< 1 Tantara 21 >

1 Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin’ ny Isiraely ka nanome saina an’ i Davida hanisa ny Isiraely.
Shetani akainuka dhidi ya Israeli na kumshawishi Daudi ahesabu watu wa Israeli.
2 Dia hoy Davida tamin’ i Joaba sy tamin’ ireo lehiben’ ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.
Kwa hiyo Daudi akamwambia Yoabu na majemadari wa jeshi, “Nendeni mkawahesabu Waisraeli kuanzia Beer-Sheba mpaka Dani. Kisha nileteeni taarifa ili kwamba niweze kufahamu wako wangapi.”
3 Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon’ ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan’ ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
Yoabu akajibu, “Bwana na aongeze jeshi lake mara mia na zaidi. Mfalme bwana wangu, kwani hawa wote si raiya wa bwana wangu? Kwa nini bwana wangu unataka kufanya hivi? Kwa nini kuleta hatia juu ya Israeli?”
4 Nefa tsy azon’ i Joaba nolavina ny tenin’ ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.
Hata hivyo, neno la mfalme likawa na nguvu juu ya Yoabu; kwa hiyo Yoabu akaondoka na kuzunguka Israeli yote kisha akarudi Yerusalemu.
5 Ary natolotr’ i Joaba an’ i Davida ny isan’ ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ ny Joda.
Yoabu akampa Daudi jumla ya idadi ya watu wanaoweza kupigana. Katika Israeli kulikuwa na watu 1,100,000 ambao wangeweza kutumia upanga na katika Yuda watu 470,000.
6 Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin’ i Joaba ny tenin’ ny mpanjaka.
Lakini Yoabu hakuwahesabu Walawi na Wabenyamini, kwa sababu alichukizwa sana na amri ya mfalme.
7 Ary tsy sitrak’ Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
Amri hii ilikuwa mbaya machoni pa Mungu pia; hivyo akaiadhibu Israeli.
8 Ary hoy Davida tamin’ Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.
Kisha Daudi akamwambia Mungu, “Nimetenda dhambi kubwa kwa kufanya jambo hili. Sasa, ninakusihi, ondoa hatia ya mtumishi wako. Nimefanya jambo la kipumbavu sana.”
9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Gada mpahitan’ i Davida:
Bwana akamwambia Gadi, mwonaji wa Daudi,
10 Mandehana, ka lazao amin’ i Davida hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
“Nenda ukamwambie Daudi, hivi ndivyo asemavyo Bwana: ‘Ninakupa wewe uchaguzi wa mambo matatu. Nichagulie mojawapo nitakalotenda dhidi yako.’”
11 Ary Gada nankany amin’ i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Mifidia:
Kwa hiyo Gadi akamwendea Daudi akamwambia, “Hili ndilo Bwana asemalo: ‘Chagua:
12 Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan’ ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr’ i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin’ i Jehovah handringana eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin’ Izay naniraka ahy.
miaka mitatu ya njaa, au miezi mitatu ya kushindwa na adui zako, ukipatwa na upanga wao, au siku tatu za upanga wa Bwana, yaani, siku tatu za tauni katika nchi na malaika wa Bwana akiangamiza kila mahali katika Israeli.’ Sasa basi, amua jinsi nitakavyomjibu yeye aliyenituma.”
13 Ary hoy Davida tamin’ i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon’ ny tànan’ i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon’ izay tànan’ olona.
Daudi akamwambia Gadi, “Ninayo mahangaiko makubwa. Mimi na nianguke mikononi mwa Bwana kwa maana rehema zake ni kuu mno, lakini usiniache niangukie mikononi mwa wanadamu.”
14 Dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.
Basi Bwana akatuma tauni katika Israeli, watu 70,000 wa Israeli wakafa.
15 Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anilan’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
Mungu akapeleka malaika kuangamiza Yerusalemu. Lakini malaika alipokuwa akifanya hivyo, Bwana akaona na akahuzunika kwa sababu ya maafa, akamwambia yule malaika aliyekuwa anaangamiza watu, “Yatosha! Rudisha mkono wako.” Wakati huo malaika wa Bwana alikuwa amesimama katika sakafu ya kupuria nafaka ya Arauna Myebusi.
16 Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’ i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon’ ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
Daudi akayainua macho yake akamwona huyo malaika wa Bwana akiwa amesimama katikati ya mbingu na dunia, naye ameunyoosha upanga wake juu ya Yerusalemu tayari kuangamiza. Kisha Daudi na wazee, waliokuwa wamevaa nguo za gunia, wakaanguka kifudifudi.
17 Ary hoy Davida tamin’ Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin’ ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ ny areti-mandringana.
Daudi akamwambia Mungu, “Je, si mimi ndiye niliyeamuru watu wahesabiwe? Mimi ndiye niliyetenda dhambi na kukosa. Hawa ni kondoo tu. Wamefanya nini? Ee Bwana, Mungu wangu, mkono wako na uwe juu yangu mimi na jamaa yangu, lakini usiache tauni hii iendelee juu ya watu wako.”
18 Ary Gada nasain’ Ilay Anjelin’ i Jehovah hilaza amin’ i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an’ i Jehovah ao amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
Kisha malaika wa Bwana akamwamuru Gadi amwambie Daudi apande na kumjengea Bwana madhabahu kwenye sakafu ya kupuria nafaka ya Arauna Myebusi.
19 Koa dia niakatra Davida araka ny tenin’ i Gada, izay nolazainy tamin’ ny anaran’ i Jehovah.
Kwa hiyo Daudi akakwea, akalitii lile neno ambalo Gadi alikuwa amelisema katika jina la Bwana.
20 Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin’ izay.
Arauna alipokuwa akipura ngano, akageuka akamwona yule malaika. Wanawe wanne waliokuwa pamoja naye wakajificha, yeye akaendelea kupura ngano.
21 Ary nony tonga teo amin’ i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an’ i Davida, ary dia niala avy teo amin’ ny famoloana izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Davida.
Kisha Daudi akakaribia, Arauna alipotazama na kumwona, akaondoka kwenye uwanja wa kupuria nafaka akamsujudia Daudi akiuinamisha uso wake ardhini.
22 Ary hoy Davida tamin’ i Araona: Mba omeo ahy amin’ izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an’ i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan’ ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
Daudi akamwambia, “Nipatie huu uwanja wako wa kupuria nafaka ili niweze kujenga madhabahu ya Bwana tauni ipate kukomeshwa katika watu. Niuzie kwa bei yake kamili.”
23 Fa hoy Araona tamin’ i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.
Arauna akamwambia Daudi, “Uchukue huo uwanja. Mfalme bwana wangu na afanye lolote analopenda. Tazama, nitatoa maksai kwa ajili ya sadaka za kuteketezwa, vifaa vya kupuria kuwa kuni, pamoja na ngano kwa ajili ya dhabihu ya nafaka. Natoa hivi vyote.”
24 Fa hoy Davida mpanjaka tamin’ i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an’ i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin’ izay azoko fotsiny.
Lakini Mfalme Daudi akamjibu Arauna, “La hasha! Lakini ninasisitiza kwamba nitalipa bei yake kamili. Sitachukua kilicho chako kwa ajili ya Bwana au kutoa sadaka ya kuteketezwa ambayo hainigharimu chochote.”
25 Dia nomen’ i Davida sekely volamena lanjan’ enin-jato Araona ho vidin’ ny tany.
Basi Daudi akamlipa Arauna shekeli za dhahabu 600 kwa ajili ya ule uwanja.
26 Ary Davida nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an’ i Jehovah izy ka novaliany tamin’ ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
Kisha Daudi akamjengea Bwana madhabahu mahali hapo, na kutoa sadaka za kuteketezwa na sadaka za amani. Akamwita Bwana naye Bwana akajibu maombi yake kwa moto toka mbinguni juu ya madhabahu ya sadaka ya kuteketezwa.
27 Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin’ ny tranony ny sabany.
Kisha Bwana akanena na yule malaika, naye akarudisha upanga wake katika ala yake.
28 Tamin’ izany andro izany, nony hitan’ i Davida fa novalian’ i Jehovah teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.
Wakati huo, Daudi alipoona kwamba Bwana amemjibu kule kwenye uwanja wa kupuria nafaka wa Arauna Myebusi, akatoa dhabihu huko.
29 Fa ny tabernakelin’ i Jehovah izay nataon’ i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin’ ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;
Maskani ya Bwana ambayo Mose aliitengeneza kule jangwani, pamoja na madhabahu ya sadaka ya kuteketezwa kwa wakati huo vilikuwa viko mahali pa juu pa kuabudia huko Gibeoni.
30 nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan’ izany hanontany amin’ Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr’ Ilay Anjelin’ i Jehovah.
Lakini Daudi hakuthubutu kuisogelea ili kumuuliza Mungu, kwa sababu aliuogopa upanga wa yule malaika wa Bwana.

< 1 Tantara 21 >