< 1 Tantara 6 >

1 Ny zanakalahin’ i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.
בני לוי גרשון קהת ומררי׃
2 Ary ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
ובני קהת עמרם יצהר וחברון ועזיאל׃
3 Ary ny zanak’ i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
ובני עמרם אהרן ומשה ומרים ובני אהרן נדב ואביהוא אלעזר ואיתמר׃
4 Eleazara niteraka an’ i Finehasa; ary Finehasa niteraka an’ i Abisoa;
אלעזר הוליד את פינחס פינחס הליד את אבישוע׃
5 ary Abisoa niteraka an’ i Boky; ary Boky niteraka an’ i Ozy;
ואבישוע הוליד את בקי ובקי הוליד את עזי׃
6 ary Ozy niteraka an’ i Zerahia; ary Zerahia niteraka an’ i Meraiota;
ועזי הוליד את זרחיה וזרחיה הוליד את מריות׃
7 ary Meraiota niteraka an’ i Amaria; ary Amaria niteraka an’ i Ahitoba;
מריות הוליד את אמריה ואמריה הוליד את אחיטוב׃
8 ary Ahitoba niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Ahimaza;
ואחיטוב הוליד את צדוק וצדוק הוליד את אחימעץ׃
9 ary Ahimaza niteraka an’ i Azaria; ary Azaria niteraka an’ i Johanana;
ואחימעץ הוליד את עזריה ועזריה הוליד את יוחנן׃
10 ary Johanana niteraka an’ i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin’ ny trano nataon’ i Solomona tany Jerosalema);
ויוחנן הוליד את עזריה הוא אשר כהן בבית אשר בנה שלמה בירושלם׃
11 ary Azaria niteraka an’ i Amaria; ary Amaria niteraka an’ i Ahitoba;
ויולד עזריה את אמריה ואמריה הוליד את אחיטוב׃
12 ary Ahitoba niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Saloma;
ואחיטוב הוליד את צדוק וצדוק הוליד את שלום׃
13 ary Saloma niteraka an’ i Hilkia; ary Hilkia niteraka an’ i Azaria;
ושלום הוליד את חלקיה וחלקיה הוליד את עזריה׃
14 ary Azaria niteraka an’ i Seraia; ary Seraia niteraka an’ i Jozadaka;
ועזריה הוליד את שריה ושריה הוליד את יהוצדק׃
15 ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr’ i Jehovah ho babon’ i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
ויהוצדק הלך בהגלות יהוה את יהודה וירושלם ביד נבכדנאצר׃
16 Ny zanakalahin’ i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.
בני לוי גרשם קהת ומררי׃
17 Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Gersona: Libny sy Semey.
ואלה שמות בני גרשום לבני ושמעי׃
18 Ary ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
ובני קהת עמרם ויצהר וחברון ועזיאל׃
19 Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ary izao no fokon’ ny Levita araka ny rainy:
בני מררי מחלי ומשי ואלה משפחות הלוי לאבותיהם׃
20 Avy amin’ i Gersona: Libny no zanak’ i Gersona, Jahata no zanak’ i Libny, Zima no zanak’ i Jahata,
לגרשום לבני בנו יחת בנו זמה בנו׃
21 Joa no zanak’ i Zima, Ido no zanak’ i Joa, Zera no zanak’ Ido, Jeateray zanak’ i Zera.
יואח בנו עדו בנו זרח בנו יאתרי בנו׃
22 Ny zanakalahin’ i Kehata dia Aminadaba, Kora no zanakalahin’ i Aminadaba, Asira no zakalahin’ i Kora,
בני קהת עמינדב בנו קרח בנו אסיר בנו׃
23 Elkana no zanakalahin’ i Asira, Ebiasafa no zanakalahin’ i Elkana, Asira no zanakalahin’ i Ebiasafa,
אלקנה בנו ואביסף בנו ואסיר בנו׃
24 Tahata no zanakalahin’ i Asira, Oriela no zanakalahin’ i Tahata, Ozia no zanakalahin’ i Oriela, ary Saoly no zanakalahin’ i Ozia.
תחת בנו אוריאל בנו עזיה בנו ושאול בנו׃
25 Ary ny zakalahin’ i Elkana dia Amasay sy Ahimota.
ובני אלקנה עמשי ואחימות׃
26 Ny amin’ i Elkana, ny zananilahy dia Zofay, ary Nahata no zanakalahin’ i Zofay,
אלקנה בנו אלקנה צופי בנו ונחת בנו׃
27 Eliaba no zanakalahin’ i Nahata, Jerohama no zanakalahin’ i Eliaba, Elkana no zanakalahin’ i Jerohama.
אליאב בנו ירחם בנו אלקנה בנו׃
28 Ary ny zanakalahin’ i Samoela dia Vasny lahimatoa sy Abia.
ובני שמואל הבכר ושני ואביה׃
29 Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly, Libny no zanakalahin’ i Maly, Semey no zanakalahin’ i Libny, Oza no zanakalahin’ i Semey,
בני מררי מחלי לבני בנו שמעי בנו עזה בנו׃
30 Simea no zanakalahin’ i Oza, Hagia no zanakalahin’ i Simea, Asaba no zanakalahin’ i Hagia.
שמעא בנו חגיה בנו עשיה בנו׃
31 Ary izao no notendren’ i Davida ho mpiventy hira tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, rehefa voapetraka tao ny fiara,
ואלה אשר העמיד דויד על ידי שיר בית יהוה ממנוח הארון׃
32 ka nanao hira fanompoam-pivavahana izy tao amin’ ny tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana, ambara-panaon’ i Solomona ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny raharahany izy, dia nitsangana araka ny filaharany avy,
ויהיו משרתים לפני משכן אהל מועד בשיר עד בנות שלמה את בית יהוה בירושלם ויעמדו כמשפטם על עבודתם׃
33 dia izao no nanompo mbamin’ ny zanany: Tamin’ ny zanakalahin’ ny Kehatita dia Hemana mpihira, zanakalahin’ i Joela, zanakalahin’ i Samoela,
ואלה העמדים ובניהם מבני הקהתי הימן המשורר בן יואל בן שמואל׃
34 zanakalahin’ i Elkana, zanakalahin’ i Jerohama, zanakalahin’ i Eliala, zanakalahin’ i Toa.
בן אלקנה בן ירחם בן אליאל בן תוח׃
35 zanakalahin’ i Zofa, zanakalahin’ i Elkana, zanakalahin’ i Mahata, zanakalahin’ i Amasay,
בן ציף בן אלקנה בן מחת בן עמשי׃
36 zanakalahin’ i Elkana, zanakalahin’ i Joela, zanakalahin’ i Azaria, zanakalahin’ i Zefania,
בן אלקנה בן יואל בן עזריה בן צפניה׃
37 zanakalahin’ i Tahata, zanakalahin’ i Asira, zanakalahin’ i Ebiasafa, zanakalahin’ i Kora,
בן תחת בן אסיר בן אביסף בן קרח׃
38 zanakalahin’ i Jizara, zanakalahin’ i Kehata, zanakalahin’ i Levy, zanak’ Isiraely.
בן יצהר בן קהת בן לוי בן ישראל׃
39 Ary Asafa rahalahiny, izay nitsangana teo amin’ ny ankavanany, dia Asafa, zanakalahin’ i Berekia, zanakalahin’ i Simea,
ואחיו אסף העמד על ימינו אסף בן ברכיהו בן שמעא׃
40 zanakalahin’ i Mikaela, zanakalahin’ i Beseia, zanakalahin’ i Malkia,
בן מיכאל בן בעשיה בן מלכיה׃
41 zanakalahin’ i Etny, zanakalahin’ i Zera, zanakalahin’ i Adaia,
בן אתני בן זרח בן עדיה׃
42 zanakalahin’ i Etana, zanakalahin’ i Zima, zanakalahin’ i Simey,
בן איתן בן זמה בן שמעי׃
43 zanakalahin’ i Jahata, zanakalahin’ i Gersona, zanakalahin’ i Levy.
בן יחת בן גרשם בן לוי׃
44 Ary ny rahalahin’ ireo kosa, dia ny zanakalahin’ i Merary, nitsangana teo amin’ ny ankaviany: Etana, zanakalahin’ i Kisy, zanakalahin’ i Abdia, zanakalahin’ i Maloka,
ובני מררי אחיהם על השמאול איתן בן קישי בן עבדי בן מלוך׃
45 zanakalahin’ i Hasabia, zanakalahin’ i Amazia, zanakalahin’ i Hilkia,
בן חשביה בן אמציה בן חלקיה׃
46 zanakalahin’ i Amzy, zanakalahin’ i Bany, zanakalahin’ i Samera,
בן אמצי בן בני בן שמר׃
47 zanakalahin’ i Maly, zanakalahin’ i Mosy, zanakalahin’ i Merary, zanakalahin’ i Levy.
בן מחלי בן מושי בן מררי בן לוי׃
48 Ary ny Levita rahalahin’ ireo koa dia efa nomena hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ ny tabernakelin’ ny tranon’ Andriamanitra.
ואחיהם הלוים נתונים לכל עבודת משכן בית האלהים׃
49 Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra teo ambonin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin’ ny fitoerana masìna indrindra sy hanao fanavotana ho an’ ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra.
ואהרן ובניו מקטירים על מזבח העולה ועל מזבח הקטרת לכל מלאכת קדש הקדשים ולכפר על ישראל ככל אשר צוה משה עבד האלהים׃
50 Ary ny zanakalahin’ i Arona dia Eleazara, ary Finehasa no zanakalahin’ i Eleazara, Abisoa no zanakalahin’ i Finehasa,
ואלה בני אהרן אלעזר בנו פינחס בנו אבישוע בנו׃
51 Boky no zanakalahin’ i Abisoa, Ozy no zanakalahin’ i Boky, Zerahia no zanakalahin’ i Ozy,
בקי בנו עזי בנו זרחיה בנו׃
52 Meraiota no zanakalahin’ i Zerahia, Amaria no zanakalahin’ i Meraiota, Ahitoba no zanakalahin’ i Amaria,
מריות בנו אמריה בנו אחיטוב בנו׃
53 Zadoka no zanakalahin’ i Ahitoba, Ahimaza no zanakalahin’ i Zadoka.
צדוק בנו אחימעץ בנו׃
54 Ary izao no fonenany araka ny vohiny tao amin’ ny zara-taniny avy, dia ny an’ ny taranak’ i Arona, avy amin’ ny fokon’ ny Kehatita; fa azy ny loka:
ואלה מושבותם לטירותם בגבולם לבני אהרן למשפחת הקהתי כי להם היה הגורל׃
55 Nomeny azy Hebrona tao amin’ ny tanin’ ny Joda sy ny tany manodidina azy.
ויתנו להם את חברון בארץ יהודה ואת מגרשיה סביבתיה׃
56 Fa ny saha momba ny tanàna sy ny vohiny kosa nomeny an’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.
ואת שדה העיר ואת חצריה נתנו לכלב בן יפנה׃
57 Ary ny taranak’ i Arona nomeny an’ i Hebrona, tanàna fiarovana, ary Libna sy ny tany manodidina azy ary Jatira sy Estemoa sy ny tany manodidina azy
ולבני אהרן נתנו את ערי המקלט את חברון ואת לבנה ואת מגרשיה ואת יתר ואת אשתמע ואת מגרשיה׃
58 ary Hilena sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy
ואת חילז ואת מגרשיה את דביר ואת מגרשיה׃
59 ary Asana sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy;
ואת עשן ואת מגרשיה ואת בית שמש ואת מגרשיה׃
60 ary avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia Geba sy ny tany manodidina azy ary Alemeta sy ny tany manodidina azy ary Anotata sy ny tany manodidina azy. Dia telo ambin’ ny folo no isan’ ny tanànan’ izy mianakavy rehetra.
וממטה בנימן את גבע ואת מגרשיה ואת עלמת ואת מגרשיה ואת ענתות ואת מגרשיה כל עריהם שלש עשרה עיר במשפחותיהם׃
61 Ary ny an’ ny taranak’ i Kehata sisa tamin’ ny fokon’ izany firenena izany dia tanàna folo araka ny filokana tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
ולבני קהת הנותרים ממשפחת המטה ממחצית מטה חצי מנשה בגורל ערים עשר׃
62 Ary ny an’ ny taranak’ i Gersona araka ny fokony dia tanàna telo ambin’ ny folo tamin’ ny firenen’ Isakara sy ny firenen’ i Asera sy ny firenen’ i Naftaly ary ny firenen’ i Manase any Basana.
ולבני גרשום למשפחותם ממטה יששכר וממטה אשר וממטה נפתלי וממטה מנשה בבשן ערים שלש עשרה׃
63 Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Merary araka ny fokony dia tanàna roa ambini ny folo avy tamin’ ny firenen’ i Robena sy ny firenen’ i Gada ary ny firenen’ i Zebolona.
לבני מררי למשפחותם ממטה ראובן וממטה גד וממטה זבולן בגורל ערים שתים עשרה׃
64 Dia nomen’ ny Zanak’ i Isiraely ho an’ ny Levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy.
ויתנו בני ישראל ללוים את הערים ואת מגרשיהם׃
65 Ary nomeny tamin’ ny filokana ireto tanàna tononina ireto avy tamin’ ny firenena taranak’ i Joda sy ny firenena taranak’ i Simeona ary ny firenena taranak’ i Benjamina.
ויתנו בגורל ממטה בני יהודה וממטה בני שמעון וממטה בני בנימן את הערים האלה אשר יקראו אתהם בשמות׃
66 Fa ny sasany amin’ ny fokon’ ny taranak’ i Kehata dia nahazo tanàna avy tamin’ ny firenen’ i Efraima.
וממשפחות בני קהת ויהי ערי גבולם ממטה אפרים׃
67 Ary nomeny azy Sekema, tanàna fiarovana, tao amin’ ny tany havoan’ i Efraima sy ny tany manodidina azy ary Gazera sy ny tany manodidina azy
ויתנו להם את ערי המקלט את שכם ואת מגרשיה בהר אפרים ואת גזר ואת מגרשיה׃
68 ary Jokmeama sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy
ואת יקמעם ואת מגרשיה ואת בית חורון ואת מגרשיה׃
69 ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy;
ואת אילון ואת מגרשיה ואת גת רמון ואת מגרשיה׃
70 ary ny avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Amera sy ny tany manodidina azy ary Bileama sy ny tany manodidina azy, dia ho an’ ny fokon’ ny taranak’ i Kehata sisa.
וממחצית מטה מנשה את ענר ואת מגרשיה ואת בלעם ואת מגרשיה למשפחת לבני קהת הנותרים׃
71 Ary ny an’ ny taranak’ i Gersona dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy ary Astarta, sy ny tany manodidina azy avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase;
לבני גרשום ממשפחת חצי מטה מנשה את גולן בבשן ואת מגרשיה ואת עשתרות ואת מגרשיה׃
72 ary ny avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia Kadesy sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy
וממטה יששכר את קדש ואת מגרשיה את דברת ואת מגרשיה׃
73 ary Ramota sy ny tany manodidina azy ary Anema sy ny tany manodidina azy;
ואת ראמות ואת מגרשיה ואת ענם ואת מגרשיה׃
74 ary ny avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia Masala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy
וממטה אשר את משל ואת מגרשיה ואת עבדון ואת מגרשיה׃
75 ary Hokoka sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny tany manodidina azy;
ואת חוקק ואת מגרשיה ואת רחב ואת מגרשיה׃
76 ary ny avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy ary Hamona sy ny tany manodidina azy ary Kiriataima sy ny tany manodidina azy.
וממטה נפתלי את קדש בגליל ואת מגרשיה ואת חמון ואת מגרשיה ואת קריתים ואת מגרשיה׃
77 Ary ny an’ ny sisa, taranak’ i Merary, dia avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona, dia Rimono sy ny tany manodidina azy ary Tabara sy ny tany manodidina azy;
לבני מררי הנותרים ממטה זבולן את רמונו ואת מגרשיה את תבור ואת מגרשיה׃
78 ary any an-dafin’ i Jordana, tandrifin’ i Jeriko, atsinanan’ i Jordana, koa dia avy tamin’ ny firenen’ i Robena, dia Bazera any an-efitra sy ny tany manodidina azy ary Jaza sy ny tany manodidina azy
ומעבר לירדן ירחו למזרח הירדן ממטה ראובן את בצר במדבר ואת מגרשיה ואת יהצה ואת מגרשיה׃
79 ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy;
ואת קדמות ואת מגרשיה ואת מיפעת ואת מגרשיה׃
80 ary avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia Ramota-gileada sy ny tany manodidina azy ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy
וממטה גד את ראמות בגלעד ואת מגרשיה ואת מחנים ואת מגרשיה׃
81 ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy.
ואת חשבון ואת מגרשיה ואת יעזיר ואת מגרשיה׃

< 1 Tantara 6 >