< 1 Tantara 25 >

1 Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy:
داوود پادشاه و رهبران قوم اشخاصی را از خاندان آساف و هیمان و یِدوتون انتخاب کردند تا به همراهی بربط و عود و سنج پیامهای خدا را اعلان کنند. اسامی آنها و نوع خدمتشان به شرح زیر است:
2 Tamin’ ny zanakalahin’ i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak’ i Asafa, nofehezin’ i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan’ ny mpanjaka azy.
زکور، یوسف، نتنیا و اشرئیله (پسران آساف) که تحت سرپرستی آساف بودند. آساف به دستور پادشاه، پیام خداوند را اعلان می‌کرد؛
3 Tamin’ i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin’ i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ ny lokanga hidera sy hisaotra an’ i Jehovah.
جدلیا، صری، اشعیا، حشبیا و مَتّیتیا (پسران یِدوتون) که به سرپرستی پدرشان و با نوای چنگ پیام خداوند را اعلان می‌کردند و او را با سرود ستایش می‌نمودند؛
4 Tamin’ i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota.
هیمان: بقیا، متنیا، عزی‌ئیل، شبوئیل، یریموت، حننیا، حنانی، الیاته، جدلتی، روممتی عزر، یشبقاشه، ملوتی، هوتیر و محزیوت (پسران هیمان).
5 Ireo rehetra ireo no zanak’ i Hemana, mpahitan’ ny mpanjaka ny amin’ ny tenin’ Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen’ Andriamanitra zazalahy efatra ambin’ ny folo sy zazavavy telo.
خدا این چهارده پسر را به هیمان که نبی مخصوص پادشاه بود، بخشیده بود تا طبق وعده‌اش به هیمان به او عزت و قدرت داده باشد. هیمان سه دختر نیز داشت.
6 Ireo rehetra ireo no fehin’ ny rainy tamin’ ny hira natao tao an-tranon’ i Jehovah tamin’ ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ ny mpanjaka.
تمام این مردان به سرپرستی پدرانشان در خانهٔ خداوند سنج و عود و بربط می‌نواختند و به این ترتیب خدا را خدمت می‌کردند. آساف و یِدوتون و هیمان مستقیما از پادشاه دستور می‌گرفتند.
7 Ary ny isany mbamin’ ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an’ i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato.
تمام این افراد و لاویانی که با ایشان همکاری می‌کردند برای سراییدن در وصف خداوند تربیت شده و در نواختن سازها ماهر بودند. تعداد کل گروه آنها ۲۸۸ نفر بود.
8 Ary nanao filokana ny amin’ ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.
وظایف مخصوص سرایندگان، بدون در نظر گرفتن سن و تجربه، به قید قرعه تعیین شد.
9 Ary ny loka voalohany dia azon’ i Josefa avy amin’ ny taranak’ i Asafa; ny faharoa an’ i Gedalia, izy mbamin’ ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin’ ny folo;
قرعهٔ اول به نام یوسف از خاندان آساف افتاد. دوم: جدلیا و پسران و برادرانش، ۱۲ نفر؛ سوم: زکور و پسران و برادرانش، ۱۲ نفر؛ چهارم: یصری و پسران و برادران او، ۱۲ نفر؛ پنجم: نتنیا و پسران و برادران وی، ۱۲ نفر؛ ششم: بقیا و پسران و برادران او، ۱۲ نفر؛ هفتم: یشرئیله و پسران و برادرانش، ۱۲ نفر؛ هشتم: اشعیا و پسران و برادران او، ۱۲ نفر؛ نهم: متنیا و پسران و برادرانش، ۱۲ نفر؛ دهم: شمعی و پسران و برادران وی، ۱۲ نفر؛ یازدهم: عزی‌ئیل و پسران و برادران او، ۱۲ نفر؛ دوازدهم: حشبیا و پسران و برادران او، ۱۲ نفر؛ سیزدهم: شبوئیل و پسران و برادرانش، ۱۲ نفر؛ چهاردهم: مَتّیتیا و پسران و برادران وی، ۱۲ نفر؛ پانزدهم: یریموت و پسران و برادران او، ۱۲ نفر؛ شانزدهم: حننیا و پسران و برادران او، ۱۲ نفر؛ هفدهم: یشبقاشه و پسران و برادران وی، ۱۲ نفر؛ هجدهم: حنانی و پسران و برادرانش، ۱۲ نفر؛ نوزدهم: ملوتی و پسران و برادران وی، ۱۲ نفر؛ بیستم: ایلیاته و پسران و برادران او، ۱۲ نفر؛ بیست و یکم: هوتیر و پسران و برادرانش، ۱۲ نفر؛ بیست و دوم: جدلتی و پسران و برادران او، ۱۲ نفر؛ بیست و سوم، محزیوت و پسران و برادران او، ۱۲ نفر؛ بیست و چهارم، روممتی عزر و پسران و برادرانش، ۱۲ نفر.
10 ny fahatelo an’ i Zakora, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
11 ny fahefatra an’ i Jizry, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
12 ny fahadimy an’ i Netania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
13 ny fahenina an’ i Bokia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
14 ny fahafito an’ i Jesarela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
15 ny fahavalo an’ i Jesaia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
16 ny fahasivy an’ i Matania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
17 ny fahafolo an’ i Simey, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
18 ny fahiraika ambin’ ny folo an’ i Azarela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
19 ny faharoa ambin’ ny folo an’ i Hasabia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
20 ny fahatelo ambin’ ny folo an’ i Sobaela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
21 ny fahefatra ambin’ ny folo an’ i Matitia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ ny folo;
22 ny fahadimy ambin’ ny folo an’ i Jeremota, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ ny folo;
23 ny fahenina ambin’ ny folo an’ i Hanania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
24 ny fahafito ambin’ ny folo an’ i Josbekasa, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
25 ny fahavalo ambin’ ny folo an’ i Hanany, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
26 ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Maloty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
27 ny faharoa-polo an’ i Eliata, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
28 ny fahiraika amby roa-polo an’ i Hotira, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
29 ny faharoa amby roa-polo an’ i Gidalty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
30 ny fahatelo amby roa-polo an’ i Mahaziota, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
31 ny fahefatra amby roa-polo an’ i Romamti-ezera, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo.

< 1 Tantara 25 >