< 1 Tantara 23 >

1 Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin’ ny Isiraely.
Daudi alipokuwa mzee aliyeshiba siku, akamfanya Solomoni mwanawe kuwa mfalme juu ya Israeli.
2 Ary novoriny ny lehiben’ ny Isiraely rehetra mbamin’ ny mpisorona sy ny Levita.
Pia akawakusanya pamoja viongozi wote wa Israeli, pamoja na makuhani na Walawi.
3 Ary nisaina ny Levita hatramin’ ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan’ ny lehilahy.
Walawi waliokuwa na umri wa miaka thelathini au zaidi walihesabiwa, nayo hesabu ya wanaume ilikuwa 38,000.
4 Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin’ ireo dia ataoko ho tonian’ ny asa ao an-tranon’ i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
Daudi akasema, “Miongoni mwa hawa, 24,000 watasimamia kazi ya Hekalu la Bwana na 6,000 watakuwa maafisa na waamuzi,
5 ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an’ i Jehovah amin’ ny zavatra namboariko hiderana Azy.
na 4,000 watakuwa mabawabu, na wengine 4,000 watamsifu Bwana kwa ala za uimbaji nilizotoa kwa ajili ya kusudi hilo.”
6 Ary nozarazarain’ i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin’ i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:
Daudi akawagawa Walawi katika makundi kufuatana na wana wa Lawi: Gershoni, Kohathi na Merari.
7 Tamin’ ny Gersonita dia Ladana sy Simey.
Wana wa Wagershoni walikuwa wawili: Ladani na Shimei.
8 Ny zanakalahin’ i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.
Wana wa Ladani walikuwa watatu: Yehieli wa kwanza, Zethamu na Yoeli.
9 Ny zanakalahin’ i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin’ ny fianakavian’ i Ladana.
Wana wa Shimei walikuwa watatu: Shelomothi, Hazieli na Harani. Hawa watatu walikuwa viongozi wa jamaa za Ladani.
10 Ary ny zanakalahin’ i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin’ i Simey.
Nao wana wa Shimei walikuwa wanne: Yahathi, Zina, Yeushi na Beria.
11 Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.
Yahathi alikuwa wa kwanza na Ziza wa pili, lakini Yeushi na Beria hawakuwa na wana wengi; kwa hiyo walihesabiwa kama jamaa moja, wakapewa wajibu kwa pamoja.
12 Ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.
Wana wa Kohathi walikuwa wanne: Amramu, Ishari, Hebroni na Uzieli.
13 Ny zanakalahin’ i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masìna indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin’ ny anarany mandrakizay.
Wana wa Amramu walikuwa: Aroni na Mose. Aroni waliwekwa wakfu, yeye na wazao wake milele, wawe wakiweka wakfu vitu ambavyo ni vitakatifu mno, kutoa dhabihu mbele za Bwana, kuhudumu mbele zake na kutamka baraka katika Jina la Bwana milele.
14 Nefa ny amin’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, dia nisaina tamin’ ny firenen’ i Levy ihany ny zanany.
Wana wa Mose mtu wa Mungu walihesabiwa kama sehemu ya kabila la Lawi.
15 Ny zanakalahin’ i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
Wana wa Mose walikuwa: Gershomu na Eliezeri.
16 Tamin’ ny zanakalahin’ i Gersona dia Seboela no lohany.
Wazao wa Gershomu: Shebueli alikuwa wa kwanza.
17 Ary tamin’ ny zanakalahin’ i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak’ i Rehabia dia maro indrindra.
Wazao wa Eliezeri: Rehabia alikuwa wa kwanza. Eliezeri alikuwa na mwana mmoja tu, lakini wana wa Rehabia walikuwa wengi sana.
18 Tamin’ ny zanakalahin’ i Jizara dia Selomota no lohany.
Wana wa Ishari: Shelomithi alikuwa wa kwanza.
19 Ny zanakalahin’ i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.
Wana wa Hebroni walikuwa: Yeria alikuwa wa kwanza, wa pili Amaria, wa tatu Yahazieli, na wa nne Yekameamu.
20 Ny zanakalahin’ i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.
Wana wa Uzieli walikuwa: Mika wa kwanza na Ishia wa pili.
21 Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin’ i Maly dia Eleazara sy Kisy.
Wana wa Merari walikuwa: Mahli na Mushi. Wana wa Mahli walikuwa: Eleazari na Kishi.
22 Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin’ i Kisy havany no nanambady ireo.
Eleazari akafa bila ya kuwa na wana: alikuwa na binti tu. Binamu zao, wana wa Kishi, wakawaoa.
23 Ny zanakalahin’ i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.
Wana wa Mushi: Mahli, Ederi na Yeremothi; wote walikuwa watatu.
24 Ireo no zanakalahin’ i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon’ i Jehovah, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra.
Hawa walikuwa wazao wa Lawi kwa jamaa zao. Wakuu wa jamaa kama walivyoandikwa kwa majina yao na kuhesabiwa kila mmoja, yaani, wenye uwezo wa kufanya kazi kuanzia miaka ishirini au zaidi, waliohudumu katika Hekalu la Bwana.
25 Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an’ ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.
Kwa maana Daudi alikuwa amesema, “Kwa vile Bwana, Mungu wa Israeli amewapa watu wake raha na amekuja kuishi Yerusalemu milele,
26 Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
Walawi hawahitaji tena kubeba Maskani wala chombo chochote cha utumishi wake.”
27 Fa araka ny fara-tenin’ i Davida dia nisaina hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.
Kulingana na maagizo ya mwisho ya Daudi, Walawi waliohesabiwa ni wale wa kuanzia umri wa miaka ishirini au zaidi.
28 Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak’ i Arona amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ireo kianja sy efi-trano tao ary amin’ ny fanadiovana ny zavatra masìna rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra,
Wajibu wa Walawi ulikuwa kuwasaidia wazao wa Aroni kuhudumu katika Hekalu la Bwana: Kuwa wasimamizi wa nyua, vyumba vya pembeni, kutakasa vyombo vitakatifu na utendaji mwingine wowote katika nyumba ya Mungu.
29 ary amin’ ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin’ ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin’ izay endasina amin’ ny lapoely sy amin’ izay vonton-diloilo ary amin’ ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
Walikuwa wasimamizi wa mikate iliyowekwa mezani, unga kwa ajili ya sadaka za nafaka, mikate isiyotiwa chachu, uokaji na uchanganyaji, pamoja na vipimo vyote vya wingi na ukubwa.
30 ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an’ i Jehovah, ary toy izany koa amin’ ny hariva,
Pia ulikuwa wajibu wao kila asubuhi kumshukuru na kumsifu Bwana. Iliwapasa pia kufanya hivyo jioni
31 ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an’ i Jehovah na amin’ ny Sabata, na amin’ ny voaloham-bolana, na amin’ ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
na wakati wowote sadaka za kuteketezwa zilipotolewa kwa Bwana siku za Sabato na kwenye sikukuu za Mwezi Mwandamo na katika sikukuu nyingine zilizoamriwa. Iliwapasa kuhudumu mbele za Bwana mara kwa mara kwa idadi maalum na kwa namna waliyokuwa wamepewa maelekezo.
32 Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin’ ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin’ ny fitoerana masìna ary ny anjara-raharahany ny amin’ ny taranak’ i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah.
Hivyo Walawi wakafanya wajibu wao katika Hema la Kukutania, katika Mahali Patakatifu chini ya uongozi wa ndugu zao wazao wa Aroni, kwa ajili ya utumishi katika Hekalu la Bwana.

< 1 Tantara 23 >