< 1 Tantara 29 >
1 Ary hoy Davida mpanjaka tamin’ ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin’ Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an’ olona, fa ho an’ i Jehovah Andriamanitra.
Mfalme Daudi akasema kwa kusanyiko lote, “Sulemani mwanangu, ambaye mwenyewe Mungu amemchagu, bado nimdogo na hana uzoefu, na jukumu ni kubwa. Maana hekalu sio kwa ajili ya watu bali la Mungu.
2 Ary tamin’ ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon’ Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.
Hivyo nimefanya kwa ubora wangu kutoa kwa ajili ya hekalu la Mungu. Nina toa dhahabu kwa vitu vya kujengwa na dhahabu, fedha kwa vitu vya kujengwa na fedha, shaba kwa vitu vya kujengwa na shaba, nishati kwa vitu vya kujengwa na nishati, na mbao kwa vitu vya kujengwa na mbao. Pia nina toa mawe ya shohamu, mawe ya kupangwa, mawe ya upambaji wandani ya rangi mbali mbali - kila haina ya mawe ya thamani - na marimari kwa wingi.
3 Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon’ Andriamanitro dia omeko ho an’ ny tranon’ Andriamanitra, ho fanampin’ ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masìna, izay volamena sy volafotsy ananako,
Sasa, kwasababu ya mapenzi yangu kwa nyumba ya Mungu, Ninatoa hazina yangu binafsi ya dhahabu na fedha. Ninafanya hivi kwa nyongeza kwa yote niliyofanya katika hekalu takatifu:
4 dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any Ofira, ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin’ ny rindrin’ ny isan-efi-trano,
talanta za dhahabu elfu tatu kutoka Ofiri, na talanta elfu saba za fedha zilizotakasika, ili kufunika kuta za majengo.
5 ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon’ ny tanan’ ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah anio?
Ninachangia dhahabu kwa vitu vya kujengwa na dhahabu, na fedha kwa vitu vya kujengwa na fedha, na kazi zote zinazotakiwa kufanywa na wajenzi. Nani mwingine anataka kuchangia kwa Yahweh leo na kujitoa kwake?”
6 Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan’ ny fianakaviana sy ny lehiben’ ny firenen’ Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ ny mpitandrina ny raharahan’ ny mpanjaka
Kisha sadaka za hiari zilitolewa na viongozi wa mababu wa familia zao, viongozi wa makabila ya Israeli, wakuu wa maelfu na mamia, na waamuzi waliojuu ya kazi ya mfalme.
7 ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin’ ny tranon’ Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo amby iray alina ary talenta vy iray hetsy.
Walitoa kwa ajili ya huduma ya nyumba ya Mungu talanta elfu tano na darkoni elfu kumi za dhahabu, talanta elfu kumi za fedha, talanta elfu nane za fedha, na talanta za chuma 100, 000.
8 Ary izay nanana vato soa dia nanome azy no amin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah, hotehirizin’ i Jehiela Gersonita.
Haao walio na mawe ya thamani waliyatoa katika Hazina ya nyumba Yahweh, chini ya usimamizi wa Yehieli, mzao wa Gerishoni.
9 Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan’ ireo, fa tamin’ ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an’ i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.
Watu walifurahi kwa ajili ya hizi sadaka za hiari, kwasababu walitoa kwa moyo wao wote kwa Yahweh. Mfalme Daudi pia alifurahi sana.
10 Koa dia nisaotra an’ i Jehovah teo anatrehan’ ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr’ Isiraely razanay, hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Daudi alimbariki Yahweh mbele ya kusanyiko lote. Alisema, “Na uabudiwe, Yahweh, Mungu wa Israeli babu wetu, milele na milele.
11 Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’ izy rehetra.
Kwako, Yahweh, kuna ukuu, nguvu, utukufu, ushindi, na enzi. Kwa kuwa yote yalio mbinguni na duniani ni yako. Kwako ni ufalme, Yahweh, na umetukuzwa kama mtawala juu ya vyote.
12 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’ izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.
Utajiri na heshima utoka kwako, unatawala juu ya watu wote. Mkononi mwako kuna nguvu na uwezo. Unao uweza na nguvu ya kuwafanya watu kuwa mkuu na kumpa uweza yeyote.
13 Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.
Kisha sasa, Mungu wetu, tunakushukuru na kusifu jina lako tukufu.
14 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
Lakini mimi ni nani, na watu wangu ni nani, tustahili kutoa kwa hiari hivi vitu? Kweli, vitu vyote vya toka kwako, na tumerudisha kwako vilivyo vyako.
15 Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana.
Kwa kuwa sisi ni wageni na wasafiri mbele zako, mababu zetu wote walikuwa. Siku zetu katika dunia ni kama kivuli, na hakuna tumaini la kubaki duniani.
16 Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an’ ny anaranao masìna ireto dia avy tamin’ ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.
Yahweh Mungu wetu, utajiri wote tulio kusanya kujenga hekalu kwa kuheshimu jina lako - watoka kwako na ni wako.
17 Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin’ ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin’ ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
Ninajua, Mungu wangu, unachunguza moyo na wapendezwa na unyofu. Kwangu mimi, kwa unyofu wa moyo wangu nimetoa kwa hiari vitu vyote, na sasa natazama kwa furaha watu walio hapa wakitoa tunu kwako.
18 Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon’ ny olonao mandrakizay izany fikasan’ ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony;
yahweh, Mungu wa Ibrahimu, Isaka, na Israeli - mababu zetu - hifadhi hili katika fikra za watu wako. Elekeza mioyo yao kwako.
19 ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy.
Mjalie Sulemani mwanangu moyo wa shauku wakutii amri zako, shuhuda za agano lako, na maagizo yako, na kutekeleza mipango hii yote ya kujenga nyumba niliyoiandaa.”
20 Ary hoy Davida tamin’ ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an’ i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah sy ny mpanjaka.
Daudi akasema kwa kusanyiko lote, “Sasa mbariki Yahweh Mungu wenu.” Kusanyiko lote likambariki Yahweh, Munug wa mababu zao, wakainamisha vichwa vyao na kumuabudu Yahweh na kusujudu mbele za mfalme.
21 Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah nony ampitson’ iny, dia vantotr’ ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ ondry arivo mbamin’ ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ ny Isiraely rehetra.
Kwa siku iliyo fuata, wakatoa dhabiu kwa Yahweh na kumtolea sadaka ya kuteketeza. Walitoa sadaka ya ng'ombe elfu moja, kondoo elfu moja, na wana kondoo elfu moja, pamoja na sadaka zao za vinywaji na dhabihu tele kwa Israeli yote.
22 Ary nihinana sy nisotro tamin’ ny fifaliana be teo anatrehan’ i Jehovah ny olona tamin’ izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak’ i Davida, sady nohosorany ho an’ i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
Siku ile, walikunywa na kula mbele za Yahweh kwa furaha tele. Walimfanya Sulemani, mwana wa Daudi, mfalme mara ya pili, na kumpaka mafuta ya mamlaka ya Yahweh kuwa mfalme. Pia walimpaka Zadoki mafuta kuwa mfalme.
23 Ary Solomona dia nipetraka tamin’ ny seza fiandrianan’ i Jehovah ho mpanjaka handimby an’ i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.
Kisha Sulemani akaketi kwenye kiti cha enzi cha Yahweh kama mfalme baada ya Daudi baba yake. Alifanikiwa, na Israeli yote ikamtii.
24 Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak’ i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an’ i Solomona mpanjaka.
Viongozi wote, wanajeshi, na Mfalme Daudi wanae wakaonyesha utii kwa Mfalme Sulemani.
25 Ary Jehovah nanandratra an’ i Solomona indrindra teo imason’ ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ ny Isiraely.
Yahweh alimheshimu sana Sulemani na kumkirimia nguvu kubwa kuliko mfalme yeyote aliyetangulia kabla yake Israeli.
26 Toy izany no nanjakan’ i Davida, zanak’ i Jese, tamin’ ny Isiraely rehetra.
Daudi mwana wa Yese alitawala Israeli yote.
27 Ary ny andro nanjakany tamin’ ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
Daudi alikuwa mfalme wa Israeli kwa miaka arobaini. Alitawala kwa miaka saba Hebroni na miaka thelathini na tatu Yerusalemu.
28 Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.
Alikufa katika umri mzuri mkubwa, baada ya kufurahia maisha marefu, utajiri na heshima. Sulemani mwanae alitawala baada yake.
29 Ary ny tantaran’ i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Samoela mpahita sy ao amin’ ny bokin’ i Natana mpaminany ary ao amin’ ny bokin’ i Gada mpahita izany,
Mafanikio ya mfalme Daudi yameandikwa katika historia ya Samweli nabii, katika historia ya Nathani nabii, na katika historia ya Gadi nabii.
30 mbamin’ ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin’ ny ary tamin’ ny Isiraely sy tamin’ ny fanjakana rehetra tamin’ ny tany.
Yalio ekwa kwenye kumbukumbu ni matendo ya utawala wake, mafanikio yake na mambo yalio mdhuru, Israeli, na falme zote za nchi zingine.