< 1 Tantara 4 >

1 Ny zanakalahin’ i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala.
[猶大的後代]猶大的子孫: 培勒茲、赫茲龍、加爾米、胡爾和芍巴耳。
2 Ary Reaia, zanakalahin’ i Sobala, niteraka an’ i Jahata; ary Jahata niteraka an’ i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon’ ny Zoraïta.
芍巴耳的兒子勒阿雅生雅哈特,雅哈特生阿胡買和拉哈得:以上屬祚辣家族。
3 Ary izao no avy amin’ ny rain’ i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran’ ny anabaviny,
以下是厄坦的父親胡爾的子孫:依次勒耳、依市瑪和依德巴士;他們的姊妹名叫哈茲肋耳頗尼。
4 ary Penoela, rain’ i Gedora, sy Ezera, rain’ i Hosa. Ireo no zanak’ i Hora, lahimatoan’ i Efrata, razamben’ ny any Betlehema.
還有革多爾的父親培奴耳,胡沙的父親厄則爾:以上是白冷的父親,厄弗辣大的長子,胡爾的子孫。
5 Ary Asora, razamben’ ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara.
特科亞的父親阿市胡爾有兩個妻子:赫拉和納阿辣。
6 Ary Nara niteraka an’ i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin’ i Nara.
納阿辣給他生了阿胡倉、赫斐爾、特曼人和阿哈市塔黎人:以上是納阿辣的兒子。
7 Ary ny zanakalahin’ i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana.
赫拉的兒子:責勒特、祚哈爾、厄特難和科茲;
8 Ary Hakoza niteraka an’ i Anoba sy Zobeba ary ny fokon’ i Aharela, zanakalahin’ i Haroma.
科茲生阿奴布;祚貝巴、雅貝茲和哈戎的兒子阿哈勒爾的家族。
9 Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.
雅貝茲在自己的兄弟中最受尊重;他母親給他起名叫雅貝茲說:「我在痛苦中生了他。」
10 Ary Jabeza niantso an’ Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin’ ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’ Andriamanitra azy ny nangatahiny.
雅貝茲呼求了以色列的天主說:「若你真祝福我,求你擴展我的疆域,求你常伸手扶助我,脫免災難,不受痛苦。」天主就賞賜了他所求的。
11 Ary Keloba, rahalahin’ i Soha, niteraka an’ i Mehira, rain’ i Estona;
叔哈的兄弟革路布生厄舍東的父親默希爾。
12 ary Estona niteraka an’ i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain’ Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.
厄舍東生貝特辣法、帕色亞和依爾納哈士的父親特興納,他是刻尼次人厄色隆的兄弟:以上是勒加布人。
13 Ary ny zanakalahin’ i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin’ i Otniela dia Hatata.
刻納次的兒子:敖特尼耳和色辣雅;敖特尼耳的兒子:哈塔特和毛諾泰。
14 Ary Meonotahy niteraka an’ i Ofra; ary Seraia niteraka an’ i Joaba, razamben’ ny ao an-dohasahan’ ny mpiasa; fa mpiasa ireo.
毛諾泰生敖弗辣;色辣雅生革哈辣史的父親約阿布;他們原是工匠。
15 Ary ny zanakalahin’ i Kaleba, zanakalahin’ i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin’ i Elaha dia Kenaza.
耶孚乃的兒子加肋布的兒子:依爾、厄拉和納罕;厄拉的兒子刻納次。
16 Ary ny zanakalahin’ i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela.
雅肋肋耳的兒子:齊弗、齊法、提黎雅和阿撒勒耳。
17 Ary ny zanakalahin’ i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an’ i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben’ ny any Estemoa.
厄次辣的兒子:耶特爾、默勒得、厄斐爾和雅隆。彼提雅生米黎盎、沙買和厄市特摩的父親依市巴。
18 Ary Jehodia vadiny niteraka an’ i Jareda, razamben’ ny any Gedora, sy Hebera, razamben’ ny any Soko, ary Jakotiela, razamben’ ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’ i Bitia, zanakavavin’ i Farao, izay novadin’ i Mareda.
他的猶大妻子生革多爾的父親耶勒得、索哥的父親赫貝爾和匝諾亞的父親耶谷提耳:以上是默勒得所娶法郎的女兒彼提雅所生的兒子。
19 Ary ny zanakalahin’ i Hodia vadiny, izay anabavin’ i Nahama, dia ny razamben’ ny an’ i Keila Garmita sy Estemoa Makatita.
納罕的姊妹,曷狄雅的妻子生的兒子:加爾米人刻依拉的父親和瑪阿加人厄市特摩。
20 Ary ny zanakalahin’ i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin’ i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.
史孟的兒子:阿默農、陵納、本哈南和提隆。依史的兒子:左赫特和本左赫特。
21 Ary ny zanakalahin’ i Sela, zanak’ i Joda, dia Era, rain’ i Leka, sy Lada, rain’ i Maresa, sy ny fokon’ ny mpanao rongony fotsy madinika amin’ ny ankohonan’ i Asbea;
猶大的兒子舍拉的兒子:肋加的父親厄爾、瑪勒沙的父親拉阿達和在耳特阿市貝亞細麻織工的家族;
22 ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.
還有約肯、苛則巴人、約阿士和撒辣弗;他們回白冷之前,去摩阿布娶了妻子。【這都是古代的事。】
23 Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin’ ny mpanjaka hanao ny asany.
他們都是陶工,定居乃塔因和革德辣,操此手藝,靠君王居住。[西默盎支派]
24 Ny zanakalahin’ i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly,
西默盎的兒子:乃慕耳、雅明、雅黎布、則辣黑和沙烏耳。
25 dia Saloma no zanakalahin’ i Saoly, Mibsama no zanakalahin’ i Saloma, Misma no zanakalahin’ i Mibsama.
沙烏耳的兒子沙隆,沙隆的兒子米貝散,米貝散的兒子米市瑪。
26 Ary ny zanakalahin’ i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin’ i Hamoela, Simey no zanakalahin’ i Zakora.
米市瑪的子孫:米市瑪的兒子哈慕耳,哈慕耳的兒子匝雇爾,匝雇爾的兒子史米。
27 Ary Simey nanan-janaka enina ambin’ ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak’ i Joda ny fokony rehetra.
史米有十六個兒子,六個女兒;但他的兄弟門子女不多,為此他們的家族不如猶大的子孫旺盛。
28 Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala
他們住在貝爾舍巴、摩拉達、哈匝爾叔阿耳、
29 sy Bila sy Ezema sy Tolada
彼耳哈、厄曾、托拉得、
30 sy Betoela sy Horma sy Ziklaga
貝突耳、曷爾瑪、漆刻拉格、
31 sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan’ i Davida.
貝特瑪爾加波特、哈匝爾穌心、貝特彼黎和沙阿辣因,直到達味王時代,都是他們住的城市,
32 Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
和所屬的村莊。此外,還有厄坦阿殷、黎孟、托庚、阿商五城市,
33 ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.
和這些城市四周直到巴耳所屬的各村莊:以上是他們居住的地方和族譜。
34 Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak’ i Amazia,
默芍巴布、雅默肋客、阿瑪責雅的兒子約沙、
35 ary Joela sy Jeho, zanak’ i Josibia, zanak’ i Seraia, zanak’ i Asiela,
約厄耳、耶胡,─耶胡是約史貝雅的兒子,約史貝雅是色辣雅的兒子,色辣雅是阿息耳的兒子;
36 ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia
還有厄里約乃、雅科巴、耶芍哈雅、阿撒雅、阿狄耳、耶息米耳、貝納雅、
37 sy Ziza, zanak’ i Sify, zanak’ i Alona, zanak’ i Jedaia, zanak’ i Simry, zanak’ i Semaia;
齊匝,─齊匝是史非的兒子,史非是阿隆的兒子,阿隆是耶達雅的兒子,耶達雅是史默黎的兒子,史默黎是舍瑪雅的兒子:
38 ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin’ ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.
以上諸人,都是宗族的首領,他們的家族也很興旺。
39 Ary nankany amin’ ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin’ ny ilany atsinanana amin’ ny lohasaha, hitady ahitra ho an’ ny ondriny aman’ osiny.
他們遷往革辣爾關口,直到山谷東面,為羊群找尋牧場。
40 Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak’ i Hama no nonina tany taloha.
他們找了一片很肥沃良好的牧場,廣闊、清靜、安寧的地方。古時含的後代住在那裏。
41 Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ ny andron’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an’ ny ondriny aman’ osiny tany.
猶大王希則克雅時代,上述的這些人出征,破壞了當地民族的帳幕,擊殺了當地所有的瑪紅人,將他們消滅直到今日;他們遂居住在他們的地方,因為那裏有放羊的牧場。
42 Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin’ ny taranak’ i Simeona nankany amin’ ny tendrombohitra Seïra ka nanana an’ i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin’ i Jisy, ho mpifehy azy.
西默盎的子孫中,另有五百人出征色依爾山區;依史的兒子培拉提雅、乃阿黎雅、勒法雅和烏齊耳為統率,
43 Ary namely ny sisa afaka tamin’ ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.
擊殺了其餘未逃脫的阿瑪肋克人;以後他們住在那裏,直到今日。

< 1 Tantara 4 >