< 1 Tantara 28 >

1 Ary novorin’ i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ ny Isiraely, dia ny lohan’ ny firenena sy ny komandin’ ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin’ ny fananana rehetra an’ ny mpanjaka sy ny zanany mbamin’ ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra.
HOULUULU ae la o Davida i na luna a pau o ka Iseraela, i na luna ohana, a me na luna o na poe i hookauwa na ke alii ma na papa, me na lunatausani, me na lunahaneri, me na luna o na holoholona a me na waiwai a pau o ke alii, me kana mau keikikane, me na ilamuku, me na kanaka koikoi, a me na kanaka koa a pau, i Ierusalema.
2 Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy ho an’ ny fitoeran-tongotr’ Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;
Alaila ku ae la o Davida ke alii ma kona wawae, olelo mai la, E hoolohe mai, e na hoahanau o'u, a me o'u kanaka: iloko no o kuu naau ka hana i hale hoomaha no ka pahu berita o Iehova, a no ka paepae wawae o ko kakou Akua, a ua hoomakaukau no wau no ka hana ana.
3 nefa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an’ ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-drà.
Aka, olelo mai la ke Akua ia'u, Mai hana oe i hale no ko'u, inoa, no ka mea, he kanaka kaua oe, a ua hookahe oe i na koko.
4 Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin’ ny ankohonan’ ny raiko rehetra ho mpanjakan’ ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin’ ny taranak’ i Joda indray dia ny ankohonan’ ny raiko no nofidiny; ary tamin’ ny ankohonan’ ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin’ ny Isiraely rehetra.
Aka hoi, i koho mai o Iehova ke Akua o ka Iseraela ia'u imua o ka ohana a pau a ko'u makuakane i alii mau maluna o ka Iseraela: no ka mea, i koho mai oia i ka Iuda i alii; a i ka ohana a ko'u makuakane no ka ohana a Iuda; a iwaena o na keiki a kuu makuakane, i makemake oia ia'u e hoolilo i alii maluna o ka Iseraela a pau:
5 Ary tamin’ ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen’ i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakan’ i Jehovah hanjaka amin’ ny Isiraely.
A na keikikane a'u a pau, (no ka mea, ua haawi mai ke Akua ia'u i na keikikane he nui, ) ua wae mai oia i kuu keiki ia Solomona e noho ia maluna o ka nohoalii o ke aupuni o Iehova, maluna o ka Iseraela.
6 Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.
I mai la oia ia'u, O Solomona kau keiki, oia no ka mea nana e hana ko'u hale a me ko'u mau pahale: no ka mea, ua wae au ia ia i keiki na'u, a owau auanei kona makua.
7 Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin’ izao anio izao.
Eia hoi, e hookupaa auanei au i kona aupuni a mau loa aku: ina e ikaika oia ke hana i ka'u mau kauoha, a me ko'u mau kanawai, e like me ia i keia la.
8 Ary ankehitriny, eto anatrehan’ ny Isiraely rehetra, fiangonan’ i Jehovah, sy eto anatrehan’ Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan’ ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy.
Ano hoi, imua o na maka o ka Iseraela a pau, o ke anainakanaka o Iehova, imua hoi o na pepeiao o ko kakou Akua, e malama oukou me ka imi aku i na kauoha a pau a Iehova a ko oukou Akua: i noho ai oukou ma keia aina maikai, a e waiho hoi ia i hooilina no na keiki mahope o oukou a mau loa aku.
9 Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
O oe hoi, e Solomona kuu keiki, e ike oe i ke Akua o na kupuna ou, a e malama ia ia me ka naau pono, a me ka manao makemake: no ka mea, ke nana mai nei o Iehova i na naau a pau, a ke ike nei i na ano a pau o na manao: ina oe e imi aku ia ia, e loaa auanei oia ia oe: aka, i haalele oe ia ia, e kiola aku oia ia oe a mau loa aku.
10 Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masìna; dia mahereza ka mahefà.
E malama oe ano: no ka mea, ua wae mai o Iehova ia oe e hana i hale no ke keenakapu; e hooikaika oe, a e hana.
11 Ary Davida nanome an’ i Solomona zanany ny sarin’ ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,
Alaila haawi mai la o Davida ia Solomona kana keiki, i ke kumu no ka lanai, a no na hale olaila, a no na waihonawaiwai olaila, a no na keena luna olaila, a no na keena waena, a no kahi o ka noho aloha,
12 ary ny sarin’ izay rehetra efa niseho tamin’ ny fanahiny; dia ny amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,
A me ke kumu no na mea a pau ia ia na ka Uhane mai, no na pahale o ka hale o Iehova, a no na keena a pau e puni ana, no na waihonawaiwai o ka hale o ke Akua, a no na hale ahu i ka waiwai i hoolaaia:
13 sy ho an’ ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita koa, ary ho an’ ny fanompoana rehetra ao an-tranon’ i Jehovah sy ho an’ ny fanaka rehetra ho enti-manompo ao an-tranon’ i Jehovah,
A no na papa hoi o na kahuna, a o na Levi, a no ka hana ana a pau i ka oihana o ka hale o Iehova, a no na ipu o ka oihana iloko o ka hale o Iehova.
14 ary ny lanjan’ ny volamena hanaovana ny fanaka volamena samy hafa rehetra, ary ny lanjan’ ny volafotsy koa hanaovana ny fanaka volafotsy samy hafa rehetra,
A haawi mai la ia i gula i kaupaonaia i mea gula, no na mea hana i na oihana a pau: a o na mea kala a pau ma ke kaupaona ana, no na mea hana i na oihana a pau:
15 ary ny lanjan’ ny volamena hanaovana ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony araka ny lanjany avy, ary ny lanjan’ ny volafotsy hanaovana ny fanaovan-jiro volafotsy sy ny lela fanaovan-jirony araka ny fombany avy,
I ka mea i kaupaonaia no na waihona kukui gula, a me na ipukukui gula o lakou; ma ke kaupaona no na waihonakukui a pau, a no na ipukukui o lakou: a no na waihona kukui kala ma ke kaupaona: no ka waihona kukui, a no na ipukukui ona, e like me ke ano o kela a me keia waihonakukui.
16 ary ny lanjan’ ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo aseho, ary ny amin’ ny volafotsy ho amin’ ny latabatra volafotsy,
A i ke gula ma ke kaupaona ana no ka papa berena hoike, no kela papa a no keia papa: a he kala no na papa kala:
17 ary ny amin’ ny fitrebika sy ny lovia famafazana ary ny fitoeran-divay, izay samy volamena tsara, ary ny amin’ ny kapoaka misarona, na ny volamena, na ny volafotsy, araka ny lanjany avy,
A i ke gula maoli no na lou manamana, no na bola a no na kiaha: a no na pa gula haawi mai la ia i ke gula i kaupaonaia no kela pa a keia pa: a me ke kala i kaupaonaia no kela pa kala a keia pa kala:
18 ary ny lanjan’ ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin’ ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah.
A no ke kuahu kuni mea ala i ke gula maemae ma ke kaupaona: a he gula no ke kumu o ke kaa o I na keruba, i hohola ae a uhi iho i ka pahu berita o Iehova.
19 Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin’ i Jehovah ahy tamin’ ny soratra avy tamin’ ny tànany, izay atỳ amiko.
O keia a pau ka Iehova i hoomaopopo mai ai ia'u i ke kakau ana, ma kona lima maluna iho o'u, o na hana a pau o keia kumu.
20 Ary hoy koa Davida tamin’ i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon’ i Jehovah.
Olelo mai la o Davida ia Solomona kana keiki, E ikaika oe, a e koa hoi, a e hana: mai makau oe, aole hoi e pauaho; no ka mea, me oe pu no o Iehova ke Akua, o ko'u Akua: aole oia e hoohoka mai, aole hoi o haalele mai ia oe, a paa ia oe ka hana a pau no ka oihana o ka hale o Iehova.
21 Ary indreo ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon’ Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin’ ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.
Eia hoi o na papa o ka poe kahuna a me na Levi, [o lakou me oe] no na oihana a pau o ka hale o ke Akua: a me oe no na kanaka makemake makaukau a pau no na hana a pau, no kela hana keia hana a pau: a ma kau kauoha wale no hoi na luna a me na kanaka a pau.

< 1 Tantara 28 >