< 1 Tantara 5 >
1 Ary ny zanakalahin’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ ny zanak’ i Josefa, zanak’ Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ ny fitantaram-pirazanana ireo;
イスラエルの長子ルベンの子らは次のとおりである。ルベンは長子であったが父の床を汚したので、長子の権はイスラエルの子ヨセフの子らに与えられた。それで長子の権による系図にしるされていない。
2 fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian’ ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an’ i Josefa ihany),
またユダは兄弟たちにまさる者となり、その中から君たる者がでたが長子の権はヨセフのものとなったのである。
3 ny zanakalahin’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.
すなわちイスラエルの長子ルベンの子らはハノク、パル、ヘヅロン、カルミ。
4 Ny zanakalahin’ i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin’ i Semaia, Sirney no zanakalahin’ i Goga,
ヨエルの子らはその子はシマヤ、その子はゴグ、その子はシメイ、
5 Mika no zanakalahin’ i simey, Reaia no zanakalahin’ i Mika, Bala no zanakalahin’ i Reaia,
その子はミカ、その子はレアヤ、その子はバアル、
6 Bera no zanakalahin’ i Bala, izay nobaboin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria; izy no loham-pirenen’ ny Robenita.
その子はベエラである。このベエラはアッスリヤの王テルガテ・ピルネセルが捕え移した者である。彼はルベンびとのつかさであった。
7 Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan’ ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria
彼の兄弟たちは、その氏族により、その歴代の系図によれば、かしらエイエルおよびゼカリヤ、
8 ary Bela, zanak’ i Azaza, zanak’ i Sema, zanak’ i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.
ベラなどである。ベラはアザズの子、シマの孫、ヨエルのひこである。彼はアロエルに住み、ネボおよびバアル・メオンまで及んでいたが、
9 Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin’ ny efitra ka hatramin’ ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman’ ondriny nihamaro teny amin’ ny tany Gileada.
ギレアデの地で彼の家畜がふえ増したので、彼は東の方ユフラテ川のこなたの荒野の入口にまで住んだ。
10 Ary tamin’ ny andron’ i Saoly dia niady tamin’ ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran’ ny ilany atsinanana rehetra amin’ i Gileada izy.
またサウルの時、彼らはハガルびとと戦って、これを撃ち倒し、ギレアデの東の全部にわたって彼らの天幕に住んだ。
11 Ary ny taranak’ i Gada nonina tandrifiny, teny amin’ ny tany Basana hatrany Saleka;
ガドの子孫はこれと相対してバシャンの地に住み、サルカまで及んでいた。
12 Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.
そのかしらはヨエル、次はシャパム、ヤアナイ、シャパテで、ともにバシャンに住んだ。
13 Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.
彼らの兄弟たちは、その氏族によればミカエル、メシュラム、シバ、ヨライ、ヤカン、ジア、エベルの七人である。
14 Ireo no zanakalahin’ i Abihaila, zanak’ i Hory, zanak’ i Jaroa, zanak’ i Gileada, zanak’ i Mikaela, zanak’ i Jesisay, zanak’ i Jado, zanak’ i Boza;
これらはホリの子アビハイルの子らである。ホリはヤロアの子、ヤロアはギレアデの子、ギレアデはミカエルの子、ミカエルはエシサイの子、エシサイはヤドの子、ヤドはブズの子である。
15 Ahia, zanak’ i Abdiela, zanak’ i Gony, no lohan’ ny fianakaviany.
アヒはアブデルの子、アブデルはグニの子、グニはその氏族の長である。
16 Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin’ ny zana-bohiny ary tamin’ ny tany rehetra an-tsisin’ i Sardna manodidina izy.
彼らはギレアデとバシャンとその村里とシャロンのすべての放牧地に住んで、その四方の境にまで及んでいた。
17 Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ ny andron’ i Jotama, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely.
これらはみなユダの王ヨタムの世とイスラエルの王ヤラベアムの世に系図にのせられた。
18 Ny taranak’ i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, izay isan’ ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan’ ny azo nalefa hanafika.
ルベンびとと、ガドびとと、マナセの半部族には出て戦いうる者四万四千七百六十人あり、皆勇士で、盾とつるぎをとり、弓をひき、戦いに巧みな人々であった。
19 Ary niady tamin’ ny Hagarita sy tamin’ i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.
彼らはハガルびとおよびエトル、ネフシ、ノダブなどと戦ったが、
20 Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’ izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’ Andriamanitra teo amin’ ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
助けを得てこれを攻めたので、ハガルびとおよびこれとともにいた者は皆、彼らの手にわたされた。これは彼らが戦いにあたって神に呼ばわり、神に寄り頼んだので神はその願いを聞かれたからである。
21 Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman’ osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;
彼らはその家畜を奪い取ったが、らくだ五万、羊二十五万、ろば二千あり、また人は十万人あった。
22 fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin’ Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan’ ny namaboana azy kosa.
これはその戦いが神によったので、多くの者が殺されて倒れたからである。そして彼らは捕え移される時まで、これに代ってその所に住んだ。
23 Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia nonina tamin’ ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin’ ny tendrombohitra Hermona.
マナセの半部族の人々はこの地に住み、ふえ広がって、ついにバシャンからバアル・ヘルモン、セニルおよびヘルモン山にまで及んだ。
24 Ary izao no lohan’ ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan’ ny fianakaviany avy.
その氏族の長たちは次のとおりである。すなわち、エペル、イシ、エリエル、アズリエル、エレミヤ、ホダヤ、ヤデエル。これらは皆その氏族の長で名高い大勇士であった。
25 Ary nivadika tamin’ Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’ Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
彼らは先祖たちの神にむかって罪を犯し、神が、かつて彼らの前から滅ぼされた国の民の神々を慕って、これと姦淫したので、
26 Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an’ i Pola, mpanjakan’ i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan’ i Asyria, ka dia nobaboin’ ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron’ ny ony Gozana ambaraka androany.
イスラエルの神は、アッスリヤの王プルの心を奮い起し、またアッスリヤの王テルガテ・ピルネセルの心を奮い起されたので、彼はついにルベンびとと、ガドびとと、マナセの半部族を捕えて行き、ハウラとハボルとハラとゴザン川のほとりに移して今日に至っている。