< 1 Tantara 20 >

1 Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin’ ny taranak’ i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an’ i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an’ i Raba, ka dia nandrava azy.
In the spring, at the time when kings march out to war, Joab led out the army and ravaged the land of the Ammonites. He came to Rabbah and besieged it, but David remained in Jerusalem. And Joab attacked Rabbah and demolished it.
2 Dia nesorin’ i Davida ny satro-boninahitr’ ilay mpanjaka teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan’ i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.
Then David took the crown from the head of their king. It was found to weigh a talent of gold and was set with precious stones, and it was placed on David’s head. And David took a great amount of plunder from the city.
3 Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin’ ny tsofa sy tamin’ ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon’ i Davida tamin’ ny tanànan’ ny taranak’ i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
David brought out the people who were there and put them to work with saws, iron picks, and axes. And he did the same to all the Ammonite cities. Then David and all his troops returned to Jerusalem.
4 Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin’ ny Filistina tao Gazera; tamin’ izany no namonoan’ i Sibekay Hosatita an’ i Sipay, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta, ka dia naetriny ny Filistina.
Some time later, war broke out with the Philistines at Gezer. At that time Sibbecai the Hushathite killed Sippai, a descendant of the Rephaim, and the Philistines were subdued.
5 Ary dia nisy ady tamin’ ny Filistina indray ary Elanana, zanak’ i Jaïra, namono an’ i Lamy, rahalahin’ i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona.
Once again there was a battle with the Philistines, and Elhanan son of Jair killed Lahmi the brother of Goliath the Gittite, the shaft of whose spear was like a weaver’s beam.
6 Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan’ ny taranaky ny Refaïta.
And there was still another battle at Gath, where there was a man of great stature with six fingers on each hand and six toes on each foot—twenty-four in all. He too was descended from Rapha,
7 Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida.
and when he taunted Israel, Jonathan the son of David’s brother Shimei killed him.
8 Ireo no taranaky ny Refaïta tao Gata, ka matin’ ny tànan’ i Davida sy ny tanan’ ny mpanompony ireo.
So these descendants of Rapha in Gath fell at the hands of David and his servants.

< 1 Tantara 20 >