< 1 Tantara 9 >
1 Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
Так были перечислены по родам своим все Израильтяне, и вот они записаны в книге царей Израильских. Иудеи же за беззакония свои переселены в Вавилон.
2 Ary ny mponina taloha tamin’ ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.
Первые жители, которые жили во владениях своих, по городам Израильским, были Израильтяне, священники, левиты и нефинеи.
3 Ary tany Jerosalema no nonenan’ ny sasany amin’ ny taranak’ i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:
В Иерусалиме жили некоторые из сынов Иудиных и из сынов Вениаминовых, и из сынов Ефремовых и Манассииных:
4 dia Otahy, zanak’ i Amihoda, zanak’ i Omry, zanak’ Imry, zanak’ i Bany, avy amin’ ny taranak’ i Fareza, zanak’ i Joda.
Уфай, сын Аммиуда, сын Омри, сын Имрия, сын Вания, - из сыновей Фареса, сына Иудина;
5 Ary tamin’ ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.
из сыновей Шилона - Асаия первенец и сыновья его;
6 Ary tamin’ ny taranak’ i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.
из сыновей Зары - Иеуил и братья их, - шестьсот девяносто;
7 Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina dia Salo, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Hodavia, zanak’ i Hasenoa,
из сыновей Вениаминовых Саллу, сын Мешуллама, сын Годавии, сын Гассенуи;
8 sy Jibnia, zanak’ i Jerohama, sy Elaha, zanak’ i Ozy, zanak’ i Mikry, sy Mesolama, zanak’ i Sefatia, zanak’ i Regoela, zanak’ i Jibnia;
и Ивния, сын Иерохама, и Эла, сын Уззия, сына Михриева, и Мешуллам, сын Шефатии, сына Регуила, сына Ивнии,
9 ary ny isan’ ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan’ ny fianakaviany avy.
и братья их, по родам их: девятьсот пятьдесят шесть, - все сии мужи были главы родов в поколениях своих.
10 Ary tamin’ ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina
А из священников: Иедаия, Иоиарив, Иахин,
11 sy Azaria, zanak’ i Hilkia, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Meraiota, zanak’ i Ahitoba, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra,
и Азария, сын Хелкии, сын Мешуллама, сын Садока, сын Мераиофа, сын Ахитува, начальствующий в доме Божием;
12 ary Adaia, zanak’ i Jerohama, zanak’ i Pasora, zanak’ i Malkia, ary Masay, zanak’ i Adiela, zanak’ i Jazera, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Mesilemita, zanak’ Imera.
и Адаия, сын Иерохама, сын Пашхура, сын Малхии; и Маасай, сын Адиела, сын Иахзера, сын Мешуллама, сын Мешиллемифа, сын Иммера;
13 Ary ny rahalahin’ ireo, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin’ ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra ireo.
и братья их, главы родов своих: тысяча семьсот шестьдесят, - люди отличные в деле служения в доме Божием.
14 Ary tamin’ ny Levita dia Semaia, zanak’ i Hasoba, zanak’ i Azrikama, zanak’ i Hasabia, tamin’ ny taranak’ i Merary,
А из левитов: Шемаия, сын Хашува, сын Азрикама, сын Хашавии, - из сыновей Мерариных;
15 ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zikry, zanak’ i Asafa,
и Вакбакар, Хереш, Галал, и Матфания, сын Михи, сын Зихрия, сын Асафа;
16 ary Obadia, zanak’ i Semaia, zanak’ i Galala, zanak’ i Jedotona, ary Berekia, zanak’ i Asa, zanak’ i Elkana, izay nonina tamin’ ny vohitry ny Netotatita.
и Овадия, сын Шемаии, сын Галала, сын Идифуна, и Берехия, сын Асы, сын Елканы, живший в селениях Нетофафских.
17 Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;
А привратники: Шаллум, Аккуб, Талмон и Ахиман, и братья их; Шаллум был главным.
18 ambaraka ankehitriny dia ao amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin’ ny tobin’ ny taranak’ i Levy.
И доныне сии привратники у ворот царских, к востоку, содержат стражу сынов Левииных.
19 Ary Saloma, zanak’ i Kore, zanak’ i Abiasafa, zanak’ i Kora, sy ny Koraïta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ ny fiandrasana ny varavaran’ ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ ny tobin’ i Jehovah.
Шаллум, сын Коре, сын Евиасафа, сын Корея, и братья его из рода его, Кореяне, по делу служения своего, были стражами у порогов скинии, а отцы их охраняли вход в стан Господень.
20 Ary Finehasa, zanak’ i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.
Финеес, сын Елеазаров, был прежде начальником над ними, и Господь был с ним.
21 Ary Zakaria, zanak’ i Meselemia, no mpiandry ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Захария, сын Мешелемии, был привратником у дверей скинии собрания.
22 Ary ny isan’ ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin’ ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ ny vohiny avy; ary notendren’ i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.
Всех их, выбранных в привратники к порогам, было двести двенадцать. Они внесены в список по селениям своим. Их поставил Давид и Самуил-прозорливец за верность их.
23 Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ny trano-lay.
И они и сыновья их были на страже у ворот дома Господня, при доме скинии.
24 Teo amin’ ny lafiny efatra no nitoeran’ ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.
На четырех сторонах находились привратники: на восточной, западной, северной и южной.
25 Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin’ ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.
Братья же их жили в селениях своих, приходя к ним от времени до времени на семь дней.
26 Fa nanao tamin’ ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan’ ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian’ ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra koa izy ireo.
Сии четыре начальника привратников, левиты, были в доверенности; они же были приставлены к жилищам и к сокровищам дома Божия.
27 Ary manodidina ny tranon’ Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.
Вокруг дома Божия они и ночь проводили, потому что на них лежало охранение, и они должны были каждое утро отпирать двери.
28 Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.
Одни из них были приставлены к служебным сосудам, так что счетом принимали их и счетом выдавали.
29 Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masìna rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.
Другим из них поручена была прочая утварь и все священные потребности: мука лучшая, и вино, и елей, и ладан, и благовония.
30 Ary ny sasany tamin’ ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.
А из сыновей священнических некоторые составляли миро из веществ благовонных.
31 Ary Matatia, anankiray tamin’ ny Levita, lahimatoan’ i Saloma Koraïta, no tonian’ ny zavatra izay natao tamin’ ny fanendasana.
Маттафии из левитов, - он первенец Селлума Кореянина, - вверено было приготовляемое на сковородах.
32 Ary ny sasany tamin’ ny rahalahiny, tamin’ ny taranaky ny Kehatita, no tonian’ ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.
Некоторым из братьев их, из сынов Каафовых, поручено было заготовление хлебов предложения, чтобы представлять их каждую субботу.
33 Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin’ ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin’ izany raharaha izany andro aman’ alina izy.
Певцы же, главные в поколениях левитских, в комнатах храма свободны были от занятий, потому что день и ночь они обязаны были заниматься искусством своим.
34 Ireo dia lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
Это главы поколений левитских, в родах своих главные. Они жили в Иерусалиме.
35 Ary tao Gibeona no nonenan’ i Jeiela, razamben’ ny an’ i Gibeona, ary ny anaran’ ny vadiny dia Imaka;
В Гаваоне жили: отец Гаваонитян Иеил, имя жены его Мааха,
36 ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,
и сын его первенец Авдон, за ним Цур, Кис, Ваал, Нер, Надав,
37 dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.
Гедор, Ахио, Захария и Миклоф.
38 Ary Miklota niteraka an’ i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin’ ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
Миклоф родил Шимеама. И они подле братьев своих жили в Иерусалиме вместе с братьями своими.
39 Ary Nera niteraka an’ i Kisy; ary Kisy niteraka an’ i Saoly; ary Saoly niteraka an’ i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
Нер родил Киса, Кис родил Саула, Саул родил Ионафана, Мелхисуя, Авинадава и Ешбаала.
40 Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an’ i Mika.
Сын Ионафана Мериббаал; Мериббаал родил Миху.
41 Ary ny zanakalahin’ i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.
Сыновья Михи: Пифон, Мелех, Фарей и Ахаз.
42 Ary Ahaza niteraka an’ i Jara; ary Jara niteraka an’ i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an’ i Moza;
Ахаз родил Иаеру; Иаера родил Алемефа, Азмавефа и Замврия; Замврий родил Моцу;
43 ary Moza niteraka an’ i Binea; ary Refaia no zanakalahin’ i Binea, Elasa no zanakalahin’ i Refaia, Azela no zanakalahin’ i Elasa.
Моца родил Бинею: Рефаия, сын его; Елеаса, сын его; Ацел, сын его.
44 Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin’ i Azela.
У Ацела шесть сыновей, и вот имена их: Азрикам, Бохру, Исмаил, Шеария, Овадия и Ханан. Это сыновья Ацела.