< 1 Tantara 24 >

1 Ary ny amin’ ny taranak’ i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;
아론 자손의 반차가 이러하니라 아론의 아들들은 나답과 아비후와 엘르아살과 이다말이라
2 fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.
나답과 아비후가 그 아비보다 먼저 죽고 아들이 없으므로 엘르아살과 이다말이 제사장의 직분을 행하였더라
3 Ary Davida sy Zadoka, isan’ ny taranak’ i Eleazara, sy Ahimeleka, isan’ ny taranak’ Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.
다윗이 엘르아살의 자손 사독과 이다말의 자손 아히멜렉으로 더불어 저희를 나누어 각각 그 섬기는 직무를 맡겼는데
4 Ary ny lohany tamin’ ireo, dia tamin’ ny taranak’ i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin’ ny taranak’ Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin’ ny taranak’ i Eleazara dia enina ambin’ ny folo no lohan’ ny fianakaviana; ary tamin’ ny taranak’ Itamara dia valo kosa no lohan’ ny fianakaviana.
엘르아살의 자손 중에 족장이 이다말의 자손보다 많으므로 나눈 것이 이러하니 엘르아살 자손의 족장이 십육이요 이다말 자손은 그 열조의 집을 따라 여덟이라
5 Ary samy nozarazaraina tamin’ ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masìna, dia mpifehy ho an’ Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin’ ny taranak’ i Eleazara, na ny avy tamin’ ny taranak’ Itamara.
이에 제비 뽑아 피차에 차등이 없이 나누었으니 이는 성소의 일을 다스리는 자가 엘르아살의 자손 중에도 있고 이다말의 자손 중에도 있음이라
6 Ary Semaia, zanak’ i Netanela, mpanoratra anankiray tamin’ ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak’ i Abiatara, sy teo anatrehan’ ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an’ i Eleazara, ary iray kosa ho an’ Itamara.
레위 사람 느다넬의 아들 서기관 스마야가 왕과 방백과 제사장 사독과 아비아달의 아들 아히멜렉과 및 제사장과 레위 사람의 족장 앞에서 그 이름을 기록하여 엘르아살의 자손 중에서 한 집을 취하고 이다말의 자손 중에서 한 집을 취하였으니
7 Ny loka voalohany dia azon’ i Joariba, ny faharoa an’ i Jedaia,
첫째로 제비뽑힌 자는 여호야립이요 둘째는 여다야요
8 ny fahatelo an’ i Harima, ny fahefatra an’ i Seorima,
셋째는 하림이요 넷째는 스오림이요
9 ny fahadimy an’ i Malkia, ny fahenina an’ i Miamina,
다섯째는 말기야요 여섯째는 미야민이요
10 ny fahafito an’ i Hakoza, ny fahavalo an’ i Abia,
일곱째는 학고스요 여덟째는 아비야요
11 ny fahasivy an’ i Jesoa, ny fahafolo an’ i Sekania.
아홉째는 예수아요 열째는 스가냐요
12 ny fahiraika ambin’ ny folo an’ i Eliasiba, ny faharoa ambin’ ny folo an’ i Jakima,
열한째는 엘리아십이요 열둘째는 야김이요
13 ny fahatelo ambin’ ny folo an’ i Hopa, ny fahefatra ambin’ ny folo an’ i Jesebaba,
열셋째는 훔바요 열넷째는 예세브압이요
14 ny fahadimy ambin’ ny folo an’ i Bilga, ny fahenina ambin’ ny folo an’ Imera,
열다섯째는 빌가요 열여섯째는 임멜이요
15 ny fahafito ambin’ ny folo an’ i Hezira, ny fahavalo ambin’ ny folo an’ i Hafizeza,
열일곱째는 헤실이요 열여덟째는 합비세스요
16 ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Petahia, ny faharoa-polo an’ i Jehezekela,
열아홉째는 브다히야요 스무째는 여헤스겔이요
17 ny fahiraika amby roa-polo an’ i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an’ i Gamola,
스물한째는 야긴이요 스물둘째는 가물이요
18 ny fahatelo amby roa-polo an’ i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an’ i Mazia.
스물셋째는 들라야요 스물넷째는 마아시야라
19 Ireo avy no antokony amin’ ny fanompoany izay idirany ao an-tranon’ i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin’ i Arona rainy, araka ny nandidian’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.
이와 같은 반차로 여호와의 전에 들어가서 이스라엘 하나님 여호와께서 저희 조상 아론에게 명하신 규례대로 수종들었더라
20 Ary tamin’ ny taranak’ i Levy sisa dia izao; Tamin’ ny taranak’ i Amrama dia Sobaela; tamin’ ny zanak’ i Sobaela dia Jedala.
레위 자손 중에 남은 자는 이러하니 아므람의 아들 중에는 수바엘이요 수바엘의 아들 중에는 예드야며
21 Ny amin’ i Rehabia: tamin’ ny taranak’ i Rehabia dia Jisia no voalohany.
르하뱌에게 이르러는 그 아들 중에 족장 잇시야요
22 Tamin’ ny Jizarita dia Selomota; tamin’ ny taranak’ i Selomota dia Jahata.
이스할의 아들 중에는 슬로못이요 슬로못의 아들 중에는 야핫이요
23 Ary ny amin’ ny taranak’ i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.
헤브론의 아들들은 장자 여리야와 둘째 아마랴와 셋째 야하시엘과 넷째 여가므암이요
24 Ny zanakalahin’ i Oziela dia Mika; tamin’ ny taranak’ i Mika dia Samira;
웃시엘의 아들은 미가요 미가의 아들 중에는 사밀이요
25 ny rahalahin’ i Mika dia Jisia; tamin’ ny taranak’ i Jisia dia Zakaria.
미가의 아우는 잇시야라 잇시야의 아들 중에는 스가랴며
26 Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin’ i Jazia dia Beno.
므라리의 아들은 마흘리와 무시요 야아시야의 아들은 브노니
27 Ny zanakalahin’ i Merary tamin’ i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry.
므라리의 자손 야아시야에게서 난 자는 브노와 소함과 삭굴과 이브리요
28 Avy tamin’ i Maly no nihavian’ i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.
마흘리의 아들 중에는 엘르아살이니 엘르아살은 무자하며
29 Ny amin’ i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.
기스에게 이르러는 그 아들 여라므엘이요
30 Ary ny zanakalahin’ i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.
무시의 아들은 마흘리와 에델과 여리못이니 이는 다 그 족속대로 기록한 레위 자손이라
31 Ary ireo dia mba niara-niloka tamin’ ny rahalahiny, taranak’ i Arona, teo anatrehan’ i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan’ ny fianakavian’ ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.
이 여러 사람도 다윗 왕과 사독과 아히멜렉과 및 제사장과 레위 족장 앞에서 그 형제 아론 자손처럼 제비 뽑혔으니 장자의 종가와 그 아우의 종가가 다름이 없더라

< 1 Tantara 24 >