ ⲡⲁ ⲁⲡⲟⲗⲗⲱ ⲁⲛⲟⲕ ⲇⲉ ⲁⲛⲅ ⲡⲁ ⲕⲏⲫⲁ ⲁⲛⲟⲕ ⲇⲉ ⲁⲛⲅ ⲡⲁ ⲡⲉⲭⲥ
13 Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin’ ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ ny anaran’ i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
ⲓ̅ⲅ̅ⲙⲏ ⲛⲧⲁⲩⲡⲱϣ ⲙⲡⲉⲭⲥ ⲙⲏ ⲛⲧⲁⲩⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲙⲡⲁⲩⲗⲟⲥ ϩⲁⲣⲱⲧⲛ ⲏ ⲛⲧⲁⲧⲉⲧⲛϫⲓ ⲃⲁⲡⲧⲓⲥⲙⲁ ⲉⲡⲣⲁⲛ ⲙⲡⲁⲩⲗⲟⲥ
14 Misaotra an’ Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
ⲓ̅ⲇ̅ϯϣⲡϩⲙⲟⲧ ϫⲉ ⲙⲡⲓⲃⲁⲡⲧⲓⲍⲉ ⲛⲗⲁⲁⲩ ⲙⲙⲱⲧⲛ ⲛⲥⲁ ⲕⲣⲓⲥⲡⲟⲥ ⲙⲛ ⲅⲁⲓⲟⲥ
15 fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin’ ny anarako ianareo.
ⲓ̅ⲉ̅ϫⲉⲕⲁⲥ ⲉⲛⲛⲉ ⲟⲩⲁ ϫⲟⲟⲥ ϫⲉ ⲛⲧⲁⲧⲉⲧⲛⲃⲁⲡⲧⲓⲍⲉ ⲉⲡⲁⲣⲁⲛ
16 Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan’ i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.
ⲓ̅ⲋ̅ⲁⲓⲃⲁⲡⲧⲓⲍⲉ ⲇⲉ ⲙⲡⲕⲉⲏⲉⲓ ⲛⲥⲧⲉⲫⲁⲛⲁ ⲙⲛⲛⲥⲱⲥ ϭⲉ ⲛϯⲥⲟⲟⲩⲛ ⲁⲛ ϫⲉ ⲁⲓⲃⲁⲡⲧⲓⲍⲉ ⲛϭⲉ
17 Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin’ ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian’ i Kristy.
ⲓ̅ⲍ̅ⲛⲧⲁ ⲡⲉⲭⲥ ⲅⲁⲣ ⲧⲛⲛⲟⲟⲩⲧ ⲁⲛ ⲉⲃⲁⲡⲧⲓⲍⲉ ⲁⲗⲗⲁ ⲉⲉⲩⲁⲅⲅⲉⲗⲓⲍⲉ ϩⲛ ⲟⲩⲥⲟⲫⲓⲁ ⲁⲛ ⲛϣⲁϫⲉ ϫⲉⲕⲁⲥ ⲉⲛⲛⲉϥϣⲱⲡⲉ ⲉϥϣⲟⲩⲉⲓⲧ ⲛϭⲓ ⲡⲉⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲥ ⲙⲡⲉⲭⲥ
18 Fa ny teny ny amin’ ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’ izay ho very, fa herin’ Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
ⲓ̅ⲏ̅ⲡϣⲁϫⲉ ⲅⲁⲣ ⲙⲡⲉⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲥ ⲟⲩⲙⲛⲧⲥⲟϭ ⲙⲉⲛ ⲡⲉ ⲛⲛⲉⲧⲛⲁϩⲉ ⲉⲃⲟⲗ ⲛⲁⲛ ⲇⲉ ⲛⲉⲧⲛⲁⲟⲩϫⲁⲓ ⲟⲩϭⲟⲙ ⲛⲧⲉ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲡⲉ
19 Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren’ ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan’ ny mahalala.
ⲓ̅ⲑ̅ϥⲥⲏϩ ⲅⲁⲣ ϫⲉ ϯⲛⲁⲧⲁⲕⲟ ⲛⲧⲥⲟⲫⲓⲁ ⲛⲛⲥⲟⲫⲟⲥ ⲧⲁⲁⲑⲉⲧⲉⲓ ⲛⲧⲙⲛⲧⲥⲁⲃⲉ ⲛⲛⲥⲁⲃⲉⲉⲩ
20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’ izao tontolo izao? Tsy nampodin’ Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’ izao tontolo izao? (aiōn )
ⲕ̅ⲉϥⲧⲱⲛ ⲥⲟⲫⲟⲥ ⲉϥⲧⲱⲛ ⲅⲣⲁⲙⲙⲁⲧⲉⲩⲥ ⲉϥⲧⲱⲛ ⲥⲩⲛⲍⲏⲧⲏⲧⲏⲥ ⲛⲧⲉ ⲡⲉⲓⲁⲓⲱⲛ ⲙⲏ ⲙⲡⲉ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲉⲓⲣⲉ ⲛⲧⲥⲟⲫⲓⲁ ⲙⲡⲕⲟⲥⲙⲟⲥ ⲛⲥⲟϭ (aiōn )
21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’ Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’ Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ ny fitorian-teny no sitrak’ Andriamanitra hamonjeny izay mino;
ⲕ̅ⲁ̅ⲉⲡⲉⲓⲇⲏ ⲅⲁⲣ ϩⲛ ⲧⲥⲟⲫⲓⲁ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲙⲡⲉ ⲡⲕⲟⲥⲙⲟⲥ ⲥⲟⲩⲛ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ϩⲓⲧⲛ ⲧⲥⲟⲫⲓⲁ ⲁϥⲣϩⲛⲁϥ ⲇⲉ ⲛϭⲓ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲉⲧⲟⲩϫⲉ ⲛⲉⲧⲡⲓⲥⲧⲉⲩⲉ ϩⲓⲧⲛ ⲧⲙⲛⲧⲥⲟϭ ⲙⲡⲧⲁϣⲉⲟⲉⲓϣ
22 fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena,
ⲕ̅ⲃ̅ⲉⲡⲉⲓⲇⲏ ⲛⲓⲟⲩⲇⲁⲓ ϩⲉⲛⲙⲁⲉⲓⲛ ⲛⲉⲧⲟⲩⲁⲓⲧⲓ ⲙⲙⲟⲟⲩ ⲛϩⲉⲗⲗⲏⲛ ⲇⲉ ⲉⲩϣⲓⲛⲉ ⲛⲥⲁ ⲟⲩⲥⲟⲫⲓⲁ
23 fa izahay kosa mitory an’ i Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin’ ny Jiosy ary fahadalana amin’ ny jentilisa,
ⲕ̅ⲅ̅ⲁⲛⲟⲛ ⲇⲉ ⲉⲛⲧⲁϣⲉⲟⲓϣ ⲙⲡⲉⲭⲥ ⲉⲁⲩⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ ⲛⲓⲟⲩⲇⲁⲓ ⲙⲉⲛ ⲟⲩⲥⲕⲁⲛⲇⲁⲗⲟⲛ ⲛⲁⲩ ⲡⲉ ⲟⲩⲙⲛⲧⲥⲟϭ ⲇⲉ ⲡⲉ ⲛⲛϩⲉⲑⲛⲟⲥ
24 fa amin’ izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’ Andriamanitra sy fahendren’ Andriamanitra.
ⲕ̅ⲇ̅ⲛⲓⲟⲩⲇⲁⲓ ⲇⲉ ⲉⲧⲧⲁϩⲙ ⲙⲛ ⲛϩⲉⲗⲗⲏⲛ ⲡⲉⲭⲥ ⲟⲩϭⲟⲙ ⲛⲁⲩ ⲛⲧⲉ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲡⲉ ⲁⲩⲱ ⲥⲟⲫⲓⲁ ⲛⲧⲉ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲡⲉ
25 Fa ny fahadalan’ Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’ Andriamanitra mahery noho ny olona.
ⲕ̅ⲉ̅ϫⲉ ⲧⲙⲛⲧⲥⲟϭ ⲛⲧⲉ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲟⲩⲙⲛⲧⲥⲁⲃⲉ ⲧⲉ ⲛϩⲟⲩⲟ ⲉⲛⲣⲱⲙⲉ ⲁⲩⲱ ⲧⲙⲛⲧϭⲱⲃ ⲛⲧⲉ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲥϫⲟⲟⲣ ⲛϩⲟⲩⲟ ⲉⲛⲣⲱⲙⲉ
26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;
ⲕ̅ⲋ̅ⲧⲉⲧⲛϭⲱϣⲧ ⲅⲁⲣ ⲉⲡⲉⲧⲛⲧⲱϩⲙ ⲛⲁⲥⲛⲏⲩ ϫⲉ ⲙⲛ ϩⲁϩ ⲛⲥⲟⲫⲟⲥ ⲛϩⲏⲧϥ ⲕⲁⲧⲁ ⲥⲁⲣⲝ ⲙⲛ ϩⲁϩ ⲛⲇⲩⲛⲁⲧⲟⲥ ⲙⲛ ϩⲁϩ ⲛⲉⲩⲅⲉⲛⲏⲥ
27 fa ny adala amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
ⲕ̅ⲍ̅ⲁⲗⲗⲁ ⲛⲥⲟϭ ⲛⲧⲉ ⲡⲕⲟⲥⲙⲟⲥ ⲛⲉⲛⲧⲁ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲥⲟⲧⲡⲟⲩ ϫⲉⲕⲁⲥ ⲉϥⲉϯϣⲓⲡⲉ ⲛⲛⲥⲁⲃⲉⲉⲩ ⲁⲩⲱ ⲛϭⲱⲃ ⲛⲧⲉ ⲡⲕⲟⲥⲙⲟⲥ ⲛⲉⲛⲧⲁ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲥⲟⲧⲡⲟⲩ ϫⲉⲕⲁⲥ ⲉϥⲉϯϣⲓⲡⲉ ⲛⲛϫⲱⲱⲣⲉ
28 ary ny iva razana amin’ izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’ Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
ⲕ̅ⲏ̅ⲁⲩⲱ ⲛϩⲏⲕⲉ ⲛⲧⲉ ⲡⲕⲟⲥⲙⲟⲥ ⲙⲛ ⲛⲉⲧⲥⲟϣϥ ⲛⲉⲛⲧⲁ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲥⲟⲧⲡⲟⲩ ⲛⲉⲧⲉⲛⲥⲉϣⲟⲟⲡ ⲁⲛ ϫⲉⲕⲁⲥ ⲉϥⲉⲕⲁⲧⲁⲣⲅⲉⲓ ⲛⲛⲉⲧϣⲟⲟⲡ
29 mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’ Andriamanitra.
ⲕ̅ⲑ̅ϫⲉ ⲛⲛⲉ ⲗⲁⲁⲩ ⲛⲥⲁⲣⲝ ϣⲟⲩϣⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ ⲙⲡⲉⲙⲧⲟ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ
30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’ i Kristy Jesosy, Izay nataon’ Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,
ⲗ̅ⲛⲧⲱⲧⲛ ⲇⲉ ⲛⲧⲉⲧⲛ ϩⲉⲛⲉⲃⲟⲗ ⲛϩⲏⲧϥ ϩⲙ ⲡⲉⲭⲥ ⲓⲏⲥ ⲡⲁⲓ ⲉⲛⲧⲁϥϣⲱⲡⲉ ⲛⲁⲛ ⲛⲥⲟⲫⲓⲁ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲓⲧⲙ ⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲛⲇⲓⲕⲁⲓⲟⲥⲩⲛⲏ ⲁⲩⲱ ⲛⲧⲃⲃⲟ ⲁⲩⲱ ⲛⲥⲱⲧⲉ
31 mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany.
ⲗ̅ⲁ̅ϫⲉⲕⲁⲥ ⲕⲁⲧⲁ ⲑⲉ ⲉⲧⲥⲏϩ ϫⲉ ⲡⲉⲧϣⲟⲩϣⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ ⲙⲁⲣⲉϥϣⲟⲩϣⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ ϩⲙ ⲡϫⲟⲉⲓⲥ