< 1 Tantara 2 >
1 Izao no zanakalahin’ Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona
Hawa ndio waliokuwa wana wa Israeli: Reubeni, Simeoni, Lawi, Yuda, Isakari, Zabuloni,
2 sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera.
Dani, Yosefu, Benyamini, Naftali, Gadi na Asheri.
3 Ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak’ i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason’ i Jehovah Era, lahimatoan’ i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.
Wana wa Yuda walikuwa: Eri, Onani na Shela. Hawa watatu walizaliwa kwake na mkewe Mkanaani, binti wa Shua. Eri, mzaliwa wa kwanza wa Yuda, alikuwa mwovu machoni pa Bwana, kwa hiyo Bwana alimuua.
4 Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an’ i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin’ i Joda rehetra.
Tamari, mkwewe Yuda, alimzalia wana wawili: Peresi na Zera. Yuda alikuwa na jumla ya wana watano.
5 Ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
Wana wa Peresi walikuwa: Hesroni na Hamuli.
6 Ary ny zanakalahin’ i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.
Wana wa Zera walikuwa: Zimri, Ethani, Hemani, Kalkoli na Dara. Jumla ya wana wa Zera walikuwa watano.
7 Ary ny zanakalahin’ i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona.
Mwana wa Karmi alikuwa: Akari, ambaye alileta taabu kwa Waisraeli kwa kukiuka onyo la kutokuchukua vitu vilivyokuwa vimewekwa wakfu.
8 Ary ny zanakalahin’ i Etana dia Azaria.
Mwana wa Ethani alikuwa: Azariya.
9 Ary ny zanakalahin’ i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;
Wana wa Hesroni walikuwa: Yerameeli, Ramu na Kalebu.
10 ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona, lohan’ ny taranak’ i Joda;
Ramu alimzaa Aminadabu, na Aminadabu akamzaa Nashoni, kiongozi wa kabila la Yuda.
11 ary Nasona niteraka an’ i Salma; ary Salma niteraka an’ i Boaza;
Nashoni akamzaa Salmoni, Salmoni akamzaa Boazi,
12 ary Boaza niteraka an’ i Obeda; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
Boazi akamzaa Obedi, Obedi akamzaa Yese.
13 ary Jese niteraka an’ i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,
Yese akawazaa Eliabu mwanawe wa kwanza; wa pili Abinadabu, wa tatu Shimea,
14 sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,
wa nne Nethaneli, wa tano Radai,
15 sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;
wa sita Osemu, na wa saba Daudi.
16 Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin’ i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;
Dada zao walikuwa Seruya na Abigaili. Wana wa Seruya walikuwa watatu: Abishai, Yoabu na Asaheli.
17 ary Abigaila niteraka an’ i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain’ i Amasa.
Abigaili alikuwa mama yake Amasa, ambaye baba yake alikuwa Yetheri, Mwishmaeli.
18 Ary Kaleba, zanakalahin’ i Hezrona, niteraka tamin’ i Azoba vadiny sy tamin’ i Jeriota. Izao no zanakalahin’ i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.
Kalebu mwana wa Hesroni akazaa wana na mkewe Azuba (na pia na Yeriothi). Hawa ndio wana Azuba aliomzalia Kalebu: Yesheri, Shobabu na Ardoni.
19 Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain’ i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an’ i Hora taminy;
Azuba alipofariki, Kalebu akamwoa Efrathi, ambaye alimzalia Huri.
20 ary Hora niteraka an’ i Ory; ary Ory niteraka an’ i Bezalila.
Huri akamzaa Uri, Uri akamzaa Bezaleli.
21 Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin’ ny zanakavavin’ i Makira, rain’ i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an’ i Segoba taminy ravehivavy;
Hatimaye, Hesroni akakutana kimwili na binti wa Makiri babaye Gileadi (ambaye alimwoa alipokuwa na umri wa miaka sitini), naye akamzaa Segubu.
22 ary Segoba niteraka an’ i Jaïra, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin’ ny tany Gileada.
Segubu akamzaa Yairi, ambaye alitawala miji ishirini na mitatu katika Gileadi.
23 Ary nalain’ i Gesora sy Arama tamin’ ny Jairita ny tanàna madinika an’ i Jaïra mbamin’ i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an’ ny zanak’ i Makira, rain’ i Gileada.
(Lakini Geshuri na Aramu wakateka miji ya Hawoth-Yairi, pamoja na Kenathi na viunga vyake; jumla ilikuwa miji sitini.) Wote hawa walikuwa wazao wa Makiri babaye Gileadi.
24 Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin’ i Hezrona, dia niteraka an’ i Asora, razamben’ ny any Tekoa, taminy.
Baada ya Hesroni kufa huko Efrathi, Abiya mjane wa Hesroni akamzalia Ashuru, aliye baba wa Tekoa.
25 Ary ny zanakalahin’ i Jeramela, lahimatoan’ i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia.
Wana wa Yerameeli mzaliwa wa kwanza wa Hesroni walikuwa: Ramu mzaliwa wake wa kwanza, Buna, Oreni, Osemu na Ahiya.
26 Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no renin’ i Onama.
Yerameeli alikuwa na mke mwingine, aliyeitwa Atara, aliyekuwa mama yake Onamu.
27 Ary ny zanakalahin’ i Rama, lahimatoan’ i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera.
Wana wa Ramu mzaliwa wa kwanza wa Yerameeli walikuwa: Maasi, Yamini na Ekeri.
28 Ary ny zanakalahin’ i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin’ i Samay dia Nadaba sy Abisora.
Wana wa Onamu walikuwa: Shamai na Yada. Wana wa Shamai walikuwa: Nadabu na Abishuri.
29 Ary ny anaran’ ny vadin’ i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an’ i Abana sy Molida taminy.
Mke wa Abishuri aliitwa Abihaili, ambaye alimzalia Abani na Molidi.
30 Ary ny zanakalahin’ i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda.
Wana wa Nadabu walikuwa Seledi na Apaimu, lakini Seledi alikufa bila kuzaa watoto.
31 Ary ny zanakalahin’ i Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin’ i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin’ i Sesana dia Ahelay.
Apaimu akamzaa: Ishi ambaye alikuwa baba wa Sheshani. Sheshani akamzaa Alai.
32 Ary ny zanakalahin’ i Jada, rahalahin’ i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera.
Wana wa Yada, nduguye Shamai walikuwa: Yetheri na Yonathani. Yetheri alikufa bila kuzaa watoto.
33 Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin’ i Jeramela.
Wana wa Yonathani walikuwa: Pelethi na Zaza. Hawa ndio waliokuwa wazao wa Yerameeli.
34 Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany.
Sheshani hakuwa na watoto wa kiume, ila wasichana tu. Alikuwa na mtumishi Mmisri aliyeitwa Yarha.
35 Ary ny zananivavy nomen’ i Sesana ho vadin’ i Jara mpanompony; ary izy niteraka an’ i Atahy taminy.
Sheshani akamwoza huyu mtumishi wake Yarha binti yake, akamzalia mwana jina lake Atai.
36 Ary Atahy niteraka an’ i Natana; ary Natana niteraka an’ i Zabada;
Atai akamzaa Nathani, Nathani akamzaa Zabadi,
37 ary Zabada niteraka an’ i Efiala; ary Efiala niteraka an’ i Obeda;
Zabadi akamzaa Eflali, Eflali akamzaa Obedi,
38 ary Obeda niteraka an’ i Jeho; ary Jeho niteraka an’ i Azaria;
Obedi akamzaa Yehu, Yehu akamzaa Azaria,
39 ary Azaria niteraka an’ i Haleza; ary Haleza niteraka an’ i Elasa;
Azaria akamzaa Helesi, Helesi akamzaa Eleasa,
40 ary Elasa niteraka an’ i Sismay; ary Sismay niteraka an’ i Saloma;
Eleasa akamzaa Sismai, Sismai akamzaa Shalumu,
41 ary Saloma niteraka an’ i Jekamia; ary Jekamia niteraka an’ i Elisama.
Shalumu akamzaa Yekamia, naye Yekamia akamzaa Elishama.
42 Ary ny zanakalahin’ i Kaleba, rahalahin’ i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben’ ny any Zifa, sy ny zanakalahin’ i Maresa, razamben’ ny any Hebrona.
Wana wa Kalebu nduguye Yerameeli walikuwa: Mesha mzaliwa wake wa kwanza alimzaa Zifu, naye mwanawe Maresha akamzaa Hebroni.
43 Ary ny zanakalahin’ i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema.
Hebroni alikuwa na wana wanne: Kora, Tapua, Rekemu na Shema.
44 Ary Sema niteraka an’ i Rahama, rain’ i Jorkeama, ary Rakema niteraka an’ i Samay;
Shema alikuwa baba yake Rahamu na Rahamu alikuwa baba wa Yorkeamu na Rekemu alikuwa baba wa Shamai.
45 ary ny zanakalahin’ i Samay dia Maona, ary Maona no razamben’ ny any Beti-zora;
Shamai akamzaa Maoni na Maoni akamzaa Beth-Suri.
46 ary Efaha, vaditsindranon’ i Kaleba, niteraka an’ i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an’ i Gazeza.
Efa, suria wa Kalebu alikuwa mamaye Harani, Mosa na Gazezi. Harani alikuwa baba wa Gazezi.
47 Ary ny zanakalahin’ i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa.
Wana wa Yadai walikuwa: Regemu, Yothamu, Geshani, Peleti, Efa na Shaafu.
48 Maka, vaditsindranon’ i Kaleba, niteraka an’ i Sabera sy Tirana.
Maaka suria wa Kalebu alikuwa mamaye Sheberi na Tirhana.
49 Izy koa niteraka an’ i Safa, razamben’ ny any Madmana, sy Seva, razamben’ ny any Makbena sady razamben’ ny any Gibea; ary ny zanakavavin’ i Kaleba dia Aksa.
Pia Maaka akamzaa Shaafu babaye Madmana, na Sheva babaye Makbena na Gibea. Kalebu alikuwa na binti jina lake Aksa.
50 Izao no zanakalahin’ i Kaleba, zanak’ i Hora, lahimatoan’ i Efrata: Sobala, razamben’ ny any Kiriata-Jearima,
Hawa ndio waliokuwa wazao wa Kalebu. Wana wa Huri, mzaliwa mkuu wao wa Efrathi, walikuwa: Shobali akamzaa Kiriath-Yearimu,
51 Salma, razamben’ ny any Betlehema, Harefa, razamben’ ny any Beti-gadera.
Salma akamzaa Bethlehemu, naye Harefu akamzaa Beth-Gaderi.
52 Ary Sobala, razamben’ ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota
Wazao wa Shobali, baba yake Kiriath-Yearimu, walikuwa: Haroe, nusu ya wakazi wa mji wa Menuhothi,
53 ary ny fokon’ i Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraïta; avy tamin’ ireo no nihavian’ ny Zoraïta sy ny Estaolita.
pamoja na koo za Kiriath-Yearimu ambazo ni: Waithiri, Waputhi, Washumathi na Wamishrai. Kutokana na watu hawa walizaliwa Wasorathi na Waeshtaoli.
54 Ny zanakalahin’ i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraïta
Wazao wa Salma walikuwa: Bethlehemu, Wanetofathi, Atroth-Beth-Yoabu, nusu ya Wamanahathi, Wasori,
55 ary ny fokon’ ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’ i Hamata, rain’ ny taranak’ i Rekaba.
pamoja na koo za waandishi zilizoishi katika mji wa Yabesi: yaani Watirathi, Washimeathi na Wasukathi. Hawa ndio Wakeni waliotokana na Hamathi, baba wa nyumba ya Rekabu.