< 1 Tantara 7 >
1 Ary ny zanakalahin’ Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy.
Isakari abotaki bana mibali minei: Tola, Puwa, Yashubi mpe Shimironi. Bango nyonso bazalaki minei.
2 Ary ny zanakalahin’ i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan’ ny fianakaviany avy, dia zanak’ i Tola sady samy lehilahy mahery tamin’ ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin’ ny andron’ i Davida.
Bana mibali ya Tola: Uzi, Refaya, Yeriyeli, Yamayi, Yibisami mpe Samuele. Bango nde babotamaki na nzela ya Tola mpe bazalaki bakambi ya mabota ya botata na bango. Kati na mabota na bango, bazalaki basoda ya mpiko nkoto tuku mibale na mibale na nkama motoba, na tango Davidi azalaki mokonzi.
3 Ary ny zanakalahin’ i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin’ i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo.
Bana mibali ya Uzi: Yiziraya. Bana mibali ya Yiziraya: Mikaeli, Abidiasi, Joeli mpe Yishiya. Bango nyonso mitano bazalaki bakambi.
4 Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak’ ireo.
Kati na molongo na bango kolanda bituka na bango mpe mabota na bango ya botata; ezalaki na basoda ya mpiko nkoto tuku misato na motoba, pamba te bazalaki na basi mpe bana ebele.
5 Ary ny rahalahiny ao amin’ ny fokon’ ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan’ izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina.
Bandeko mibali nyonso kati na bituka ya libota ya Isakari, oyo bakomamaki na buku ya mabota, bazalaki nkoto tuku mwambe na sambo. Bazalaki basoda ya mpiko.
6 Ny zanakalahin’ i Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy.
Benjame abotaki bana mibali misato: Bela, Bekeri mpe Yediayeli.
7 Ary ny zanakalahin’ i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan’ ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina.
Bela abotaki bana mibali mitano: Etsiboni, Uzi, Uzieli, Yerimoti mpe Iri. Bazalaki bakambi ya bituka na bango mpe basoda ya mpiko. Motango ya bato oyo batangamaki ezalaki nkoto tuku mibale na mibale na tuku misato na minei.
8 Ary ny zanakalahin’ i Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Bakera.
Bana mibali ya Bekeri: Zemira, Yoashi, Eliezeri, Eliowenayi, Omiri, Yeremoti, Abiya, Anatoti mpe Alemeti. Bango nyonso nde bazalaki bana mibali ya Bekeri.
9 Ary ny isany araka ny firazanany amin’ ny fireneny, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina.
Motango ya basoda ya mpiko, kolanda bituka na bango, ezalaki nkoto tuku mibale na nkama mibale.
10 Ny zanakalahin’ i Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin’ i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara
Bakitani ya Yediayeli: Bilani. Bana mibali ya Bilani: Yewushi, Benjame, Ewudi, Kenaana, Zetani, Tarsisi, Ayishaari.
11 Ireo zanakalahin’ i Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan’ ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan’ ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika.
Kati na molongo ya Yediayeli, bakitani nyonso bazalaki bakambi ya bituka na bango mpe basoda ya mpiko. Motango na bango ezalaki nkoto zomi na sambo na nkama mibale.
12 Sopima koa sy Hopima, zanakalahin’ Iry, ary Hosima, zanakalahin’ i Ahera.
Bana mibali ya Iri: Shupimi mpe Upime. Ushimi azalaki mwana mobali ya Aeri.
13 Ny zanakalahin’ i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin’ i Bila ireo.
Bana mibali ya Nefitali: Yatseyeli, Guni, Yetseri mpe Shalumi. Bazalaki bakitani ya Bila.
14 Ny zanakalahin’ i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an’ i Matira, rain’ i Gileada.
Bakitani ya Manase: Asirieli na nzela ya makangu na ye, moto ya Arami. Abotelaki ye lisusu Makiri, tata ya bato ya Galadi.
15 Ary Makira naka vady ho an’ i Hopima sy Sopima; ny anaran’ ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran’ ny manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy.
Makiri abalaki Maaka oyo azalaki ndeko mwasi ya Upime mpe Shupimi. Kombo ya mwana mobali mosusu ya Manase ezalaki « Tselofikadi. » Tselofikadi abotaki kaka bana basi.
16 Ary Imaka, vadin’ i Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran’ ny rahalahiny; ary ny anaran’ ny zananilahy dia Olama sy Rakema.
Maaka, mwasi ya Makiri, abotelaki ye lisusu mwana mobali oyo apesaki kombo « Peretsi. » Peretsi azalaki na ndeko mobali, Shereshi, oyo abotaki bana mibali oyo: Ulami mpe Rekemi.
17 Ary ny zanakalahin’ i Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin’ i Gileada, zanakalahin’ i Makira, zanakalahin’ i Manase.
Ulami abotaki: Bedani oyo azalaki mwana mobali. Bango nde bazalaki bakitani ya Galadi, mwana mobali ya Makiri, mwana mobali ya Manase.
18 Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an’ Isehoda sy Abiezera ary Mahala.
Amoleketi, ndeko mwasi ya Manase, abotaki Ishodi, Abiezeri mpe Mala.
19 Ary ny zanakalahin’ i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.
Bana mibali ya Shemida: Ayani, Sishemi, Liki mpe Aniami.
20 Ary ny zanakalahin’ i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin’ i Sotela, Tahata no zanakalahin’ i Bareda, Elada no zanakalahin’ i Tahata, Tahata no zanakalahin’ i Elada,
Bakitani ya Efrayimi: Efrayimi abotaki Shutela, Shutela abotaki Beredi, Beredi abotaki Taati, Taati abotaki Eleada, Eleada abotaki Taati,
21 Zabada no zanakalahin’ i Tahata, Sotela no zanakalahin’ i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin’ ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman’ ondriny izy.
Taati abotaki Zabadi, mpe Zabadi abotaki Shutela. Bankolo mboka oyo babotamaki na mokili ya Gati, babomaki Ezeri mpe Eleadi, pamba te balukaki kobotola bibwele ya bato ya Gati.
22 Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy.
Tata na bango Efrayimi alelaki bango mikolo ebele, mpe bandeko na ye bayaki kobondisa ye.
23 Ary nony niray tamin’ ny vadiny izy, dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin’ izany.
Sima na yango, Efrayimi asangisaki lisusu nzoto na mwasi na ye oyo azwaki zemi mpe abotaki mwana mobali. Boye Efrayimi apesaki ye kombo « Beria, » pamba te abotamaki tango pasi ezalaki kati na libota na ye.
24 (Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an’ i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).
Efrayimi azalaki lisusu na mwana mwasi, Shera, oyo atongaki Beti-Oroni ya ngomba mpe ya lubwaku, mpe Uzeni-Shera.
25 Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin’ i Beria, Tela no zanakalahin’ i Rasefa, Tahana no zanakalahin’ i Tela,
Beria abotaki Refa, Refa abotaki Retsefi, Retsefi abotaki Tela, Tela abotaki Tayani,
26 Ladana no zanakalahin’ i Tahana, Amihoda no zanakalahin’ i Ladana, Elisama no zanakalahin’ i Amihoda.
Taani abotaki Laedani, Laedani abotaki Amiwudi, Amiwudi abotaki Elishama, Elishama abotaki Nuni,
27 Nona no zanakalahin’ i Elisama, Josoa no zanakalahin’ i Nona.
Nuni abotaki Jozue.
28 Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;
Bakitani ya Efrayimi bazwaki lokola libula mpe bisika ya kovanda: Beteli mpe bamboka na yango ya mike, na ngambo ya este; Narani, na ngambo ya weste; Gezeri mpe bamboka na yango ya mike; Sishemi mpe bamboka na yango ya mike kino na Aya mpe bamboka na yango ya mike.
29 ary teo amin’ ny sisin-tanin’ ny taranak’ i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin’ ireo no nonenan’ ny taranak’ i Josefa, zanak’ Isiraely.
Bakitani ya Manase bazwaki lokola libula: Beti-Sheani, Taanaki, Megido, Dori mpe bamboka na yango ya mike. Bakitani ya Jozefi, mwana mobali ya Isalaele, bazalaki kovanda na bingumba wana nyonso.
30 Ny zanakalahin’ i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin’ ireo.
Bana mibali ya Aseri: Yimina, Yishiva, Yishivi mpe Beria. Sera azalaki ndeko na bango ya mwasi.
31 Ary ny zanakalahin’ i Beria dia Hebera sy Malkiela, rain’ i Birzavita.
Bana mibali ya Beria: Eberi mpe Malikieli oyo azalaki tata ya bato ya Biriza.
32 Ary Hebera niteraka an’ i Jafleta sy Somera sy Hotama; ary Soha no anabavin’ ireo.
Bana mibali ya Eberi: Yafeleti, Shomeri, Otami mpe ndeko na bango ya mwasi Shuwa.
33 Ary ny zanakalahin’ i Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin’ i Jafleta.
Bana mibali ya Yafeleti: Pasaki, Bimali mpe Ashivati. Bango nde bazalaki bana mibali ya Yafeleti.
34 Ary ny zanakalahin’ i Samera dia Ahaia sy Rohaga sy Hoba ary Arama.
Bana mibali ya Shemeri: Ayi, Roega, Yewuba mpe Arami.
35 Ary ny zanakalahin’ i Helema rahalahiny dia Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala.
Bana mibali ya Elemi, ndeko mobali ya Shemeri: Tsofa, Yimina, Sheleshi mpe Amali.
36 Ny zanakalahin’ i Zofa dia Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra
Bana mibali Tsofa: Suwa, Arineferi, Shuwali, Beri, Yimira,
37 sy Bazera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera.
Betseri, Odi, Shama, Shilisha, Yitirani mpe Beera.
38 Ary ny zanakalahin’ i Jatera dia Jefone sy Pispa ary Ara.
Bana mibali ya Yeteri: Yefune, Pisipa mpe Ara.
39 Ary ny zanakalahin’ i Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia.
Bana mibali ya Ula: Ara, Anieli mpe Ritsiya.
40 Ireo zanakalahin’ i Asera rehetra ireo dia samy lohan’ ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan’ ny azo nalefa hanafika.
Bango nyonso bazalaki bakitani ya Aseri: bazalaki bakambi ya mabota na bango, bato ya lokumu, basoda ya mpiko mpe bakambi ya bakambi ya bituka. Motango ya bato nyonso oyo bakomamaki na buku ya mabota mpe bakoki mpo na bitumba, ezalaki nkoto tuku mibale na motoba.