< 1 Tantara 21 >

1 Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin’ ny Isiraely ka nanome saina an’ i Davida hanisa ny Isiraely.
Et Satan se leva contre Israël, et incita David à dénombrer Israël.
2 Dia hoy Davida tamin’ i Joaba sy tamin’ ireo lehiben’ ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.
Et David dit à Joab et aux chefs du peuple: Allez, faites le dénombrement d’Israël depuis Beër-Shéba jusqu’à Dan; et rapportez-le-moi, afin que j’en sache le nombre.
3 Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon’ ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan’ ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
Et Joab dit: Que l’Éternel ajoute à son peuple 100 fois autant qu’il y en a! Ô roi, mon seigneur, ne sont-ils pas tous serviteurs de mon seigneur? Pourquoi mon seigneur cherche-t-il cela? Pourquoi la culpabilité en viendrait-elle sur Israël?
4 Nefa tsy azon’ i Joaba nolavina ny tenin’ ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.
Mais la parole du roi prévalut sur Joab; et Joab sortit, et alla par tout Israël, et revint à Jérusalem.
5 Ary natolotr’ i Joaba an’ i Davida ny isan’ ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ ny Joda.
Et Joab donna à David le chiffre du recensement du peuple; et il y avait, de tout Israël, 1 100 000 hommes tirant l’épée, et, de Juda, 470 000 hommes tirant l’épée;
6 Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin’ i Joaba ny tenin’ ny mpanjaka.
mais Lévi et Benjamin, il ne les dénombra pas au milieu d’eux; car la parole du roi était une abomination pour Joab.
7 Ary tsy sitrak’ Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
Et cette chose fut mauvaise aux yeux de Dieu; et il frappa Israël.
8 Ary hoy Davida tamin’ Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.
Et David dit à Dieu: J’ai grandement péché en ce que j’ai fait cette chose; et maintenant, fais passer, je te prie, l’iniquité de ton serviteur, car j’ai agi très follement.
9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Gada mpahitan’ i Davida:
Et l’Éternel parla à Gad, le voyant de David, disant:
10 Mandehana, ka lazao amin’ i Davida hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
Va, et parle à David, en disant: Ainsi dit l’Éternel: Je te propose trois choses; choisis-en une, et je te la ferai.
11 Ary Gada nankany amin’ i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Mifidia:
Et Gad vint vers David, et lui dit: Ainsi dit l’Éternel: Prends pour toi,
12 Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan’ ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr’ i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin’ i Jehovah handringana eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin’ Izay naniraka ahy.
ou trois ans de famine, ou d’être pourchassé trois mois devant tes adversaires et d’être atteint par l’épée de tes ennemis, ou pendant trois jours l’épée de l’Éternel et la peste dans le pays, et l’ange de l’Éternel détruisant dans tous les confins d’Israël. Et maintenant, vois quelle parole je rapporterai à celui qui m’a envoyé.
13 Ary hoy Davida tamin’ i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon’ ny tànan’ i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon’ izay tànan’ olona.
Et David dit à Gad: Je suis dans une grande détresse. Que je tombe, je te prie, dans les mains de l’Éternel, car ses compassions sont très grandes; et que je ne tombe point dans la main des hommes.
14 Dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.
Et l’Éternel envoya la peste en Israël; et il tomba d’Israël 70 000 hommes.
15 Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anilan’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
Et Dieu envoya un ange à Jérusalem pour la détruire; et comme il détruisait, l’Éternel [le] vit et se repentit de ce mal, et dit à l’ange qui détruisait: Assez! Retire maintenant ta main. Or l’ange de l’Éternel se tenait près de l’aire d’Ornan, le Jébusien.
16 Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’ i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon’ ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
Et David leva ses yeux, et vit l’ange de l’Éternel se tenant entre la terre et les cieux, ayant en sa main son épée nue étendue sur Jérusalem. Et David et les anciens, couverts de sacs, tombèrent sur leurs faces.
17 Ary hoy Davida tamin’ Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin’ ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ ny areti-mandringana.
Et David dit à Dieu: N’est-ce pas moi qui ai commandé de dénombrer le peuple? C’est moi qui ai péché et qui ai mal agi; mais ces brebis, qu’ont-elles fait? Éternel, mon Dieu, je te prie, que ta main soit sur moi et sur la maison de mon père, mais qu’elle ne soit pas sur ton peuple pour le frapper.
18 Ary Gada nasain’ Ilay Anjelin’ i Jehovah hilaza amin’ i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an’ i Jehovah ao amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
Et l’ange de l’Éternel commanda à Gad de dire à David, que David monte pour dresser un autel à l’Éternel dans l’aire d’Ornan, le Jébusien.
19 Koa dia niakatra Davida araka ny tenin’ i Gada, izay nolazainy tamin’ ny anaran’ i Jehovah.
Et David monta, selon la parole de Gad, qu’il avait dite au nom de l’Éternel.
20 Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin’ izay.
Et Ornan se retourna et vit l’ange; et ses quatre fils se cachèrent avec lui: et Ornan foulait du froment.
21 Ary nony tonga teo amin’ i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an’ i Davida, ary dia niala avy teo amin’ ny famoloana izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Davida.
Et David vint à Ornan; et Ornan regarda, et vit David, et sortit de l’aire, et se prosterna devant David, le visage contre terre.
22 Ary hoy Davida tamin’ i Araona: Mba omeo ahy amin’ izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an’ i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan’ ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
Et David dit à Ornan: Donne-moi la place de l’aire, et j’y bâtirai un autel à l’Éternel; donne-la-moi pour son plein [prix] en argent, afin que la plaie soit arrêtée de dessus le peuple.
23 Fa hoy Araona tamin’ i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.
Et Ornan dit à David: Prends-la pour toi, et que le roi, mon seigneur, fasse ce qui est bon à ses yeux. Vois, je donne les bœufs pour l’holocauste, et les traîneaux à fouler pour le bois, et le froment pour le gâteau: je donne tout.
24 Fa hoy Davida mpanjaka tamin’ i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an’ i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin’ izay azoko fotsiny.
Et le roi David dit à Ornan: Non, car certainement je l’ achèterai pour son plein [prix] en argent; car je ne prendrai pas pour l’Éternel ce qui est à toi, pour offrir un holocauste qui ne coûte rien.
25 Dia nomen’ i Davida sekely volamena lanjan’ enin-jato Araona ho vidin’ ny tany.
Et David donna à Ornan pour la place, en sicles d’or, le poids de 600 [sicles].
26 Ary Davida nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an’ i Jehovah izy ka novaliany tamin’ ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
Et David bâtit là un autel à l’Éternel, et offrit des holocaustes et des sacrifices de prospérités, et invoqua l’Éternel; et il lui répondit par le feu des cieux sur l’autel de l’holocauste.
27 Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin’ ny tranony ny sabany.
Et l’Éternel parla à l’ange, et il remit son épée dans son fourreau.
28 Tamin’ izany andro izany, nony hitan’ i Davida fa novalian’ i Jehovah teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.
En ce temps-là, David, voyant que l’Éternel lui avait répondu dans l’aire d’Ornan, le Jébusien, y sacrifia.
29 Fa ny tabernakelin’ i Jehovah izay nataon’ i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin’ ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;
Et le tabernacle de l’Éternel, que Moïse avait fait dans le désert, et l’autel de l’holocauste, étaient en ce temps-là sur le haut lieu de Gabaon;
30 nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan’ izany hanontany amin’ Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr’ Ilay Anjelin’ i Jehovah.
et David ne put point aller devant cet [autel] pour rechercher Dieu, car il était épouvanté à cause de l’épée de l’ange de l’Éternel.

< 1 Tantara 21 >