< 1 Tantara 24 >
1 Ary ny amin’ ny taranak’ i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;
১হারোণের বংশের লোকদের বিভিন্ন দলে ভাগ করা হয়েছিল। হারোণের ছেলেরা হল নাদব, অবীহূ, ইলীয়াসর ও ঈথামর।
2 fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.
২হারোণ মারা যাবার আগেই নাদব ও অবীহূ কোনো ছেলে না রেখেই মারা গিয়েছিলেন; কাজেই ইলীয়াসর ও ঈথামর যাজকের কাজ করতেন।
3 Ary Davida sy Zadoka, isan’ ny taranak’ i Eleazara, sy Ahimeleka, isan’ ny taranak’ Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.
৩সাদোক নামে ইলীয়াসরের একজন বংশধর এবং অহীমেলক নামে ঈথামরের একজন বংশধরের সাহায্যে দায়ূদ যাজকদের কাজ অনুসারে তাঁদের বিভিন্ন দলে ভাগ করে দিলেন।
4 Ary ny lohany tamin’ ireo, dia tamin’ ny taranak’ i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin’ ny taranak’ Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin’ ny taranak’ i Eleazara dia enina ambin’ ny folo no lohan’ ny fianakaviana; ary tamin’ ny taranak’ Itamara dia valo kosa no lohan’ ny fianakaviana.
৪এতে ঈথামরের বংশের লোকদের চেয়ে ইলীয়াসরের বংশের লোকদের মধ্যে অনেক বেশী নেতা পাওয়া গেল। সেইজন্য ইলীয়াসরের বংশের ষোলজন নেতার জন্য তাঁদের ষোল দলে এবং ইথামরের বংশের আটজন নেতার জন্য তাঁদের আট দলে ভাগ করা হল।
5 Ary samy nozarazaraina tamin’ ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masìna, dia mpifehy ho an’ Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin’ ny taranak’ i Eleazara, na ny avy tamin’ ny taranak’ Itamara.
৫ইলীয়াসর ও ঈথামর, এই দুই বংশের নেতারা উপাসনা ঘরের ও ঈশ্বরের কর্মচারী ছিলেন বলে কারো পক্ষ না টেনে গুলিবাঁট করে যাজকদের কাজ ভাগ করা হল।
6 Ary Semaia, zanak’ i Netanela, mpanoratra anankiray tamin’ ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak’ i Abiatara, sy teo anatrehan’ ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an’ i Eleazara, ary iray kosa ho an’ Itamara.
৬রাজা ও তাঁর উঁচু পদের কর্মচারীদের সামনে এবং সাদোক যাজক, অবিয়াথরের ছেলে অহীমেলক, যাজক বংশের নেতাদের ও লেবীয়দের সামনে নথনেলের ছেলে শময়িয় নামে একজন লেবীয় লেখক সেই নেতাদের নাম তালিকায় লিখলেন। পালা পালা করে ইলীয়াসরের বিভিন্ন বংশের মধ্য থেকে একজন ও তারপর ঈথামরের বিভিন্ন বংশের মধ্য থেকে এক জনের জন্য গুলিবাঁট করা হল।
7 Ny loka voalohany dia azon’ i Joariba, ny faharoa an’ i Jedaia,
৭তখন প্রথম বারে গুলি উঠল যিহোয়ারীবের নামে, দ্বিতীয় বারে যিদয়িয়ের,
8 ny fahatelo an’ i Harima, ny fahefatra an’ i Seorima,
৮তৃতীয় বারে হারীমের, চতুর্থ বারে সিয়োরীমের,
9 ny fahadimy an’ i Malkia, ny fahenina an’ i Miamina,
৯পঞ্চম বারে মল্কিয়ের, ষষ্ঠ বারে মিয়ামীনের,
10 ny fahafito an’ i Hakoza, ny fahavalo an’ i Abia,
১০সপ্তম বারে হক্কোষের, অষ্টম বারে অবিয়ের,
11 ny fahasivy an’ i Jesoa, ny fahafolo an’ i Sekania.
১১নবম বারে যেশূয়ের, দশম বারে শখনিয়ের,
12 ny fahiraika ambin’ ny folo an’ i Eliasiba, ny faharoa ambin’ ny folo an’ i Jakima,
১২এগারো বারে ইলীয়াশীবের, বারো বারে যাকীমের,
13 ny fahatelo ambin’ ny folo an’ i Hopa, ny fahefatra ambin’ ny folo an’ i Jesebaba,
১৩তেরো বারে হুপ্পের, চৌদ্দ বারে যেশবাবের,
14 ny fahadimy ambin’ ny folo an’ i Bilga, ny fahenina ambin’ ny folo an’ Imera,
১৪পনেরো বারে বিল্গার, ষোল বারে ইম্মেরের,
15 ny fahafito ambin’ ny folo an’ i Hezira, ny fahavalo ambin’ ny folo an’ i Hafizeza,
১৫সতেরো বারে হেষীরের, আঠারো বারে হপ্পিসেসের,
16 ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Petahia, ny faharoa-polo an’ i Jehezekela,
১৬ঊনিশ বারে পথাহিয়ের, কুড়ি বারে যিহিষ্কেলের,
17 ny fahiraika amby roa-polo an’ i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an’ i Gamola,
১৭একুশ বারে যাখীনের, বাইশ বারে গামূলের,
18 ny fahatelo amby roa-polo an’ i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an’ i Mazia.
১৮তেইশ বারে দলায়ের ও চব্বিশ বারে মাসিয়ের নামে।
19 Ireo avy no antokony amin’ ny fanompoany izay idirany ao an-tranon’ i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin’ i Arona rainy, araka ny nandidian’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.
১৯তাঁদের পূর্বপুরুষ হারোণকে দেওয়া ইস্রায়েলের ঈশ্বর সদাপ্রভুর নির্দেশ অনুসারে হারোণ তাঁদের জন্য যে নিয়ম ঠিক করে দিয়েছিলেন সেইমত সদাপ্রভুর ঘরে গিয়ে সেবা কাজ করবার জন্য এই ভাবে তাঁদের পালা ঠিক করা হল।
20 Ary tamin’ ny taranak’ i Levy sisa dia izao; Tamin’ ny taranak’ i Amrama dia Sobaela; tamin’ ny zanak’ i Sobaela dia Jedala.
২০লেবি গোষ্ঠীর বাকি বংশগুলোর কথা এই: অম্রামের বংশের শবূয়েল, শবূয়েলের বংশ নেতা যেহদিয়
21 Ny amin’ i Rehabia: tamin’ ny taranak’ i Rehabia dia Jisia no voalohany.
২১রহবিয়ের কথা; রহবিয়ের বংশ নেতা যিশিয়।
22 Tamin’ ny Jizarita dia Selomota; tamin’ ny taranak’ i Selomota dia Jahata.
২২যিষ্হরীয়দের বংশের বাবা শলোমোৎ ও শলোমোতের বংশ নেতা যহৎ।
23 Ary ny amin’ ny taranak’ i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.
২৩হিব্রোণের বংশের মধ্যে প্রথম যিরিয়, দ্বিতীয় অমরিয়, তৃতীয় যহসীয়েল এবং চতুর্থ যিকমিয়াম ছিলেন বংশের বাবা।
24 Ny zanakalahin’ i Oziela dia Mika; tamin’ ny taranak’ i Mika dia Samira;
২৪ঊষীয়েলের ছেলে মীখা; মীখা ছেলেদের মধ্যে শামীর।
25 ny rahalahin’ i Mika dia Jisia; tamin’ ny taranak’ i Jisia dia Zakaria.
২৫মীখার ভাই যিশিয়; যিশিয়ের ছেলেদের মধ্যে সখরিয়।
26 Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin’ i Jazia dia Beno.
২৬মরারির ছেলে মহলি, মূশি ও যাসিয়; যাসিয়ের বংশের বিনো
27 Ny zanakalahin’ i Merary tamin’ i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry.
২৭মরারির ছেলে যাসিয়ের ছেলে বিনো, শোহম, শক্কুর ও ইব্রি ছিলেন বংশের বাবা।
28 Avy tamin’ i Maly no nihavian’ i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.
২৮মহলির বংশের ইলীয়াসর ও কীশ; ইলীয়াসরের কোনো ছেলে ছিল না।
29 Ny amin’ i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.
২৯কীশের বংশ নেতা ছিলেন যিরহমেল।
30 Ary ny zanakalahin’ i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.
৩০মূশির বংশের মহলি, এদর ও যিরেমোৎ ছিলেন বংশের বাবা। বিভিন্ন বংশ অনুসারে এঁরা ছিলেন লেবীয়।
31 Ary ireo dia mba niara-niloka tamin’ ny rahalahiny, taranak’ i Arona, teo anatrehan’ i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan’ ny fianakavian’ ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.
৩১এঁরাও রাজা দায়ূদ, সাদোক, অহীমেলক এবং যাজক ও লেবীয়দের বংশ নেতাদের সামনে এঁদের ভাইদের, অর্থাৎ হারোণের বংশের লোকদের মত করে গুলিবাঁট করেছিলেন। বড় ভাই হোক বা ছোট ভাই হোক তাদের সকলের জন্য একইভাবে গুলিবাঁট করা হয়েছিল।