< 1 Tantara 4 >

1 Ny zanakalahin’ i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala.
유다의 아들들은 베레스와, 헤스론과, 갈미와, 훌과, 소발이라
2 Ary Reaia, zanakalahin’ i Sobala, niteraka an’ i Jahata; ary Jahata niteraka an’ i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon’ ny Zoraïta.
소발의 아들 르아야는 야핫을 낳았고, 야핫은 아후매와, 라핫을 낳았으니 이는 소라 사람의 족속이며
3 Ary izao no avy amin’ ny rain’ i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran’ ny anabaviny,
에담 조상의 자손들은 이스르엘과, 이스마와, 잇바스와 저희의 매제 하술렐보니와
4 ary Penoela, rain’ i Gedora, sy Ezera, rain’ i Hosa. Ireo no zanak’ i Hora, lahimatoan’ i Efrata, razamben’ ny any Betlehema.
그들의 아비 브누엘과, 후사의 아비 에셀이니 이는 다 베들레헴의 아비 에브라다의 맏아들 훌의 소생이며
5 Ary Asora, razamben’ ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara.
드고아의 아비 아스훌의 두 아내는 헬라와, 나아라라
6 Ary Nara niteraka an’ i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin’ i Nara.
나아라는 그로 말미암아 아훗삼과, 헤벨과, 데므니와, 하아하스다리를 낳았으니 이는 나아라의 소생이요
7 Ary ny zanakalahin’ i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana.
헬라의 아들들은 세렛과, 이소할과, 에드난이며
8 Ary Hakoza niteraka an’ i Anoba sy Zobeba ary ny fokon’ i Aharela, zanakalahin’ i Haroma.
고스는 아눕과 소베바와 하룸의 아들 아하헬 족속들을 낳았으며
9 Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.
야베스는 그 형제보다 존귀한 자라 그 어미가 이름하여 야베스라 하였으니 이는 내가 수고로이 낳았다 함이었더라
10 Ary Jabeza niantso an’ Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin’ ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’ Andriamanitra azy ny nangatahiny.
야베스가 이스라엘 하나님께 아뢰어 가로되 `원컨대 주께서 내게 복에 복을 더하사 나의 지경을 넓히시고 주의 손으로 나를 도우사 나로 환난을 벗어나 근심이 없게 하옵소서' 하였더니 하나님이 그 구하는 것을 허락하셨더라
11 Ary Keloba, rahalahin’ i Soha, niteraka an’ i Mehira, rain’ i Estona;
수하의 형 글룹이 므힐을 낳았으니 므힐은 에스돈의 아비요
12 ary Estona niteraka an’ i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain’ Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.
에스돈은 베드라바와, 바세아와, 이르나하스의 아비 드힌나를 낳았으니 이는 다 레가 사람이며
13 Ary ny zanakalahin’ i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin’ i Otniela dia Hatata.
그나스의 아들들은 옷니엘과 스라야요, 옷니엘의 아들은 하닷이며
14 Ary Meonotahy niteraka an’ i Ofra; ary Seraia niteraka an’ i Joaba, razamben’ ny ao an-dohasahan’ ny mpiasa; fa mpiasa ireo.
므오노대는 오브라를 낳았고, 스라야는 요압을 낳았으니 요압은 게하라심의 조상이라 저희들은 공장이었더라
15 Ary ny zanakalahin’ i Kaleba, zanakalahin’ i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin’ i Elaha dia Kenaza.
여분네의 아들 갈렙의 자손은 이루와, 엘라와, 나암과, 엘라의 자손과, 그나스요
16 Ary ny zanakalahin’ i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela.
여할렐렐의 아들은 십과, 시바와, 디리아와, 아사렐이요
17 Ary ny zanakalahin’ i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an’ i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben’ ny any Estemoa.
에스라의 아들들은 예델과, 메렛과, 에벨과, 얄론이며 메렛은 미리암과, 삼매와, 에스도모아의 조상 이스바를 낳았으니
18 Ary Jehodia vadiny niteraka an’ i Jareda, razamben’ ny any Gedora, sy Hebera, razamben’ ny any Soko, ary Jakotiela, razamben’ ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’ i Bitia, zanakavavin’ i Farao, izay novadin’ i Mareda.
이는 메렛의 취한 바로의 딸 비디아의 아들들이며 또 그 아내 여후디야는 그돌의 조상 예렛과 소고의 조상 헤벨과 사노아의 조상 여구디엘을 낳았으며
19 Ary ny zanakalahin’ i Hodia vadiny, izay anabavin’ i Nahama, dia ny razamben’ ny an’ i Keila Garmita sy Estemoa Makatita.
나함의 누이인 호디야의 아내의 아들들은 가미 사람 그일라의 아비와 마아가 사람 에스드모아며
20 Ary ny zanakalahin’ i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin’ i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.
시몬의 아들들은 암논과, 린나와, 벤하난과, 딜론이요 이시의 아들들은 소헷과 벤소헷이더라
21 Ary ny zanakalahin’ i Sela, zanak’ i Joda, dia Era, rain’ i Leka, sy Lada, rain’ i Maresa, sy ny fokon’ ny mpanao rongony fotsy madinika amin’ ny ankohonan’ i Asbea;
유다의 아들 셀라의 자손은 레가의 아비 에르와, 마레사의 아비 라아다와 세마포 짜는 자의 집 곧 아스베야의 집 족속과
22 ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.
또 요김과 고세바 사람들과 요아스와 모압을 다스리던 사랍과 야수비네헴이니 이는 다 옛 기록에 의지한 것이라
23 Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin’ ny mpanjaka hanao ny asany.
이 모든 사람은 옹기장이가 되어 수풀과 산울 가운데 거하는 자로서 거기서 왕과 함께 거하여 왕의 일을 하였더라
24 Ny zanakalahin’ i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly,
시므온의 아들들은 느무엘과, 야민과, 야립과, 세라와, 사울이요
25 dia Saloma no zanakalahin’ i Saoly, Mibsama no zanakalahin’ i Saloma, Misma no zanakalahin’ i Mibsama.
사울의 아들은 살룸이요, 그 아들은 밉삼이요, 그 아들은 미스마요
26 Ary ny zanakalahin’ i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin’ i Hamoela, Simey no zanakalahin’ i Zakora.
미스마의 아들은 함무엘이요, 그 아들은 삭굴이요, 그 아들은 시므이라
27 Ary Simey nanan-janaka enina ambin’ ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak’ i Joda ny fokony rehetra.
시므이는 아들 열 여섯과 딸 여섯이 있으나 그 형제에게는 자녀가 몇이 못되니 그 온 족속이 유다 자손처럼 번성하지 못하였더라
28 Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala
시므온 자손의 거한 곳은 브엘세바와, 몰라다와, 하살수알과
29 sy Bila sy Ezema sy Tolada
빌하와, 에셈과, 돌랏과
30 sy Betoela sy Horma sy Ziklaga
브두엘과, 호르마와, 시글락과
31 sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan’ i Davida.
벧말가봇과, 하살수심과, 벧비리와, 사아라임이니 다윗 왕 때까지 이모든 성읍이 저희에게 속하였으며
32 Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
그 향촌은 에담과, 아인과, 림몬과, 도겐과, 아산 다섯 성읍이요
33 ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.
또 그 각 성읍 사면에 촌이 있어 바알까지 미쳤으니 시므온 자손의 주소가 이러하고 각기 보계가 있더라
34 Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak’ i Amazia,
또 메소밥과, 야믈렉과, 아마시야의 아들 요사와
35 ary Joela sy Jeho, zanak’ i Josibia, zanak’ i Seraia, zanak’ i Asiela,
요엘과 아시엘의 증손 스라야의 손자, 요시비야의 아들 예후와
36 ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia
또 엘료에내와, 야아고바와, 여소하야와, 아사야와, 아디엘과, 여시미엘과, 브나야와
37 sy Ziza, zanak’ i Sify, zanak’ i Alona, zanak’ i Jedaia, zanak’ i Simry, zanak’ i Semaia;
또 스마야의 오대손 시므리의 현손 여다야의 증손 알론의 손자 시비의 아들 시사니
38 ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin’ ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.
이 위에 녹명된 자는 다 그 본족의 족장이라 그 종족이 더욱 번성한지라
39 Ary nankany amin’ ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin’ ny ilany atsinanana amin’ ny lohasaha, hitady ahitra ho an’ ny ondriny aman’ osiny.
저희가 그 양떼를 위하여 목장을 구하고자 하여 골짜기 동편 그돌 지경에 이르러
40 Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak’ i Hama no nonina tany taloha.
아름답고 기름진 목장을 발견하였는데 그 땅이 광활하고 안정하니 이는 옛적부터 거기 거한 사람은 함의 자손인 까닭이라
41 Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ ny andron’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an’ ny ondriny aman’ osiny tany.
이 위에 녹명된 자가 유다 왕 히스기야 때에 가서 저희의 장막을 쳐서 파하고 거기 있는 모우님 사람을 쳐서 진멸하고 대신하여 오늘까지 거기 거하였으니 이는 그 양떼를 먹일 목장이 거기 있음이며
42 Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin’ ny taranak’ i Simeona nankany amin’ ny tendrombohitra Seïra ka nanana an’ i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin’ i Jisy, ho mpifehy azy.
또 시므온 자손 중에 오백명이 이시의 아들 블라디야와, 느아랴와, 르바야와, 웃시엘로 두목을 삼고 세일 산으로 가서
43 Ary namely ny sisa afaka tamin’ ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.
피하여 남아 있는 아말렉 사람을 치고 오늘까지 거기 거하였더라

< 1 Tantara 4 >