< 1 Tantara 3 >

1 Ary izao no zanakalahin’ i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak’ i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak’ i Abigaila Karmelita, no lahiaivo;
And these were sons of David, who were born to him in Hebron: the firstborn Amnon, of Ahinoam the Jezreelitess; second Daniel, of Abigail the Carmelitess;
2 Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak’ i Hagita, no fahefatra;
the third Absalom, son of Maachah daughter of Talmai king of Geshur; the fourth Adonijah, son of Haggith;
3 Sefatia, zanak’ i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak’ i Egla vadiny, no fahenina.
the fifth Shephatiah, of Abital; the sixth Ithream, of his wife Eglah.
4 Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona.
Six have been borne to him in Hebron, and he reigns seven years and six months there, and he has reigned thirty-three years in Jerusalem.
5 Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak’ i Batsoa, zanakavavin’ i Amiela)
And these were born to him in Jerusalem: Shimea, and Shobab, and Nathan, and Solomon—four, of Bathsheba daughter of Ammiel.
6 sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta
Also Ibhar, and Elishama, and Eliphelet,
7 sy Noga sy Nafega sy Jafia
and Nogah, and Nepheg, and Japhia,
8 sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.
and Elishama, and Eliada, and Eliphelet—nine.
9 Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin’ ireo.
All [are] sons of David, apart from sons of the concubines, and their sister Tamar.
10 Ary ny zanakalahin’ i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin’ i Abia, Josafata no zanakalahin’ i Asa,
And the son of Solomon [is] Rehoboam, Abijah his son, Asa his son, Jehoshaphat his son,
11 Jehorama no zanakalahin’ i Josafata, Ahazia no zanakalahin’ i Jehorama. Joasy no zanakalahin’ i Ahazia,
Joram his son, Ahaziah his son, Joash his son,
12 Amazia no zanakalahin’ i Joasy, Azaria no zanakalahin’ Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria,
Amaziah his son, Azariah his son, Jotham his son,
13 Ahaza no zanakalahin’ i Jotama Hezekia no zanakalahin’ i Ahaza, Manase no zanakalahin’ i Hezetia,
Ahaz his son, Hezekiah his son, Manasseh his son,
14 Amona no zanakalahin’ i Manase, Josia no zanakalahin’ i Amona.
Amon his son, Josiah his son.
15 Ary izao no zanakalahin’ i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.
And sons of Josiah: the firstborn Johanan, the second Jehoiakim, the third Zedekiah, the fourth Shallum.
16 Ary ny zanakalahin’ i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak’ i Jekonia.
And sons of Jehoiakim: Jeconiah his son, Zedekiah his son.
17 Ary ny zanakalahin’ Jekonia dia Asira, Sealtiela no zanak’ i Asira,
And sons of Jeconiah: Assir; Salathiel his son;
18 ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia.
also Malchiram and Pedaiah, and Shenazzar, Jecamiah, Hoshama, and Nedabiah.
19 Ary ny zanakalahin’ i Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin’ i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita, anabaviny,
And sons of Pedaiah: Zerubbabel and Shimei. And sons of Zerubbabel: Meshullam, and Hananiah, and their sister Shelomith,
20 ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy.
and Hashubah, and Ohel, and Berechiah, and Hasadiah, Jushab-Hesed—five.
21 Ary ny zanakalahin’ i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin’ i Rafaia sy ny zanakalahin’ i Arnana sy ny zanakalahin’ i Obadia ary ny zanakalahin’ i Sekania.
And sons of Hananiah: Pelatiah, and Jesaiah, sons of Rephaiah, sons of Arnan, sons of Obadiah, sons of Shechaniah.
22 Ary ny zanakalahin’ i Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin’ i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina izy.
And sons of Shechaniah: Shemaiah; and sons of Shemaiah: Hattush, and Igeal, and Bariah, and Neariah, and Shaphat—six.
23 Ary ny zanakalahin’ i Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy.
And sons of Neariah: Elioenai, and Hezekiah, and Azrikam—three.
24 Ary ny zanakalahin’ i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy.
And sons of Elioenai: Hodaiah, and Eliashib, and Pelaiah, and Akkub, and Johanan, and Delaiah, and Anani—seven.

< 1 Tantara 3 >