< 1 Tantara 26 >
1 Ary ny amin’ ny antokon’ ny mpiandry varavarana: Tamin’ ny Koraïta dia Meselemia, zanak’ i Kore, avy tamin’ ny zanak’ i Asafa.
Huu ulikuwa mgawanyiko wa walinzi wa lango: Kutoka kwa Wakora, Meshelemia mwana wa Kore, wa uzao wa Asafu.
2 Ary ny zanakalahin’ i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra,
Meshelemia alikuwa na wana wa kiume: Zekaria mzaliwa wa kwanza, Yediaeli wapili, Zebadia watatu, Yathinieli wanne,
3 sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy.
Elamu watano, Yehohanani wasita, Eliehoenai wasaba.
4 Ary ny zanakalahin’ i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy,
Obedi alikuwa na wana wa kiume: Shemaia wa kwanza, Yehozabadi wapili, Yoa watatu, na Sakari wanne, na Nethanieli watano,
5 sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.
Amieli wasita, Isakari wasaba, Peulethai wanane, kwa kuwa Mungu alimbariki Obedi Edomu.
6 Ary Semaia zanany niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin’ ny fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy.
Kwa Shemaia mwanae walizawa wana walio tawala familia zao; walikuwa wanaume wenye uwezo mbali mbali.
7 Ny zanakalahin’ i Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda ary Elzabada mbamin’ ireo rahalahiny, lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia.
Wana wa Shemaia walikuwa Othini, Refaeli, Obedi, na Elizabadi. Ndugu zake Elihu na Semakia walikuwa wanaume wenye uwezo mbali mbali.
8 Ireo rehetra ireo no avy tamin’ ny zanak’ i Obed-edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin’ ny fanompoany; roa amby enim-polo no an’ i Obed-edoma.
Hawa wote walikuwa uzao wa Obedi Edomu. Wao na wanao na ndugu zao walikuwa wanaume wenye uwezo wa kufanya wajibu wao katika huduma ya hema la kuabudia. Palikuwa na sitini na mbili walio kuwa na undugu na Obedi Edomu.
9 Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin’ ny folo, samy lehilahy mahay avokoa.
Meshelemia alikuwa na wana na ndugu, wanaume wenye uwezo, jumla ya kumi na nane.
10 Ary Hosa, tamin’ ny taranak’ i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany),
Hosa, mzao wa Merari, alikuwa na wana: Shimiri kiongozi (japo hakuwa mzaliwa wa kwanza, baba yake alimfanya kiongozi),
11 sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin’ i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo ambin’ ny folo.
Hilikia wapili, Tebalia watatu, Zekaria wanne. Wote wa wana wa Hosa na ndugu walikuwa kumi na tatu kwa idadi.
12 Ireo lohan’ ny tonian’ ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin’ ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ i Jehovah.
Huu mgawanyiko wa walinzi wa lango, sambamba na viongozi, ulikuwa na majukumu, kama ndugu zao, kutumika katika nyumba ya Yahweh.
13 Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin’ ny isam-bavahady.
Walirusha kura, wadogo kwa wakubwa, kulingana na familia zao, kwa kila lango.
14 Koa ny loka tamin’ ny atsinanana dia azon’ i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin’ ny avaratra no azony.
Kura ilipo rushwa kwa lango la mashariki, ilimuangukia Shelemia. Kisha wakarusha kura kwa Zekaria mwana wake, mshauri makini, na kura yake ikatokea lango la kaskazini.
15 An’ i Obed-edoma ny atsimo, ary an’ ny zanany ny trano firaketana.
Kwa Obedi Edomu kulipangiwa lango la kusini, na wanae walipangiwa nyumba za ghala.
16 An’ i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin’ ny vavahady Saleketa amin’ ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.
Shufimu na Hosa walipangiwa lango la magharibi pamoja na lango la Shalekethi, kwa barabara ya juu. Lindo lilikabiidhiwa kwa kila familia.
17 Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan’ andro, ny atsimo nisy efatra isan’ andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy.
Kwa mashariki walikuwa Walawi sita, kaskazini kwa siku moja, kusini kwa siku moja, na nyumba za ghala wawili.
18 Tany Parbara andrefana nisy efatra amin’ ny lalana, ary roa tao Parbara.
Katika ua kuelekea magharibi wanne walipangwa, wanne barabarani, na wawili katika ua.
19 Dia Ireo no antokon’ ny mpiandry varavarana tamin’ ny taranak’ i Kora sy ny taranak’ i Merary.
Haya yalikuwa magawanyiko ya walinzi wa lango. Palijazwa na uzao wa Kora na Merari.
20 Ary tamin’ ny Levita dia Ahia no tonian’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.
Miongoni mwa Walawi, Ahija alikuwa kiongozi wa hazina ya nyumba ya Mungu, na hazina ya vitu vya Yahweh.
21 Ny taranak’ i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo lohan’ ny fianakavian’ i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita.
Wazao wa Ladani, walitoka kwa Gerishoni kupitia kwake na walio kuwa viongozi wa familia za Ladani Mgerishoni, walikuwa Yehieli na wanae,
22 Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.
Zethamu, na Yoeli kaka yake, aliyesimamia ghala za nyumba ya Yahweh.
23 Tamin’ ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita
Kulikuwa na askari walio chukuliwa kwa koo za Amramu, Izhari, Hebroni, na uzieli.
24 dia Seboela, avy tamin’ ny taranak’ i Gersona, zanak’ i Mosesy, no tonian’ ny rakitra.
Shebueli mwana wa Gerishomu mwana wa Musa, alikuwa msimamizi wa nyumba za ghala.
25 Ary ny rahalahiny avy tamin’ i Eliezera dia Rehabia, zanak’ i Eliezera, sy Jesaia, zanak’ i Rehabia, sy Jorama, zanak’ i Jesaia, sy Zikry, zanak’ i Jorama, ary Selomota, zanak’ i Zikry.
Ndugu zake wa ukoo wa Eliezeri walikuwa Rehabia mwanae, mwana wa Rehabia Yeshaia, mwana wa Yeshaia Yoramu, mwana wa Yoramu Zikiri, na mwana wa Zikiri Shelomothi.
26 Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin’ i Davida mpanjaka sy ny lohan’ ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin’ ny miaramila.
Shelomothi na ndugu zake walikuwa wasimamizi wa nyumba zote za ghala zinazo hifadhi vitu vyote vya Yahweh, ambavyo Daudi mfalme, viongozi wa familia, wakuu wa maelfu na mamia, na wakuu wa jeshi walivyo vitenga.
27 Tamin’ ny babo izay azony tamin’ ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon’ i Jehovah.
Walitenga vitu walivyo vichukuwa kwenye mapambano kwa ajili ya kutunza nyumba ya Yahweh.
28 Ary izay rehetra nohamasinin’ i Samoela mpahita sy Saoly, zanak’ i Kisy, sy Abnera, zanak’ i Nera, sy Joaba, zanak’ i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany.
Pia walikuwa wahusika wa kila kitu kilicho tengwa kwa ajili ya Yahweh na Samweli nabii, Sauli mwana wa Kishi, Abneri mwana wa Neri, na Yoabu mwana wa Zeruia. Kila kitu kilicho tengwa kwa ajili ya Yahweh kilikuwa chini ya ulinzi wa shelomothi na ndugu zake.
29 Tamin’ ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin’ ny raharaha ivelany amin’ ny Isiraely, dia ho mpifehy sy mpitsara.
Wa uzao wa Izhari, Kenania na wana wake walikuwa wahusika wa mambo ya ndani ya Israeli. Walikuwa maafisa na waamuzi.
30 Ary tamin’ ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin’ ny Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana ny amin’ ny raharaha rehetra ho an’ i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.
Wa uzao wa Hebroni, Hashabia na kaka zake, wanaume wenye uwezo 1, 700, walikuwa wahusika wa kazi ya Yahweh na kazi ya mfalme. Walikuwa upande wa mgharibi mwa Yordani.
31 Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin’ ny taona fahefa-polo nanjakan’ i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)
Kutoka uzao wa Hebroni, Yeriya alikuwa kiongozi wa uzao wake, walihesabiwa kutoka orodha za familia zao. Katika mwaka wa arobaini wa utawala wa Daudi walitathimini kumbukumbu na kugundua miongoni mwao wanaume wa uwezo katika Yazeri ya Gileadi.
32 sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan’ ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen’ i Manase, ny amin’ ny raharahan’ Andriamanitra sy ny mpanjaka.
Yerija alikuwa na ndugu 2, 700, walio kuwa viongozi wenye uwezo katika familia. Daudi aliwafanya waangalizi wa makabila ya Rubeni na Gadi, na nusu kabila la Manase, kwa kila jambo linalo muhusu Mungu, na kwa mambo ya mfalme.